Avelan'ny Fitantavanan'ny Snapchat Mitantara Amin'ny Fomba Miafina Ny Nahazo Azy Ireo Lasibatry Ny Herisetra Ara-nofo Ao India

Screenshot of victims of sexual abuse using snapchat to tell their stories.

Pikantsarin'ny lasibatry ny herisetra ara-nofo mampiasa ny snapchat mba hitantara ny mahazo azy ireo.

Vao haingana ilay mpanao gazety Indiana iray no nanomboka nampiasa ilay fampiasa media sosialy malaza Snapchat tamin'ny fomba vaovao mba ahafahan'ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo hitantara ny zavatra iainan'izy ireo ary tsy mila manonona ny mombamomba azy ireo.

Tahaka ny firenena maro hafa, olana lehibe ao India ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Nahatonga ny manampahefana handany lalàna henjana maromaro hanasaziana ireo mpiherisetra izany. Na izany aza anefa, tsy maro ireo lasibatra sahy mitaraina na mitatitra ny herisetra any amin'ny polisy noho ny fanadihadiana tsy misy firaharahiana sy ny fanamelohana ara-tsosialy mahazo ny lasibatry ny herisetra ara-nofo ao amin'ny fiarahamonina anjakazakan'ny lehilahy ao India.

Mba hanovàna izany, namorona “fitantavanana” isan-karazany azo isafidianana ahafahana manova ny endrik'ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo ka iresahany manoloana ny fakantsary momba ny zavatra mafy natrehan'izy ireo ary tsy mila mitonona anarana ilay mpanao gazety milaza tena fa mpilaza tantara ao amin'ny Snapchat antsoina hoe Yusuf Omar. Fomba vaovao sy mahery vaika izany ahafahan'ireo lasibatra tafavoaka velona manova ny fitantarana ary mamela ny feon'izy ireo ho heno.

Nahasarika ny sain'ny haino aman-jery nasionaly sy iraisam-pirenena  ny fomba fampiasan'i Omar ny Snapchat. Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Global Voices, nanazava i Omar, tonian-dahatsoratra amin'ny finday ao amin'ny gazety Hindustan Times hoe:

unnamed

Yusuf Omar's Snapcode

The filters were the only reason they shared their story. In India it’s both illegal to show the identity of rape survivors in the media, but there’s also the question of stigma- a society where they risked being alienated from friends of family and banished from their communities for making their stories public.

Ny fitantavanana no hany antony izaran'izy ireo ny tantaran'izy ireo. Ao India, tsy ara-dalàna ny mampiseho ny mombamomba ny olona niharan'ny fanolanana ao amin'ny haino aman-jery, kanefa misy ihany koa ny resaka fanamelohana eo amin'ny fiarahamonina izay mety iharan'ny fanilikilihan'ny namana sy ny havana azy ireo ka androahana azy ireo ao amin'ny fiaraha-monina noho ny fitantarana ny zava-manjò azy ireo imasombahoaka.

Ahoana ny fihetsiky ny olona amin'ny fitantarana?

My biggest fear was people thinking Snapchat was making a serious topic trivial. Quite the opposite happened. The story got people taking about rape culture, sexual abuse in India and women’s issues in a broader way. But that conversation started with the innovative use of tech. The global Climb Against Sexual Abuse organisation have borrowed the idea and are calling on survivors around the world to Snapchat their stories. I’m really happy about that.

Ny tena noahiahiako dia ny iheveran'ny olona fa mampihen-danja ny lohahevitra lehibe ny Snapchat. Saingy ny mifanohitra amin'izany no nitranga. Nahatonga ny olona hiresaka momba ny kolontsain'ny fanolanana, ny fanararaotana ara-nofo ao India sy ny olan'ny vehivavy amin'ny fomba malalaka kokoa ny tantara. Saingy nanomboka tamin'ny fampiasana ny teknolojia tamin'ny fomba vaovao izany resaka izany. Nindrana ny hevitra ny fikambanana iraisampirenena manohitra ny Fanararaotana Ara-nofo ary niantso ireo efa lasibatry ny herisetra ara-nofo manerantany mba hilaza ny tantaran'izy ireo ao amin'ny Snapchat. Tena faly amin'izany aho.

Omar kosa mandritra izany nampiasa ny fitaovana nentim-paharazana amin'ny asa fanaovan-gazety mba hahazo aina kokoa amin'ny fampiasana ny fitaovana ireo lasibatra alohan'ny handraketana ny tantara.

Manana mpisera mavitrika isan'andro maherin'ny 150 tapitrisa ny Snapchat, fampiharana fandefasan-kafatra tany am-boalohany ary nahazo laza tao India. Mizara ny vokatry ny fanadihadiana natao tamin'ny 2016 teo amin'ireo mpianatra 100 avy ao New Delhi ny lahatsary Youtube navoakan'ny Yellowbulbs.com, izay mamaritra ny fampiasana ny Snapchat eo amin'ireo Indianan'ny taona [roa] arivo (teraka anelanelan'ny 1982 sy 1994):

Manararaotra ity laza ity i Omar mba hamahana ny olana goavana: tamin'ny 2014 fotsiny ohatra, fanolanana 36 735 no voatatitra tao India, ary maro hafa no tsy voarakitra. Araka ny tati-baovao, nitombo 9 isan-jato ny trangam-panolanana hatramin'ny taona 2010.

Araka ny filazan'i Omar, ity no antony mahatonga ny zava-niainana manontolo ho tsiambaratelon'ireo lasibatra :

It wasn’t difficult because even though they weren’t too familiar with Snapchat, any millennial around the world knows how to take a selfie, and that’s all this was. First I tried the filters on myself. They laughed. Then they tried a few. We giggled. Finally they hit the red button, shared their story and the world cried.

Tsy sarotra izany satria na dia tsy zatra loatra amin'ny Snapchat aza izy ireo, mahafantatra ny fomba fakàna selfie ny tanoran'ny taona roa arivo manerana izao tontolo, ary dia izay ihany. Voalohany, nanandrana nampiasa ny fitantavanana tamin'ny tenako aho. Nihomehy ry zareo. Avy eo nanandrana kely izy ireo. Nihomehy izahay. Farany, nanindry ny bokotra mena izy ireo, nizara ny tantaran'izy ireo ary nitomany izao tontolo izao.

Tao amin'ny media sosialy, nahazo dera ny ezak'i Omar noho ny fanomezan-danja ilay fampiasa izay fanalan'andro fotsiny teo aloha:

Midera an'i Yusuf Omar, tonian-dahatsoratra amin'ny finday ao amin'ny HT (Hindustan Times) noho ny fanovana zava-baovao tsy dia zava-dehibe ho lasa fitaovana mahery vaika.

Nampiasa ny Snapchat ho an'ny asa lehibe ihany koa ny sasany. Nametraka fitaovana fanomezana toro-hevitra momba ny herisetra an-tokantrano antsoina hoe lovedoctordotin ao amin'ny Snapchat ho an'ireo tanora Indiana mahatsiaro ao anatin'ny fiarahana mahery setra izany i Avani Parekh, Nida Sheriff ary Rajshekar Patil avy any India.

Nanome torohevitra ho an'ireo mpanao gazety mampiasa fitaovana nomerika amin'ny fitaterana ireo tantara tena saro-pady i Omar:

Look beyond the gimmicks. Snapchat at face value is about funny self portraits and emojis, but behind the filters are phenomenal algorithms. Use the technology as a tool to tell better stories. See the potential to hack anything. Right now I’m looking at Pokemon Go and saying, how can we tell news stories like this. Maybe we direct people with smartphone cameras to breaking news events like gamers are flocking to animated creatures.

Mijere lavitra mihoatra ireo kojakoja kely. Ny sandan'ny Snapchat dia sary mampihomehy ny tena sy ireo emojis, saingy ny ao ambadiky ny fitantavanana kosa dia algôrithma mahatalanjona. Ampiasao toy ny fitaovana hilazana tantara tsara kokoa ny teknolojia. Jereo raha misy fomba hipiratena na inona na inona. Amin'izao fotoana izao, mijery Pokemon Go aho ary milaza tena aho hoe, ahoana no ahafahana milaza tantara tahaka izao. Angamba amin'ny fitarihana ny olona manana smartfinday misy fakantsary mankany amin'ny famoahana vaovao hitamaso, tahaka ireo mpilalao mirohotra any amin'ny zavaboary nomena aina.

Na izany aza, ho hita eo ny fiantraikan'ity fitantarana amin'ny fomba vaovao ity eo amin'ny sehatra ara-pitsarana. Vao roa volana lasa izay, nandrahona ilay mpanao hatsikana Tanmay Bhat ny antoko politika Indiana elatra ankavanana noho ny fandefasana lahatsary maka tahaka mampiasa Snapchat misy ireo olo-malaza Indiana roa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.