- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nasongadina Indray Ny Olana Ara-Tontolo Iainana Maro Ao Libanona Amin'ny Fitsidihan'ny Greenpeace

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
The 'Rainbow Warrior' in Beirut, Lebanon. August 27, 2016. Photo by Christophe Maroun.

Ny ‘Rainbow Warrior III’ ao Beirota, Libanona. 27 Aogositra 2016. Sary: Christophe Maroun.

Niantsona tao amin'ny Seranan-tsambon'i Beirota [1] tamin'ny 26 Aogositra 2016 i ‘Rainbow Warrior III’ izay an'ny fikambanana iraisampirenena tsy miankina miaro ny tontolo iainana Greenpeace [2], fiatoana voalohany amin'ny fitetezam-paritra izay ataony amin'ny fanentanana ny fampiasana ny angovon'ny masoandro [3] any amin'ny firenena Mediteraneana.

Manohana ny fanentanana ataon'ny Greenpeace amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ilay sambo, anisan'izany ny lahasa fijerena fanjonoana tsy ara-dalàna, ary manan-danja indrindra any Libanona ny iraka atao amin'ny angovon'ny masoandro, firenena iray izay nifanehitra tamin'ny loza ara-tontolo iainana teo taloha.

Niatrika krizin'angovo [4]  nanomboka tamin'ny faran'ny ady an-trano tamin'ny 1990 i Libanona. Hatramin'izao,  mbola mianjady amin'i Libanona ny fahatapahan-jiro isan'andro izay maharitra hatramin'ny 18 ora arakaraky ny faritra ary manery ny ankamaroan'ny Libaney hampiasa gropy mandeha amin'ny solika. Hatreto tsy afaka nanentsina ny elanelana misy eo amin'ny famokarana 1800 MW  sy ny fandaniana 3000  MW [5] amin'ny fotoana mahabe mpampiasa herinaratra ny fitondram-panjakana nifandimby, amin'ny milina famokarana angovo efa lany andro, mandoto ny rivotra iainana ary mila fikojakojana. ” Naorina tamin'ny 1996 ny milina famokarana herinaratra farany indrindra tao Libanona any Deir Ammar sy Zahrani, izay samy mamokatra herinaratra 450 MW “, izay ambany lavitra amin'ny angovo takiana , araka ny tatitry ny gazety Libaney The Daily Star .

Araka ny filazan'ny [5] mpiasam-panjakana ambony, niasa tao amin'ny orinasam-panjakana Electricite du Liban, teo aloha tao amin'ny The Daily Star:

If we don’t build more power plants then we will continue to live under harsh cuts every day. The solution is not in our hands but in the hands of the government.

Raha tsy manangana milina famokarana herinaratra matanjaka kokoa isika dia mbola hiaina hatrany amin'ny fahatapahan-jiro henjana isan'andro. Tsy eto am-pelatananay ny vahaolana, fa eo am-pelatanan'ny governemanta.

Ankoatra izany, manasongadina ny olana hafa koa ny fikarohana solika an-dranomasina sy fitrandrahana etona [6]  – izay resahina amin'izao fotoana izao ho mety ho vahaolana amin'ny krizin'ny angovo misy ao amin'ny firenena. Na dia toa mahaliana aza dia tsy afaka hanome vahaolana maharitra amin'ny lafiny rehetra ara-pamaritana ny fitrandrahana solika sy etona. Ary mety ho lasa fijaliana ho an'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ireo loharanon'angovo noho ny tahan'ny kolikoly [7] efa manana ny lazany ao Libanona.

Hoy ny tenin [1]‘i Peter Willcox, kapitenin'ny Rainbow Warrior III hoe:

It is time for people here to embrace what shines in the sky 300 days a year, not what’s tapped from the ground. It is not just about building a sustainable renewable energy future for the region, it’s about tipping the balance away from fossil fuels for the health of the planet while self-empowering local communities.

Tonga ny fotoana ho an'ny olona eto mba handraisana izay mamirapiratra eny amin'ny lanitra 300 andro isan-taona, fa tsy izay trandrahana avy amin'ny tany. Tsy mikasika ny momba ny fanorenana ny hoavy maharitra ao amin'ny angovo azo havaozina ho an'ny faritra ihany fa mila miala amin'ny angovo avy any anaty tany koa isika hiarovana ny fahasalaman'ny planeta sady manome tanjaka ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana.

Mazava ho azy, tsy afaka ny tsy hampahatsiahy ny firenena amin'ny krizy mitohy amin'ny  fitantanana fako niangona nandritra ny taona ny Rainbow Warrior III, izay niteraka indrindra ny hetsika [8] ‘Maimbo ianareo’ [8] tamin'ny fahavaratra 2015, ary nahitana olona an'aliny nanao diabe manohitra ny governemanta. Manavaka ireo fakony ny ekipan'ny sambo ary mametraka ireo fako samihafa rehetra araka ny sokajiny avy ao amin'ny dabam-pako mba hanodinana izany ao amin'ny firenena iandronany.

Nisafidy indrindra ny tsy hanodina ireo fako naterany izay vokariny ny Greenpeace mbola ao Beirota, fa nanapa-kevitra ny hitahiry ny fako tao an-tsambo, ary hanodina izany any Torkia, toerana halehan'ny sambo manaraka. Tsy mbola mahita ny vahaolana maharitra amin'io olana io ihany koa ny governemanta Libaney hatreto, eny fa na dia soso-kevitra [9] mandalo fotsiny aza — miatrika [10] sakana amin'ny fametrahana izany avy amin'ny mponina ao an-toerana ny toerana fitobiam-pako any amin'ny faritra Bourj Hammoud sy Costa Brava, raha nosakanana sy nahilika ny tolo-kevitry ny fiarahamonim-pirenena hampiditra drafitra fitantanana fako.

Amin'ny fiverenan'ny fako indray eny an-dalambe [11] tao anatin'ny andro vitsivitsy sy ny sakana ara-politika amin'izao fotoana izao dia hita toa lavitra ny vahaolana hamahana ny krizy i Libanona .

Manohana ihany koa ny “kaoperativa famokarana sy fanodinana ara-pambolena” tantanan'ny vehivavy any amin'ny faritra atsimon'i Libanona ny Greenpeace. Mampiofana tovolahy Libaney, Syriana ary Palestiniana miisa 12 ny fikambanana hanangana takela-masoandro hamaliana ny tinady ara-kerinaratra izay indraindray mety mahatratra hatramin'ny 22 ora ny fahatapahan'ny herinaratra .

Nanazava ny maha zava-dehibe ny takela-masoandro ho an'ny faritra i Daad, mpikambana iray ao amin'ny kaoperativa:

We are forced to work manually while our electrical machines are not being used. If we had electricity round the clock, we would have a greater production. Our work would greatly benefit the women working here as well as the growth of the cooperative.

Voatery miasa tanana izahay rehefa tsy ampiasaina ny milina mandeha herinaratra . Ho betsaka kokoa ny vokatra raha mandeha hatrany ny herinaratra. Handray soa indrindra avy amin'ny asanay ny vehivavy miasa eto ary koa hiroborobo ny kaoperativa.

Nandefa fanentanana fanohanana ara-bola an-tserasera [12] ny kaoperativa miaraka amin'ny fanantenana ny hahazo 8.000 $ ato anatin'ny roa volana. Nanazava ao amin'ny habaka ny fomba ampiasaina ny vola izy ireo:

The solarization of the women cooperative center will start with an energy audit that will identify its energy consumption. Then, a set of energy efficiency measures to reduce energy consumption such as lighting retrofit and piping insulation will be implemented. Finally, a solar energy system will be installed on the roof of the Cooperative.

Hanomboka miaraka amin'ny fanamarinana ara-angovo hamantarana ny angovo lany ny famadihana ho amin'ny herin'ny masoandro ny angovo miasa ao amin'ny foiben'ny kaoperativan'ny vehivavy. Avy eo, hapetraka ny fepetra hampihenana ny fandaniana angovo amin'ny fanatsarana ny fanazavana sy ny fiarovana ny fantsona. Farany, hapetraka ao an-tafontranon ‘ny Kaoperativa ny rafitra ho an'ny angovon'ny masoandro.

Ny Rainbow Warrior III [13] no sambo voalohany an'ny Greenpeace naorina manokana ho an'ny fikambanana. Nanomboka niasa izy io tamin'ny Oktobra 2011 taorian'ny nijanonan'ny Rainbow Warrior faharoa. Ity farany kosa no nisolo ny Rainbow Warrior voalohany indrindra rehefa nodarofan'ny mpitsikilo frantsay tany amin'ny morontsirak'i Nouvelle-Zélande baomba izany tamin'ny 1985 [14].

Efa nokendrena hifarana ao Maraoka mandritra ny fotoam-pivorian'ny COP 22 [15] sahanin'ny Firenena Mikambana amin'ny 14 sy 15 Novambra 2016 ho avy izao ny dian'ny sambo. Tsy toy ny Fihaonamben'ny Mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana teo aloha fa ny COP 22 kosa no ho COP voalohany [16] taorian'ny “naneken'ny mpikambana rehetra miisa 196 tao [ amin'ny COP 21] ny tanjona fampihenana ny fiakaran'ny maripana ho eo ambanin'ny roa degre izay tanjona tsy maintsy atao noho ny fikorontanan'ny toetr'andro eran-tany “.