Kolombia : Fiverenana Avy Amin'ny Lalao Olaimpika, Tao Anaty Firavoravoana Sy Adihevitra Sosialy

Óscar Figueroa, medalla de oro en levantamiento de pesos. La primera medalla lograda por un hombre para Colombia. Fotografía usada con permiso de la Organización oficial de Río 2016.

Oscar Figueroa, tompondaka olaimpika amin'ny fibatàna fonjamby latsaky ny 62 kg. Sary nahazoana alàlana tamin'ny mpikarakara ofisialy ny Rio 2016.

[Raha tsy misy fanamarihana dia amin'ny teny Espaniola daholo ny rohy ato]

Ny Rio 2016 no nahitàna an'i Kolombia nahavita ny fandraisana anjara tsara indrindra teo amin'ny tantarany tamin'ny Lalao Olaimpika.  147 ireo mpanao fanatanjahantena tao anatin'ny solontenany, nahazo medaly volamena 3 i Kolombia (fibatàna fonjamby, vikina telo miaraka ary ny BMX),  volafotsy 2 (judo sy ady totohondry) ary alimo 3  (fibatàna fonjamby, ady totohondry ary BMX), ary miisa 22 ny fahatratrarany ny lalao famaranana.

Ireo Kolombiana sasany toa an'i  Juan Mosquera dia tamin'ny alàlan'ny fisaorana no naneho ny hafaliany nahita ny fireneny nibata fandresena, .

G R A C I A S
Terminan los Juegos Olímpicos. Qué bonita olimpiada. Y digo gracias a todos los deportistas que vistieron con honor, talento, sacrificio, disciplina y orgullo los colores del país. A los medallistas, a los diplomas olímpicos, a todos los que compitieron. Gracias. Y a sus entrenadores, a los equipos técnicos, a los dirigentes que acompañan, a las empresas que creen en ellos, a las familias de cada uno que hacen tanto por ellos. Gracias doy a mi verdadera Selección Colombia

MISAOTRA
Nandrindrim-baravarana ny Lalao Olaimpika. Olaimpiady nahafinaritra tokoa. Isaorana ireo rehetra mpanao fanatanjahantena nitondra avo ny lokon'ny fireneny tamim-boninahitra, talenta, fahafoizantena, fanarahana fitsipika ary fireharehàna. Ho an'ireo nahazo medaly sy ireo rehetra nifaninana. Misaotra. Ho an'ireo mpanazatra azy ireny, ny ekipa teknika, ny mpitantana nanaraka azy ireo, ireo orinasa natoky azy, ny fianakaviany izay nanao betsaka tokoa ho azy ireny. Hoy aho hoe isaorana ny tarika Kolombiana

Nozaraina betsaka tety anaty tambajotra sosialy ireo fanambatambarana sary ahitàna ireo nahazo medaly. Iray amin'ireny ny kaonty Instagram an'ilay ramatoa mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, Mónica Fonseca, izay nanasongadina ihany koa ireo Kolombiana mpanao fanatanjahantena tonga tany Rio :

Goavana ry zalahy ireo an! Ianareo nody niaraka tamin'ny medaly rehefa avy nisongadina ho ny tsara indrindra tamin'ny sokajy nisy anareo, ary amin'ny ankapobeny ireo rehetra mpanao fanatanjahantena 147 nisolo tena an'i Kolombia. Misaotra !

Ho an'i Catalina Robayo kosa indray, naveriny navoaka indray ny fanantenana, ny fahavononana, ny fanarahana fitsipika ary ny fitiavana ny fanatanjahantena misy ao amin'ireo Kolombiana atleta tsirairay avy tamin'ireny Lalao Olaimpika farany ireny. Ho azy, ny olona tahaka azy ireny no tena mpanangana ny firenena marina tokoa :

Con las uñas, con necesidades y carencias; Pero llenos de optimismo, determinación, disciplina y amor al deporte, nuestros deportistas nos enseñan que en la vida cuando se quiere, se puede Gracias a todos nuestros deportistas, a los que están en la foto y a los que no! Por regalarnos tanta alegría a un país que en muchas ocasiones los ha olvidado y no los trata como se merecen… Es momento que Colombia fije sus ojos de verdad verdad, en estos verdaderos constructores de país y que la platica de coldeportes se invierta en ellos y no en otros menesteres!!! Solo nos queda decirles GRACIAS por esas 8 medallas olímpicas, gracias por las alegrías, las lágrimas, las angustias también por las tristezas por los que no lograron su objetivo; todos son de aplaudir y dignos de admirar #Gracias #rio2016 #Colombia

A photo posted by Catalina Robayo (@catalinarobayo) on

Miaraka amin'ny nify miraninrany, ny filàna sy ny tsy fahampiana, saingy feno fanantenana vokatra tsara, fahavononana, fanarahana fitsipika sy fitiavana ny fanatanjahantena lalaoviny, mampianatra antsika ireo mpilalaontsika hoe eo amin'ny fiainana, rehefa tiana, dia vita. Isaorana ireo mpilalaontsika, ireo hita eo amin'ny sary ary ireo tsy eo koa ! Tamin'ny nanolorana hafaliana tsy omby tratra ho anay, ho an'ny firenena iray izay nanadino azy ireo taminà fotoana marobe samihafa ary tsy mba nitondra azy ireny araka ny tokony ho izy…  Kolombia, fotoana izao hibanjinan'ny masonareo an'ireo tena mpanangana ny firenena ireo, ary mba hifantohan'ireo kabarim-panatanjahantena rehetra amin'izy ireo, fa tsy aminà filàna hafa !!! Tsy misy azontsika atao intsony afa-tsy ny miteny amin'izy ireo hoe MISAOTRA noho ireo medaly olaimpika 8, noho ny nitondràna hafaliana, ranomaso, tebiteby koa, noho ny hirifirin'ireo tsy mba nahatratra ny tanjona nokendreny; tsy maintsy itehafana izy rehetra ary mendrika omena fankasitrahana

Pirry koa nilaza tao amin'ny Facebook :

Ha sido el mejor año para Colombia en la historia de los Olímpicos, tal vez sea una ventana que nos permita ver un futuro en unión, comunión y paz entre todos los colombianos; un futuro mejor sin tintes políticos en el que de verdad quepamos todos. Gracias Caterine, gracias Mariana, gracias Oscar y todos los demás, gracias, mil gracias a todos.

Io no taona tsara indrindra ho an'i Kolombia tamin'ny Lalao Olaimpika, angamba varavarankely iray misokatra ho any amin'ny fampiraisana hoavy, fiombonam-panahy sy fandriampahalemana eo amin'ny samy Kolombiana, hoavy mendrika tsy misy fofompofona izatsy sy zaroa fa samy hahita ny toerany ny tsirairay. Misaotra ry Caterine, misaotra ry Mariana, misaotra ry Oscar ary ireo rehetra hafa, misaotra, misaotra in'arivo anareo rehetra.

Kanefa, misokatra ihany koa ny adihevitra. Ny ankamaroan'ireo mpilalalo nahazo medaly dia teraka sy nitombo tany amin'ireo faritra tsizarizary toa an'i  Urabá, Valle del Caula sy Bajo Cauca Antioqueño, izay niaritra ny famindran-toerana an-terisetra ny sasany. Endrika iray hafa iraisan'ireo mpandray anjara : ny fanànan'izy ireo razambe afrikàna.

Namoaka fampieritreretana i Marlyn Jhuliana Dinas momba io resaka io, ary antso iray ho an'i Kolombia mba tsy hanampenany maso momba ireo endrika fanavakavahana hita ao amin'ny firenena :

Tsy afaka ny hijanona ho firenena iray tena mpanavakavaka sy mpanilikilika i Kolombia !!! Ireto ireo endrika tsara tarehin'ireo namako mainty feno fahasahiana, fiezahana, fanarahana fitsipika, fikirizana ary fitozoana, nahazo fahombiazana ary nanome hasambarana tsy hita fetra sy hafaliana ho an'ny tanintsika. Foko misy ahy ireo, oloko. Rehareha Afrikàna. Kolombia izahay.

Etsy ankilany, nanoratra bitsika iray i Juana Suárez, izay nampahatsiahivany fa ilay vehivavy tompondaka olaimpika amn'ny vikina telo miaraka, Catherine Ibargüen, dia any Porto Rico no manazatra tena:

Ibarguen  Fandresen'ny vehivavy manana fikirizana, fa tsy voninahitry ny firenena izay tsy afaka hanaovana ny fanatanjahantena ho asa mahavelona, toy ny maro [hafa]

Ary nampiany hoe :

Atsaharo ny fiantsoana an'i Ibarguen  hoe “ilay Maintiko”. Eny e, mainty izy, fa tsy anareo izy, tsy manana tompo manandevo, efa tapitra fahiny ny fanandevozana. Mba misaina

Efa tamin'ny 2013, namoaka i Jaime López Osorno  hoe :

Ny an'i Ibarguen dia vikina telo miaraka, ho fanilihana ny fanaovana anjorom-bàla, ny fanavakavahana ary ny maha-kolombiana… vikina masina !

Ho an'i Yuberjén Martínez  indray, nahazo medaly volafotsy tamin'ny sokajy antonontonony tamin'ny ady totohondry, nanamafy i Pirry fa miendrika fandresena ao anatin'i “Kolombia mpanavakavaka sy mpanilikilika” ny zavabitany :

Muy bien Yuberjén, que bonita lección para todos nosotros como afrontó el combate ente un rival visajoso y arrogante, Mientras el otro se lucía Yuberjén en lo suyo, en lo que ha venido haciendo desde que se empezó a preparar para estas justas, hablar poco y hacer mucho, lo mismo que decía de Yuri Alvear su entrenador, ella habla poco y hace mucho. Un triunfo más que nos dan estos colombianos dignos representantes de su afro descendencia tan maltratada en esta Colombia racista y excluyente, gracias muchachos,en silencio y con acciones,le enseñan mucho más a los jóvenes y niños de este país, que esos, los que gritan mucho y hacen poco. Gracias otra vez gracias. (Con el patrocinó de pañuelos " la lagrima emocionada")

A photo posted by Pirrylarotta (@pirrylarotta) on

Tena tsara ry Yuberjén, lesona tsara tsy misy toy io ho an'ny rehetra izay toa antsika miatrika ady amin'ireo mpifanandrina be avonavona sy tia misehoseho. Nampiseho ny famirapiratany araka izay iheverany azy manokana i Yuberjén nanoloana ny mpifanandrina taminy, tamin'izay efa vitany hatrizay nanombohany niomana ho amin'io ady io, izany hoe tsy be teny fa mikotrana mafy. Fandresena iray fanampiny atolotr'ireto Kolombiana ireto ho antsika, solontena mendrika an'ireo razambe afrikàna niaviany izay tena natao tsinontsinona teto amin'ity Kolombia mpanavakavaka sy mpanilikilika ity, misaotra zalahy a, satria tsy nila teny be fa tonga dia asa bobaka, nampianarinareo betsaka tamin'ireo tanora sy ankizy eto amin'ity firenena ity fa asa no ilaina fa tsy kabary. Misaotra, misaotra hatrany. (Miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny mosoara “la lagrima emocionada” [ranomasom-pifaliana”]).

Nohazavain'i Jorge Mario Torres Duarte ny ilàna ny fahitalavitra nasionaly amin'ny fampiroboroboana ireo votoaty miresaka fanatanjahantena :

Los Olímpicos prueban que en televisión el deporte tiene rating porque tiene estética, emoción, heroísmo y finales felices. Los canales deberían apostarle a reemplazar telenovelas y realities por eventos deportivos locales en directo. Así las ligas de otros deportes tendrían recursos como lo tiene el fútbol, y los niños aspirarían a ser deportistas y no narcos o prepagos..

Noporofoin'ny Lalao Olaimpika fa tsara naoty ny fahitalavitra sy ny fanatanjahantena, noho ny endrika aseho, ny fihetsehampo, ny herimpo ary ireo lalao famarànana feno fifaliana. Tokony soloin'ireo fantsona aminà fandefasana mivantana ireo hetsika ara-panatanjahantena ao an-toerana ny tantara telenovelas fandefany. Mba omena zara mitovy amin'ny baolina kitra ireo fanatanjahantena hafa, ary mba hanainga fanahy ny ankizy ho lasa mpilalao fanatanjahantena, fa tsy ho makorelina na mpidoroka zavamahadomelina.

Ao amin'ny kaontiny Twitter, Colombia Oscura misisika amin'ny filazana hoe ny fanatanjahantena fa tsy ny ady no tokony homena toerana bebe kokoa :

‘Ndeha ho atsahatra ny famatsiana ny ady, ‘ndao ampiasaina kokoa any amin'ny fanatanjahantena ny vola, ary dia hahazo medaly volamena, volafotsy alimo avo folo heny isika any amin'ny Tokyo 2020

Raha araka ireo rehetra ireo, tena andrandrain'ny Kolombiana fatratra ny Tokyo 2020, miaraka amin'ny fanantenana hanatsara ny isan'ireo medaly azo tamin'ny 2016.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.