Fiampangana Vaovao Mitambesatra Amin'ny Filoha Meksikana

Enrique Peña en la Asamblea General de Naciones Unidas. Imagen compartida en Flickr por la Presidencia de la República, utilizada en términos de licencia Creative Commons.

Enrique Peña tao amin'ny fivoriambe iraisampirenena . Sary nozaraina Flickr ho an'ny  fiadidiana ny Repoblika , nahazoana alàlana avy amin’ ny Creative Commons.

Ny 21 Aogositra 2016 lasa teo, nanambara tao amin'ny tambajotra seraserany ilay mpanao gazety malaza Meksikana Carmen Aristegui fa nanao hala-tahaka tamin'ny asa-karoka izay nahazoany ny diplaomany tamin'ny sampana lalàna  tamin'ny  taona 1991 tao amin'ny Universidad Panamericana ny Filoha Meksikana Enrique Peña.

Izao no fanambarana nataon’ i Carmen Aristegui tao amin'ny vavahadin-tserasera Sopitas   :

El equipo de investigaciones de Carmen Aristegui encontró que la tesis de EPN tiene 197 párrafos que fueron plagiados de un total de 682. El plagio fue textual, no hubo entrecomillado ni cita alguna.

Nahatsikaritra ny ekipam-pikarohana notarihan'i Carmen Aristegui fa ny fikarohana nataon'i EPN dia nahitana andinin-tsoratra nalaina tahaka miisa 197 ao anatin'ny 682. Ny lahatsoratra no nangalarina tahaka, tsy nahitana farango sosona na fanononana olona.

Famintinana ny naoty izay navoakan'ny ekipan'i Aristegui Ity horonan-tsary ity, mitondra ny lohateny hoe “Peña Nieto, Filohan'ny mpangala-tahaka” :

Enrique Peña Nieto plagió párrafos textuales de una obra escrita por el expresidente Miguel de la Madrid, sin hacer referencia a él ni citarlo en la bibliografía. También se atribuyó palabras de al menos diez autores, entre ellos, el historiador Enrique Krauze, y los doctores en derecho Diego Valadés y Jorge Carpizo.

Nangala-tahaka andinin-dahatsoratra izay sanganasan'ny filoha teo aloha Miguel de la Madrid, tsy nisy ny fanononana ny anaran'io mpanoratra io tao amin'ny bibliografia na ny momba azy, i Enrique Peña Nieto. Teny avy amin'ny mpanoratra folo koa raha kely no voatondro, anisan'izany ny mpahay tantara Enrique Krauze, sy ny mpahay lalàna Jorge Carpizo sy Diego Valades.

Oniversite iray  tsy miankina natokana ho an'ny olona mananrena na sarangan'olona ambony, mifandray amin'ny Opus Dei, sampana iray ao amin'ny Eglizy katolika Romana ny Universidad Panamericana –izay nahazoan'i Peña ny diplaomany– . Araka ny gazety ara-pandraharahana Forbes dia namerina nandinika indray ny asa-karoka nataon'i Peña ilay Oniversite.

Ao amin'ny Twitter, nampahatsiahy ireo mpisera ao aminy tahaka an'i México Denuncia fa niala ny toerany avokoa ireo filoham-pirenena hafa tafiditra tamin'ny raharaha toa io  :

#LordTesis #EPN Nametra-pialana ny filoha hongroà taorian'ny nanekeny fa nangala-tahaka izy tamin'ny asa-karoka nataony https://t.co/fevcIgfGmi

Mandritra izany fotoana izany, nanao izao fanehoan-kevitra izao i Norma Sanchez:

Tsy misy izany hala-tahaka tsy nahy izany: Maneho zavatra maro eo amin'ny lalam-pitondra-tenany amin'ny maha-politisiana azy ny hala-tahaka nataon'i @EPN

Nampiasa teny fanesoana i David G. Paz Marin mba hilazany ny foto-keviny   :

Mampivoitra zavatra roa ny asa-karok'i EPN : tsy fikajian'ny Filoha ny zavatra ataony sy ny tsy fahampian'ny fahahenterana (hentitra) akademika ao amin'ny Universidad Panamericana

Misy ihany koa ny lafin-javatra hafa tokony atao fanadihadiana hoy i José Luis Huerta  :

Iza no mpitari-dalana nanolo-tsaina an'i EPN tamin'ny asa-karoka? Inona no azon'ny Universidad Panamericana lazaina amin'io hala-tahaka io?. Mety ho tantara noforonin'i Aristegui koa io.

Tsara ny mampahatsiahy fa i Aristegui sy ny ekipany no tompon'antoka tamin'ny famoaham-baovao ho an'ny vahoaka mikasika ilay raharaha fifandroritana tombontsoa fantatra amin'ny anarana hoe “Casa Blanca” [Trano Fotsy], tamin'ny nahazoan'ny vondrona orinasa iray ny fifanarahana amin'ny fanjakana nifaninanana tamin'ny hafa ka nanomezan'io vondron'orinasa io trano lafovidy ho an'ny vadin'i Peña ho takalon'ilay tsena. Vao haingana ny filoha no niala tsiny momba io raharaha io ka nanao ity fanambaràna manaraka ity:

No obstante que me conduje con apego a la ley, aceptó y reconozco que cometí un error. Este error afectó a mi familia, lastimó la investidura presidencial y dañó la confianza de la sociedad. En carne propia sentí la indignación de los mexicanos, por eso, con toda humildad, les pido perdón.

Na dia tarihan'ny lalàna aza aho dia nanaiky ary mankatoa fa nanao fahadisoana. Fahadisoana izay nisy fiantraikany mafy tamin'ny fianakaviako ary nanimba ny fitokisan'ny fiarahamonina ahy. Tsapako mivantana ny hatezeran'ny Meksikana, ka amin'ny fanetren-tena rehetra no angatahako famindram-po.

Nefa mandraka ankehitriny, tsy misy mety mamaly ny fanontaniana mikasika io raharaha io na ny mpikambana ao amin'ny kabinetrany na ny fianakaviany. Ankoatra izany, tsy mbola nilaza na inona na inona tamin'ny fiampangana hala-tahaka nataon'i Aristegui ihany koa izy.

Ilaina ny manamarika fa tsy ny rehetra no faly tamin'ny fomba nitateran'io mpanao gazety malaza io ny raharahan'ny mpitondra.

Tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity,  nanao fanambarana mikasika ny tsy fetezan'ny fanambadiana fanindroany nataon'ny filoha tany am-piangonana i Aristegui

Ao amin'ny vavahadin-tserasera SDPnoticias (habaka mahaleotena iray anisan'ny be mpitsidika indrindra ao Meksika), dia manamaivana io fanambarana nataon'i Aristegui i Federico Arreola izay nametraka ireto ireto hevitra ireto:

Si acaso, como mencionaron algunos tuiteros, lo único que demuestra Carmen Aristegui es que EPN leyó mucho más de tres libros para hacer su tesis de licenciatura.

Ojalá la respetada señora Aristegui se olvide de sus obsesiones contra Peña Nieto y vuelva ya a la seriedad periodística.

Na izany aza, araka ny nomarihan'ny mpiseran'ny tambajotra twitter, ny zavatra tokana nolazain’ i Carmen Aristegui voamarina dia namaky boky mihoatra ny telo i EPN tamin'ny nanaovany asa-karoka.

Antenaina fa hanadino ny fanenjehana lava ny filoha Peña Nieto Ramatoa Aristegui ka hiverina amin'ny asa fanaovan-gazety matotra

 Nanao izao fanehoan-kevitra izao  tao amin'ny Twitter i Madame Déficit  :

Mpanao gazetin'i @lopezobrador sy ireo mpanaradia azy i Carmen Aristegui. Tsy midika izany fa marina avokoa ny asany.  

[Fanamarihana: iray amin'ireo mpitarika mpanao politika mpanohitra ny filoha sy ny antokony i Andres Lopez Obrador]

Naneho hevitra mazava amin'ny fiantraikan'ny asan'i Aristegui ireo mpisera tambajotra :

Miaina ao amin'ny firenena anjakan'ny kolikoly sy ny tsimatimanota isika, ka TSY hanova zavatra ny raharaha hala-tahaka asa-karoka

Tamin'ireo fitondrana teo aloha ihany koa, efa nisy ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifandirana teo amin'ny mpanao gazety sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Ohatra iray tamin'izany, nitatitra i Aristegui fa ampijalian'ny fisotroan-toaka i Felipe Calderon, filoha teo aloha avy amin'ny antoko politika hafa nodimbiasin'i Peña Nieto. Tatitra tsy voaporofo mihitsy sy ireo hevitra isankarazany nitarika ny fandroahana azy tamin’ ny onjam-peo niasany.

Tsy fantatra mihitsy ny tena fiantraikan'ny tatitr'i Aristegui momba ny Filoha Peña. Fa araka ny zava niseho ankapobeny dia tsy misy tokony atahoran’ ny Lehiben'ny Fahefana Mpanatanteraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.