- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana: Miaro Antsika Ny Tsy Fitononana Anarana — Ka Andeha Arovana Ny Tsy Fitononana Anarana

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Why do we need anonymity? Image used with permission of Derechos Digitales.

Nahoana isika no mila tsy mitonona anarana? Sary nahazoan-dalana avy amin'ny Derechos Digitales.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Derechos Digitales sy ny Global Voices’ Advox ary ireo tonian-dahatsoratra Amerikana Latina.

Atahorana kokoa tsy toy ny hatramin'izay [1] ankehitriny ny zo miaro ny tsy fitononana anarana.

Satria miaina bebe kokoa ao amin'ny aterineto ny fiainantsika ary mifandray bebe kokoa amin'ny teknolojia nomerika, lasa mora kokoa ny mamantatra antsika sy manangona torohay [2]amin'ny fahazarantsika, ny hevitsika, ary koa momba ny vatantsika.

Mandritra izany fotoana izany, ny resaka izay mametraka ny fiarovana sy ny tsy fitononana anarana ho mifanohitra dia nampiditra an-keriny ny fitantarana ara-politika mahazatra, manoritra fampifandraisana mafonja eo amin'ny tsy fitononana anarana sy ny heloka bevava – naseho ho toy ny fahafahana mandika lalàna, manao fampihorohoroana, mampiditra zava-mahadomelina antsokosoko, sary mamoafady ahitana ankizy ary aretina faratampony ara-tsosialy. Ary nisy ireo fikasana hametraka lalàna marobe hametra ny zontsika hiaro ny mombamomba antsika.

Mifanindran-dalana amin'izany, miha-mahazo teknolojia ahafahana mitsikilo olom-pirenena [3] ny fitondram-panjakana, zatra mampiasa ny rafitra fanaraha-maso ara-teknika [fitsikilovana] izay mihoatra noho ny omen'ny lalàmpanorenana. Mandresy lahatra izy ireo fa ilaina hiarovana ny filaminam-pirenena ireo lahasa ireo.

Tena zava-dehibe indrindra ny tsy fitononana anarana [4] satria miantoka ny fahalalahana tahaka ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo hivory, ny zo hanao fihetsiketsehana ara-tsosialy, ary ny zo hitady vaovao sy hahazo fanampiana, ankoatra izay tsy voatonona.

Miaro antsika rehetra ny tsy fitononana anarana. Raha mijaly noho ny toe-pahasalamana isika ka te hitady fanampiana sy toro-hevitra avy amin'ny marary hafa tsy te-hampahafantatra ny fianakaviantsika, ny mpampiasantsika, na ny orinasam-piantohana noho ny antony mifandraika amin'ny asa na toekarena na satria mahatsiaro menatra isika, raha mijaly noho ny herisetra na sotasota ao amin'ny toeram-piasana, sekoly, mpifanolobodirindrina, na koa ao an-tokantrano; raha te hitatitra zavatra ho an'ny gazety na ny polisy, saingy mihevitra isika fa mety hampidi-doza izany; na raha te hitaky ny zontsika, saingy matahotra valifaty. Maro ireo zava-misy isan'andro ahafahan'ny tsy fitononana anarana miaro antsika mba hanindry lenta ny tsy fifandanjam-pahefana ary hampihatra ny zontsika.

Miaro antsika ny tsy fitononana anarana. Andeha arovana ny tsy fitononana anarana [5].

Aparitaho ny teny antserasera miaraka amin'ity lahatsary avy amin'ny Fikambanana Tsy Miankina Shiliana Derechos Digitales ity:

Ny Fiarovana ny Tsy Fitononana Anarana dia fanentanana tarihin'ny Derechos Digitales miaraka amin'ny fiarahamiasa amin'ny Global Voices.