- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Breziliana Iray Mpitsara Milaza Fa Tomponandraikitra Tamin'ny Nahavoatifitry ny Polisy Azy Teo Amin'ny Masony Ilay Mpakasary

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Sérgio Silva with a glass eye and with a sign "Rubber bullet blinds, but won't silence"

Eo an-kavia, Sérgio Andrade da Silva miaraka amin'ny maso tavoahangy. Eo an-kavanana, Silva miaraka amin'ny takelaka mivaky toy izao, “Mahajamba ny bala fingotra, fa tsy mampangina”. Sary nalain'i Silva, azo ampiasaina malalaka.

Ny volana Jiona 2013, very ny masony havia i Sérgio Andrade da Silva, Breziliana mpakasary, taorian'ny nitifiran'ny polisy iray onazy tamin'ny bala fingotra raha nandrakotra ny hetsi-panoherana  teny an-dalambe izy. Nitory ny fanjakan'i São Paulo izy ary nangataka 1,2 tapitrisa reasis Breziliana (375.000 dolara Amerikana) ho onitra ary vola mitentina  2.300 reais (720 dolara Amerikana) isam-bolana mandritra ny andro iainany, ary ny vola lany rehetra amin'ny fitsaboana azy.

Tamin'ity herinandro ity, niakatra ny fitsarana ihany nony farany ny fitoriany — ary nolavin'ny mpitsara ny fangatahany.

Nanerana ireo tanàna Breziliana ireo hetsi-panoherana goavana an-dalambe [1] ny volana Jona 2013, miaraka amin'ireo olona an-tapitrisany nitaky ny hisian'ny tolotra tsaratsara kokoa avy amin'ny fanjakana. Voatifitra teo amin'ny masony ihany koa [2] i Juliana Vallone, mpanao gazety avy ao amin'ny gazety an-tsoratra Folha de São Paulo, nandritra ireo hetsi-panoherana, fa ny tsy nitoviany tamin'ny an'i Silva, sitrana soa aman-tsara izy.

Namerina namoaka [3] ny ampahan'ny fanapahankevitry ny mpitsara, Olavo Zampol Júnior, ny vohikala Ponte Jornalismo:

as possíveis consequências do que pudesse acontecer, surgindo desse comportamento causa excludente de responsabilidade, onde, por culpa exclusiva do autor, ao se colocar na linha de confronto entre a polícia e os manifestantes, voluntária e conscientemente assumiu o risco de ser alvejado por alguns dos grupos em confronto”.

ireo azo sainina ho vokatry ny zavatra mety hitranga, avy amin'ny fitondrantena toy izao, dia mitondra amin'ny fanilihana andraikitra, izay ilay olona amin'ny fahadisoany tanteraka, mipetraka anelanelan'ny toerana ifandiran'ny polisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana, tsy noterena ary amim-pahalalana tokoa, mankahatra loza ho voatifitry ny sasany amin'ireo vondrona mpifanandrina.

Amin'ny teny hafa, nampangain'ilay mpitsara i Silva ho meloka tamin'ny namoizany ny fahitàny, noho izy nametraka ny tenany tamin'ny toerana mampidi-doza.

Ao amin'ny media sosialy, maro ireo Breziliana naneho ny heviny tamin'ilay didy nivoaka, nilaza fa tsy manana fiarovana tsotra fotsiny izao ireo mpanao gazety manoloana ny herisetran'ny polisy rehefa mandrakotra hetsi-panoherana, ary indraindray aza tena kendrena mihitsy. Matetika no miasa amin-kerisetra ireo polisin'i Brezila, tsy hoe amin'ireo mpanao gazety ihany fa koa amin'ireo vahoaka mainty any amin'ireo “favelas” ao amin'ny firenena, namono mponina [4] nefa tsy nibaby ny helony ireo mpiandraikitry ny polisy tany, araka ny lazain'ireo vondrona mpiaro  zon'olombelona.

Nanao fanangonantsonia tamin'ny Change.org i Silva [5], nangataka fampakarana didy tamin'ny fitsaràna ao São Paulo hamerina hijery ny fanapahankevitr'ilay mpitsara. Hatreto, nahangona sonia maherin'ny 3.000 isa io. Ao amin'ilay fanangonan-tsonia, milaza izao i Silva:

A decisão do juiz Olavo Zampol Júnior é mais um episódio vergonhoso e monstruoso de violência judicial contra as vítimas da Polícia Militar. É mais uma demonstração de que o Estado defende apenas seus próprios interesses – e de que esses interesses definitivamente não são os mesmos interesses da cidadania. O que fazer diante de tamanha injustiça? É difícil saber ao certo. É chocante ler um documento público escrito com tal nível de desfaçatez. Mas eu escolho resistir, e sei que tenho muitas pessoas ao meu lado.

Fizarana iray hafa mahamenatra sy feno habibiana amin'ny herisetra ara-pitsaràna atao amin'ireo niharan'ny herisetran'ny polisy ny fanapahankevitry ny mpitsara Olavo Zampol Júnior. Fanehoana iny hoe miaro ireo tombontsoany fotsiny ny fanjakana — ary tena tsy mitovy amin'ireo tombontsoam-bahoaka mihitsy ireo tombontsoany ireo. Inona no atao manoloana ny tsy rariny tahàka izany? Sarotra fantarina izany. Mahatohina ny mamaky taratasy ho an'ny sarambabembahoaka nosoratana taminà hadalàna toy izany. Fa nisafidy ny hiatrika aho, ary fantatro fa misy olona maro eo anilako.

Ireo mpaneho hevitra amin'ny Aterineto sasany kosa nampitaha ny fanapahankevitr'ilay mpitsara taminà tranganà fihetsiketsehana hafa iray nikasika herisetra izay nahavoasazy avy hatrany ireo nitifitra. Ny volana Febroary 2014,  maty i Santiago Andrade, mpaka lahatsary avy amin'ny toby fahitalavitra Breziliana [6] taorian'ny nahavoan'ny tsipoapoaka azy raha izy teo am-pandrakofana fihetsiketsehana iny indrindra. Hita avy eo fa mpanao fihetsiketsehana roa no nanipy ilay tsipoapoaka, izay nandany taona iray tany am-ponja teo am-piandrasana ny fitsaràna azy ireo (taorian'ny fandoavana onitra navoaka izy ireo ny taona lasa iny ary vinavinaina ho voaheloka sy hahazo sazy anelanelan'ny roa ka hatramin'ny valo taona am-ponja).

Nandefa izao tao amin'ny pejy Facebook-ny i Ignacio Aronovich, mpanao gazety :

Ignacio Aronovich posted a photo of the moment pothe picture by Domingos Peixoto/AFP, Santiago Andrade (Bandeirantes TV) is hit by a firecracker. [7]

Nandefa sary iray ahitàna an'i Santiago Andrade nipoahan'ilay tsipoapoaka tamin'ny 2014 i Ignacio Aronovich, nalain'i Domingos Peixoto/AFP. Maty noho ny ratrany i Andrade. Pikantsary avy ao amin'ny Facebook.

Na foto de Domingos Peixoto/AFP, Santiago Andrade (TV Bandeirantes) é atingido por um rojão.

Quem a justiça considerou culpada?

Quem lançou o artefato.

Em SP, no dia 13 de junho de 2013, Sérgio Silva [8] foi atingido por uma bala de borracha.

Quem a justiça considerou culpada?

O fotógrafo.

Quem estava presente no dia 13 de Junho de 2013 na esquina da Maria Antônia com a Consolação sabe muito bem o que aconteceu ali.

Eu estava.

‪#‎culpadoporfotografar‬ [9]

Eo amin'ny sary avy tamin'i Domingos Peixoto/AFP, nipoahan'ny tsipoapoaka i Santiago Andrade (Bandeirantes TV).

Iza no heverin'ny fitsaràna ho meloka?

Ireo olona nanipy ilay izy.

Tao São Paulo, ny 13 Jiona 2013, voatifitry ny bala fingotra i Sérgio Silva.

Iza no heverin'ny fitsaràna ho meloka?

Ilay mpakasary.

Mahafantatra tsara ny zavatra nitranga tany ireo olona izay teo amin'ny fihaonan-dàlan'ny làlana Maria Antonia sy Consolação ny 13 Jiona 2013.

Tany aho.

#GuiltyOfPhotographing (Meloka Tamin'ny Fakàna Sary)

Davi Duarte, profesora, nanao fanehoankevitra tao amin'ny pejy Facebook-ny [10] ihany koa:

O Policial que mira uma bala de borracha no olho de uma pessoa, atira e o deixa cego não é nada além de um psicopata que reforça o repúdio à farda merecido pela população.

Covarde.

Tsy zavatra tsy misy dikany fa olona marary saina izay manamafy ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny fanamiana, izay rariny loatra, ny manampahefan'ny polisy mikendry ny mason'ny olona, mitifitra ary mamela azy ho jamba.

Kanosa.

Maycon Nunes, izay profesora ihany koa, naneho ny fanohanany an'i Silva tao amin'ny Facebook:

O Juiz culpa o fotografo Sérgio Silva, por estar na linha de tiro. Culparam a vítima!

Se o Sérgio Silva é culpado por exercer a sua função, por fazer o que é pago para fazer, por fotografar, fica aqui o meu manifesto!

Eu sou cúmplice

http://www.conjur.com.br/2016-ago-17/fotografo-culpado-tiro-deixou-cego-protesto-juiz?utm_source=dlvr.it&utm_medium=facebook

Manifeste-se!

Um povo calado, é um povo aprisionado!
#culpadoporfotografar

Miampanga ilay mpakasary Sergio Silva ho teo amin'ny hintsin'ny bala ilay mpitsara. Miampanga ny niharan-doza izy ireo!

Raha meloka tamin'ny fanaovany ny asany i Sergio Silva, ny fanaovany ny zavatra nanakaramana azy, tamin'ny fakàna sary, izao no lazaiko!

Mpiray tsikombakomba aminy aho

[…]

Mitenena mafy!

Olona voafonja ny olona mangina!
#GuiltyOfPhotographing

"The police officer had his gun pointed to people's heads". Photo by Alice V/Democratize, used with permission

“Nanana ny basiny nifanitsy tamin'ireo lohan'ny olona ilay mpitandro filaminana”. Sary avy tamin'i Alice V/Democratize, nahazoana alalana ny fampiasana azy

Tao amin'ny Twitter sy Facebook, mampiasa ny tenifototra #culpadoporfotografar (meloka tamin'ny fakàna sary) ireo mpampiasa, mba hanehoany ny fanohanany an'i Silva ary mba hanoherana ny fanapahankevitr'ilay mpitsaran'i São Paulo. Ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana toy ny Article 19 ihany koa nitsangana [11] niaraka tamin'ilay mpaka sary. Nampakatra ny didim-pitsaràna ho eny amin'ireo fitsaràna ambonimbony kokoa i Silva.