- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mivaky Ireo Mpikatroka Mafana Fo Sy Ny Governemanta, Ao Anatiny Sy Ivelan'i Honduras, Momba Ny Lalàna “Berta Cáceres”

Sokajy: Amerika Latina, Honduras, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Teratany, Tontolo_iainana, Zon'olombelona
Mural en homenaje a Berta Cáceres en Tegucigalpa. Imagen del Dominio Público. [1]

Sary fanomezam-boninahitra an'i Berta Cáceres ao Tegucigalpa. Sary: Sehatra hoan'ny rehetra.

Nanolotra lalàna vaovao natao hanerena ny governemana ao Honduras mba hanao zavatra bebe kokoa ireo mpanao lalàna Amerikana, hahitana sy hitsarana ireo ao ambadiky ny famonoana olo-malaza maro mpitarika ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny firenena. Nomena ny anaran'ny lehiben'ny teratany maty nisy namono tamin'ny fiandohan'ity taona ity, ny “Berta Cáceres Lalàna momba ny Zon'olombelona ao Honduras” (HR5474) dia nentin'ny Demokraty dimy ho eo anatrehan'ny Kongresy Amerikana tamin'ny 15 Jona.

Lasa loharano tsy nitsahatra nitombo ho an'ny adihevitra iraisam-pirenena ilay tolodalàna.

Nangataka tamin'i Washington ireo mpanao lalàna mba hampiato ny fanampiana ny polisy sy ny tafika ao Honduras mandra-pitsahatry ny fanitsakitsahana zon'olombelona ataon'ireo mpitandro filaminana ary mba hitondra eo anatrehan'ny fitsarana ireo tomponandraikitra amin'izany heloka bevava izany. Ny tanjon'ilay lalàna dia hampihena ny herin'ny mpitandro filaminana avy amin'ny governemanta sy ireo milisy izay efa matetika voarohirohy amin'ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana, ireo mpitarika sendika, mpanao gazety, mpisolovava, mpikatroka, mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Afrikana-teratany, tantsaha, mpikatroka LGBTI mafana fo ary ny vahoaka izay manakiana ny governemanta.

Araka ilay volavolan-dalàna, ny ankamaroan'ireo fanararaotana ireo dia afa-maina. Ny lalàna koa dia mety hampitsahatra ny fanampiana Amerikana rehetra ho fahazoana fitaovam-piadiana sy hanohintohina ny dolara anjatony tapitrisa izay atokana amin'izao fotoana izao homena an'i Honduras ao anatin'ilay Fifanarahana Telozoro Avaratra hoan'ny Drafitry ny Firoboroboana [2].

Eo ambanin'ity tolodalàna ity dia mihantona ny fanampiana mandra-pahatanterak'ireo fepetra sasany, anisan'izany ny fanadihadiana feno momba ny famonoana an'i Berta Cáceres ary koa ny fandripahana mpikatroka mafana fo maro hafa sy tantsaha madinika mifandray amin'ny tolona ho an'ny tany any Honduras. Ny famotorana hoavy ataon'ny departemantam-panjakana Amerikana ihany no azo antoka afaka hamaritra hoe rahoviana no hifarana ny famaizana.

Hank Johnson [3], iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny kongresy nanosika ilay fandraisan'andraikitra, nizara ny antony anohanany ilay lalàna::

Manome antapitrisany dolara amin'ny fanampiana ny fiarovana ao Honduras isan-taona isika nefa io hery io ihany no hita manafika sy mamono ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana, mpiasa sy ary ny mpiaro ny zon'olombeloha, toa an'i Cáceres izay tsy misy valinteny mahafapo avy amin'ireo manampahefana ao Honduras[…] Tonga ny fotoana hoan'ny governemantantsika mba handefasany hafatra matanjaka amin'ny fanararaotana ny fanampiana ara-piarovana sy fampindramambola avy amin'ny tany maromaro mba hanaovana tsindry sy fanerena tena maharitra amin'ny governemanta ao Honduras hiarovana ireo mpikatroka mafana fo, ary hitsarana ireo tompon'andraikitra tamin'ireo heloka bevava manafintohina ireo..

Ilay fandraisana andraikitra dia natao mba hisarika ny sain'ny Governemanta ao Honduras sy mba hanairana ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Ireo fikambanana eoropeana sasany, raha ny marina, toy ny Famatsiambolan'ny Holandey ho Fampandrosoana (FMO) dia efa nanapa-kevitra ny hiala amin'ny tetikasa fanampiana ara-bola an'i Honduras. [4]

FMO está consternado a raíz de la noticia que Nelson García, otro miembro del COPINH, ha sido asesinado en Honduras.  Después de la reciente muerte violenta de Berta Cáceres, hemos solicitado al gobierno hondureño hacer todo dentro de su poder para detener la continua violencia y asesinatos que se viven en el país.

Nanahy ny FMO momba ny vaovao mahakasika an'i Nelson Garcia, mpikambana iray hafa ao amin'ny COPINH, hoe maty nisy namono tao Honduras. Taorian'ny famonoana narahana herisetra nanjo an'i Berta Cáceres, dia nangataka tamin'ny governemanta ao Honduras izahay mba hanao izay rehetra tratry ny heriny mba hampitsahatra ny herisetra sy ny famonoana izay mitranga ao amin'ny firenena.

Ny Valintenin'ny Governemanta sy ny Fanakianana ilay Lalàna

Nitsikerain'ny governemanta ao Honduras ilay volavolan-dalàna amerikana, nampitandrina fa mety hanimba ny fifandraisana amin'ny andaniny sy ankilany amin'i Etazonia. Vao haingana ny filoha Juan Orlando Hernández, izay nitaraina fa manarona an'i Honduras tsy ara-drariny ao anatin'ny haizina ilay lalàna, no nandeha tany Washington DC mba hanamafy ny fifandraisana amin'i Etazonia.

Araka ny filazan'i Tomás Zambrano, mpikambana ao amin'ny Kaomision'ny Fiarovana ao Honduras, ny lalànan'i Berta Cáceres [5] dia hanalefaka ny ady amin'ny fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina.

Ary tsy Zambrano irery ihany no matahotra ny vokatra tsy niriana amin'io lalàna io. Ny tranonkala Fitsikerana Ny Marina Afenina [6] dia nanoratra momba ny loza hafa mety haterak'ilay lalàna amerikana. :

Mientras esta Ley se debate, los criminales se están re armando y preparan de nuevo sus planes de contingencia para abrir nuevas rutas por donde puedan maniobrar y continuar inundando de droga un mercado altamente consumidor, mientras en el camino van quedando miles de muertos en un fuego cruzado.

Raha mbola iadiana hevitra ity lalàna ity, nanangona fitaovana ho an'ny tenany ireo mpanao heloka bevava sady niomana indray ny tetikadiny hanokafana làlana vaovao hahafahany mihetsika sy manohy mandrakotra ny tsena iray be mpanjifa tokoa, ary mandritra izany mamela olona an'arivony maro ho faty anaty fifampitifirana.

Antso ho an'ny Amerikana

Maro amin'ireo mpikatroka momba ny rariny ara-tsosialy no nanaiky ilay volavolan-dalàna Amerikana. Laura Zúñiga, iray amin'ireo zanaka vavin'i Berta Cáceres dia nihaona tamin'ireo mpiara-mikatroka tany Etazonia mba hiresaka ilay fandraisana andraikitra. Nozarain'i Julio Varela ny rakitsary iray avy amin'ny fihetsiketsehana tao Filadelfia, toerana nanaovan'i Zúñiga antso avo amin'ny Amerikana mba hanohana ilay tolodalàna :

Famoriam-bahoaka #BertaCaceres [7] tao Fili. Ny zanaka vavin'i Berta no miteny

[En América Latina, hoy, están] pudriendo las montañas, envenenando los ríos y saqueando nuestros bosques para sostener el consumo de los EEUU […] Para sostener ese consumo y para poder despojar a los territorios, se necesita la fuerza de la violencia; y la fuerza de la violencia en nuestros países. [Esta violencia] está representada por los militares y policías. Entonces estamos acá para pedir, para exigir, que se corten inmediatamente los fondos y las ayudas a los militares y policías que nos están matando. Estamos poniendo nuestros cuerpos ¡Estamos poniendo nuestras vidas!

[Ao Amerika Latina, androany] ravain'izy ireo ny tendrombohitra, poizininy ny renirano, ary aripany ny ala mba hanohanana ny fanjifàna ao Etazonia […] Mba hanohanana io fanjifàna io ary mba hanadiovana faritany dia ilaina ny herisetra, ary ny herisetra dia ato amin'ny taninay. [Io herisetra io] dia soloin'ny polisy sy ny miaramila tena. Koa indreto izahay, mangataka –  mitaky- mba hatsahatra avy hatrany ny fanampiana hoan'ny miaramila sy ny polisy izay mamono anay. Ny vantanay no alàny! Ny fiainanay no alàny!

Na mbola tsy mizotra ho amin'ny fandaniana azy ato ho ato aza ilay lalàna, mitsangana kosa ny fanohanana eny anivon'ireo mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana. Mitombo koa araka izany ny maha-saro-bahàna ny olan'i Honduras momba ny fanondranana antsokosoko zava-mahadomelina, fiarovana ny vahoaka ary ny anjara asa izay matetika tazonin'ny orinasa lehibe iraisam-pirenena.