
Fanenitra goavana Japoney. Sary avy tamin'i Yasunori Koide. GNU Free Documentation License.
Manana fitiavana mahatsiravina ny fanenitra govana Japoney (Vespa mandarinia japonica) i Japana. Afaka hita manerana an'i Japana ireo bibikely goavana ireo, ary mihetsika indrindra amin'ny volana Aogositra. Maharary tokoa ireo tsindrony, ary tsindrony iray monja dia mety hampiditra hopitaly. Tsindrona maro mety hahafaty.
Indraindray ny fahavaratra any Japana miaraka amin'ireo tantaranà mpandeha an-tongotra na mpamboly mampalahelo izay norakofan'ireo fanenitra goavana ireo ary voatsindrona ka maty. Natambatry ny mpitoraka blaogy iray ireo zavatra tokony sy tsy tokony hatao rehefa tojo fanenitra goavana any Japana. Ny torohevitra tsara indrindra? Mijanona alavitr'ireo tranony, indrindra ny volana Aogositra.
Misy maromaro ny karazana tantely, fanenitra mahazatra ary ny fanenitra teratany ao Japana raha ny marina. Amin'ny ankapobeny ireo fanenitra goavana dia antsoina hoe “suzume-bachi” (amin'ny teny malalaka hoe “voronkely-fanenitra”, mety ho noho ny habeny), ary tafidtra amin'izany ny fanenitra mavo Japoney (Vespa simillima), mitovy amin'ny akanjo mavo any Eorôpa sy any Amerika Avaratra.

Karazana roa amin'ny fanenitra goavana any Japana: eo ankavia, mpanjakavavin'ny fanenitra mavo Japoney (Vespa simillima xanthoptera Cameron) miaraka amin'ny mpiasa vavy sy lahy mpanidina; eo ankavanana, mpanjakavanin'ny fanenitra goavana Japoney (Vespa mandarinia japonica) miaraka amin'ny mpiasa vavy sy lahy mpanidina. Sary zaraina be ao amin'ny media sosialy.
Kanefa, biby hafa mihitsy ny fanenitra goavana Japoney (“oh-suzume-bachi,” Vespa mandarinia japonica). Miy ifandraisany amin'ny fanenitra goavana Aziatika “yak-killer” , mety mitombo hatramin'ny 3 sentimetatra ny halavan'ireo mpiasa vavy amin'ny fanenitra goavana Japoney, ary mivelatra sy matanjaka tsara mba hitondra ireo bibikely hafa lasa sakafony any an-tranony.
Mameno ireo Japoney maro amin'ny karazana fihetseham-po mientanentana manokana sy mampanontany tena ireo fanenitra goavana Japoney.
帰宅してすぐ荷物の整理をして
「アニマルプラネット・スズメバチとの闘い」を視聴(‘ε'*)中学生時代に刺された事がありますが、ハチはトラウマになります。
※文章に様々な生き物が交ざりすみません。スズメバチに気をつけましょう。 pic.twitter.com/xbGp686irl
— 新土裕二(大日本プロレス所属) (@bjw_shindo) August 11, 2016
Vao tonga tao an-trano aho, napetrako ireo entana novidiako, ary nanomboka nijery…
“Fanenitra avy any amin'ny Helo” tamin'ny fahitalavitra. (‘ε'*)
Hatramin'ny naha voatsindrona ahy fony aho mbola mpianatra tany amin'ny ambaratonga faharoa, natahotra tantely foana aho (hitako fa afangaroko ireo tantely sy fanenitra). Koa “ndeha isika haka fotoana hampahatsiahy ny tenantsika mba hitandrina tsara amin'ireo fanenitra!
Ny volana Aogositra sy ny fanombohan'ny volana Septambra no tena mihetsiketsika be ireo fanenitra goavana Japoney, satria matoy ireo olitra kely an'arivony tao amin'ny toerana fanatodizana mba ho lasa tsy hoe mpanidina lahy sy vavy vonona ny hisidina, hivady sy hitady zanahana vaovao, fa ihany koa ireo mpiasa izay manohana sy mamahana azy ireo. Tokony hitandrina tsara ireo rehetra mandehandeha any anaty hazo, na dia ireo manao kiendiendy eny an-jaridaina aza.

Manomboka ny voalohandohan'ny Aogositra hatramin'ny voalohandohan'ny Septambra (teza marindrano), ny loza avy amin'ny fenenitra goavana Japoney, satria mitombo be mihitsy ny isan'ireo biby mihetsiketsika (teza mijidina) isaky ny fanatodizana. Sary avy tamin'ny grapee.
Afaka miaina mifanakaiky ireo fenanitra sy ny olombelona. Raha toa ka mankafy kokoa ireo toerana misy hazo ireo fanenitra goavana mba hanatodizany, afaka hita any an-tanàna kosa ny fanenitra goavana Japoney.
Na dia tsy tranonà fanenitra goavana Japoney aza, amin'ity sarinà tranonà fanenitra mavo ity, te-hampiseho ito mpampiasa Twitter ito hoe, tena mora tokoa ny mety hifanojoana mivantana amin'ny bibikely tsy dia namana loatra:
すげぇ!!!家の窓に蜂の巣が!!!初めて間近でスズメバチ見た!! pic.twitter.com/U2dNf6tV3C
— 増尾勇哉 (@masuiku46) August 17, 2016
Andrekaky o! Misy tranonà takola-panenitra amin'ny varavaran-kelinay! Izao no voalohany ahitako fanenitra akaiky!
Mety tena hampidi-doza be ireo fanenitra goavana Japoney, ary mandritra ireo volan'ny fahavaratra, tsy vitsy ny ahitàna toromarika eny an-dàlana sy toerana voafefy tady mampitandrina ireo olona.
赤城山全山冷房ちうの皆さん注意点喚起です!籠山にスズメバチの巣、近づかないようにお願いします。 pic.twitter.com/Rq6ebvX1sZ
— 赤城山頂BBQホール (@kofpop23) August 13, 2016
tonga eo amin'ny toerana fitsangatsanganana ny rehetra, fa nampitandremina! Aza manakaiky ny tranonà fanenitra!
Ary indrisy ho an'ireo fanenitra goavana, tsy misy foto-pisainana “miaina-sy-mamela-miaina” any Japana:
地下にスズメバチの巣が出来てて
殺虫剤でなんとかした pic.twitter.com/p6UPag07Of— めるっそ@暁提督 (@merunanoka) August 6, 2016
Nahita tranonà fanenitra tany ambanin'ny tany aho. Nasiako fanafody mamono bibikely ilay izy.
Kanefa, i Japana, mitovy amin'ireo toerana hafa eto an-tany, nanana fitiavana manahirana ny fanenitra goavana.
ひっさびさ♡
はよくーちゃんの妹か弟欲しいんですm(_ _)m
赤ちゃんができて欲しいす♡昆虫館でくーちゃんがスズメバチの模型を操作する写真載っけて明日も暑いけど現場にバイトに頑張りましょか^_^ pic.twitter.com/rREWzZQsWD
— yu_dai (@yudai13028211) August 7, 2016
Hatramin'izay, ity no voalohany nandehanako tao amin'ny mozean'ny bibikely… Ito ny maodelinà fanenitra goavana Japoney namboarin'ny namako. Hanomboka hafàna rahampitso, noho izany, hanome ny tsara indrindra avy amiko aho amin'ny asa tapak'androko. ^_^
Ireo olona sasany indraindray, manatona hazo mihitsy raha ,y ,arina hijery ny tena izy amin'ilay bibikely mahagaga:
危険害虫扱いされ怖がられるオオスズメバチだが、樹液をおいしそうに食べる姿はなんともかわいらしい。食事に夢中なときは少々近寄っても攻撃はしてこない。いいやつだよスズメバチ。巣には近寄らないように注意。(2008年8月撮影) pic.twitter.com/bkhyVL7g2u
— もも (@momodog22) August 11, 2016
Raha matahotra ireo fanenitra goavana ny rehetra, rehefa mahita azy ireo mihinana ditin-kazo ianao, toa hita ho mahafatifaty indray ry zareo. Mora ny manantona akaiky azy rehefa variana misakafo izy, ary tsy hanafika izy ireo. Milay ihany ireo fanenitra goavana. Tandremo fotsiny tsy handeha akaikin'ny tranony.
Fiteny matetika ihany koa hoe ataon'ireo olona sasany toy ny sakafo mafilotra ny fanenitra goavana Japoney, fa toa hita kokoa ho sakafo tsy fahita izay mety tsy ho sahinao handramana mihitsy koa anefa.
未来ちゃんがお土産にプレゼントしてくれたオオスズメバチが2匹入った(しかもはちみつ入りの)焼酎
それを1匹とりだしてロシアンたこ焼きに…
蜂は糖尿病に効くらしいロシアンたこ焼き5回やったうち4回がしおみさんに当たりました💦 pic.twitter.com/pVre3dixm2
— 松野井 雅 (@MIYAVI_MATSUNOI) August 12, 2016
Jereo ity voandalana azoko ity: tavoahanginà shochu (toaka natanika mitovitovy amin'ny vodka) miaraka amin'ireo fanenitra goavana roa ao anatiny (natanika avy tamin'ny tantely ilay shochu). Nifampihaika ny hihinana an'io tsirairay izahay avy eo. Toa hoe fanafody diabeta mandaitra be hono ireny fanenitra goavana ireny??? […]
今回の虫食。蚕のかきたま汁、クマゼミだし巻き、スズメバチのかき揚げ。 pic.twitter.com/3feNLsshBg
— 伊東憲二 (@ken2_g) August 7, 2016
Bibikely azo hanina androany: lasopinà bibin-dandy, valala nahodinkodina, ary fanenitra goavana voahendy.
Ireo sasany mahita ny hatsaràna ao amin'ny fanenitra , toy ity mpanao taozavatra vita avy amin'ny tanimanga ity, izay manokantena amin'ny asa vitsivitsy famoronana somary mahagaga kely notsoahana avy amin'ireo bibikely sy biby hafa.
こんな立派な巣を作られたのも、スズメバチのマグカップとか作っているご利益かな? pic.twitter.com/hgCFYdha4q
— 工房うむき@進化学会8/25〜28 (@kobo_umuki) August 11, 2016
Manontany tena aho hoe misy olona te-hividy io kaopy vita amin'ny tanimanga misary tranonà fanenitra (misy fanenitra goavana) io ?