Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mihomehy Ny Tenany Ireo Afrikàna Eo Am-pieritreretana Hoe “Raha Toa Ka Sekoly i Afrika”

A photo shared on Twitter by different users such as @ColloTheBoy showing why all dormitories would be located in South Africa.

“#IfAfricaWasASchool (#RahaToaKaSekolyAfrika) mety ho tany Afrika Atsimo daholo ny efitrano fatoriana…”  “Afrika Atsimo: Fandriana sy Sakafo Maraina”, sary mahatsikaiky tao amin'ny Twitter nifampizaran'ireo mpampiasa isankarazany, toa an'i @ColloTheBoy.

Teo indray ireo Afrikàna mpampiasa Twitter, nihanihany momba ny tanibe, ireo firenena ao aminy sy ny mpitarika azy ireo.

Tamin'ny taona lasa, ny tenifototra #IfAfricaWasABar (#RahaTranoFisotroanToakaAfrika). Tamin'ity indray mitoraka ity, nampiasain'ireo Afrikàna ny #IfAfricaWasASchool (#RahaToaKaSekolyAfrika) mba hanaovana fampitahàna manapa-tsinay eo amin'ireo endrika sekolim-piainana sy ny endriky ny fiainana andavanandron'ireo firenena Afrikàna.

Ireto ny fantina tamin'ireo bitsika vitsivitsy tsara indrindra navoaka tao amin'ny Twitter.

Filoha Afrikàna

Momba ny Filoha Jacob Zuma ao Afrika Atsimo:

#RahaToaKaSekolyAfrika ity no zaza tsy ho tapaka velively amin'ny famonjena lakilasy, fa ny valim-panontaniana no tsy hitany

Ny “rand” no vola fampiasa ao Afrika Atsimo. Tsy nahazo fanabeazana firy loatra i Zuma.

Momba ny Filoha Yoweri Museveni ao Oganda:

Nanomboka ny 1986 i Museveni no efa filohan'i Oganda, ary fepotoana fitondrana fanindiminy niteraka resabe no azony tamin'ny fifidianana ny volana Febroary 2016 tamin'ny 60%-n'ny vato. Lazain'ny antoko mpanohitra eo amin'ny firenena hoe nisy hosoka ny latsabato, ary nitsikera ny dingam-pifidianana ihany koa ireo mpanaramaso iraisampirenena sy ireo vondrona mpiaro zon'olombelona. Maro amin'ireo endrika fanta-bahoaka amin'ny fitarihana ny fanoherana ao amin'ilay firenena no tratry ny fandraràna tsy hivoaka ny tokantranony mandritry ny volana maro.  Tsy vao indray mandeha no nanakatona media sosialy ireo manampahefana, ao anatin'izay hitan'ny maro ho toy ny ezaka hanoherana ny fifampidinihana.

Momba ny Filoha Muhammad Buhari ao Nizeria:

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Buhari no ho lohan'ny lakilasy izay maka fahafinaretana amin'ny fanoratana ny anaran'ireo mpitabataba

Any amin'ny ambaratonga fototra ao Nizeria, mahazatra ny mahita ankizy tendrena ho lohan'ny lakilasy, izay ny asany dia, ankoatry ny hafa, mameno ny lisitr'ireo mpiara-mianatra be tataba rehefa tsy eo ny mpampianatra. Mazàna no atolotra ny mpampianatra io lisitra io ary dia voasazy ireo nanao izany.

Momba ny Filoha Robert Mugabe ao Zimbaboe:

#RahaToaKaSekolyAfrika  ahoana no havalin'i Mugabe isak'izay angatahana izy handeha hisotro ronono sy hitsahatra tsy ho talen'ny sekoly

Nanomboka ny 1987 ny Filoha Mugabe, 92 taona, no efa filohan'i Zimbaboe.

Ireo Firenena Afrikàna

Momba an'i Ejipta

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Ejipta no ilay mpianatra mazava volonkoditra tsy mba tia mifangaroharo amin'ireo mpianatra hafa satria mihevitra ny tenany ho fitaovan-tsekoly iray manokana

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Ejipta no ho ilay mpianatra iray mankahala ny ray sy reniny noho ny nitondran'izy ireo azy ho any amin'izany sekoly izany satria tsy antonona azy ilay izy

Hita tsara ao Afrika i Ejipta, saingy ny ampahany betsaka amin'ilay firenena no any Azia. Marobe ireo Ejiptiana no miherìvitra ny tenany ho tsy Afrikàna.

Momba an'i Zambia:

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Zambia no ilay mpianatra relijiozy iray mihevitra fa mahavaha ny zavatra rehetra ny vavaka
‘Misy bibilava iray ao an-dakilasy mihazakazaka

Manana fironana hiantso fivavahana nasionaly hatrany ireo mpitarika ao Zambia mba hamahana olana, toy ny fahatapahan'ny herinaratra, ny herisetra amin'ny fifidianana, ny fidinan'ny sandan'ny vola ao an-toerana sns… Tamin'ny Oktobra tamin'ny taona lasa, nangatahan'ny Filoha Edgar Lungu ny hanaovana fivavahana nasionaly sy fifadiana hanina mba hangatahana an'Andriamanitra hiditra an-tsehatra amin'ireo olana maro ao amin'ny firenena. Manambara ny maha-firenena Kristiana an'ny Zambia ny lalàm-panorenany.

Momba an'i Zimbaboe:

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Zimbaboe no ilay mpianatra mitondra kitay hatao saram-pianarana

i Zimbabwe no niditra tamin'ny fanontàna printy amin'ny endriny azy manokana ny vola dolara Amerikàna noho ny tsy fahampian'ny vola tao an-toerana. Nampiditra ny dolara Amerikana hiasa any ilay firenena taorian'ny nialàny tamin'ny volany manokana noho ny fidanganan'ny vidim-piainana.

Momba an'i Madagasikara :

#RahaToaKaSekolyAfrika dia i Madagasikara no ilay mpianatra iray tsy mba misy mpanasa mihitsy satria any ivelan'ny tanàna ry zareo no mipetraka

400 kilaometra eo ho eo (250 miles) miala ny morontsiraka atsinanan'ny ilany atsimon'i Afrika no misy ny nosy Madagasikara.

Momba an'i Kenya:

#RahaToaKaSekolyAfrika i Kenya no ho ilay renibe amin'ny andron'ny fanatanjahantena ..sao fotsiny taraiky farany amin'ny hazakazaka lavitra ezaka any ny ankiziny

Ampolo taona maro ireo Keniana mpihazakazaka no nanjaka tokana tamin'ny hazakazaka lavitra ezaka.

Momba an'i Afrika Atsimo :

#RahaToaKaSekolyAfrika  i Afrika Atsimo no ho ilay mpianatra manomboka ny tantarany amin'ny hoe “Ry akama, Henjana iny alina iny! Tsarovy ilay sipa avy any….”

#RahaToaKaSekolyAfrika  dia ho any Afrika Atsimo daholo no hisy ireo efitrano fatoriana

#RahaToaKaSekolyAfrika hiezaka ho naman'i Afrika Atsimo daholo ny rehetra…mba hahazo fanasàna iray hatory …any Cape Town

Momba an'i Etiopia:

@_Almaqah isak'izay mihetsika, in-1000 mampahatsiahy ireo ankizy hafa i Etiopia hoe tsy voazanaka velively izy

Etiopia sy Liberia no hany firenena ao Afrika tsy mba voazanaka velively.

Ny Taniben'i Afrika

Mpibitsika iray no nivazivazy momba ny tanibe amin'ny ankapobeny :

#RahaToaKaSekolyAfrika dia ho karazana fanontaniana sy valiny mandritry ny lesona mahazatra ao an-dakilasy io

#RahaToaKaSekolyAfrika  dia hiady mandrakariva ho mpanohana ny sekoly i Amerika sy Shina

#RahaToaKaSekolyAfrika Mpianatra fotsy: afaka mampianatra ahy teny Afrikàna ve ianareo rehetra
Ny tsirairay: pic.twitter.com/5sTBIKuQCr

#RahaToaKaSekolyAfrika  dia haka ny bokintsika ny hafa ary avy hanontany tena hoe fa maninona isika no tsy mahazo diplaoma

#RahaToaKaSekolyAfrika  metyamin'ny 8 ora ny sekoly no miditra saingy amin'ny 11 ora ny rehetra vao tonga

#RahaToaKaSekolyAfrika  Io no mety ho iray amin'ireo tombontsoa maha-prefet

Farany, tsy afa-bela ny Firaisambe Afrikàna :

#RahaToaKaSekolyAfrika Rehefa manosoka hevitra amin'ireo mpianatra ianao hoe afaka manampy hamaha ny olan'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ny Firaisambe Afrikàna

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.