Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nametraka Vanja Milevina An'arivony Anaty Karazan-Javatra Tao Manbij Ny ISIS Talohan'ny Nandosirany

Mine inside a rock left by ISIS militants in Manbij, Northern Syria, August 18, 2016.

Vanja milevina ao anaty vato navalen'ny miaramilan'ny ISIS ao Manbij, Syria Avaratra, 18 Aogositra 2016. Sary: @SyriaNoMines tao amin'ny Twitter

Taorian'ny roa taona nitondrana, voaroaka tao amin'ny ankamaroan'ny tanànan'i Manbij, any Avaratr'i Syria tamin'ny 13 Aogositra 13 2016 ny ISIS. Naharitra 73 andro ny ady teo amin'ny ISIS sy ny Tafika Demokratika Syriana (SDF) – fikambanana tohanan'ny Amerikana, izay ivondronan'ny milisy Kiorda, Arabo , Asyrianina,  Armenianina, Tiorkmenina, ary ny Circassianina ary nilaza ny SDF fa hanohy ny ady izy mandrapa-afaka tanteraka an'i Manbij.

Nomena anarana hoe “Hetsika ho an'ny Maritiora Komandy Abu Leyla” ny hetsika ho fanomezam-boninahitra ny Tafika Kiorda FSA sy ny Komandin'ny SDF Faisal “Abu Leyla” Sadoun, izay maty novonoin'ny mpitifitra basy mahay an'ny ISIS tamin'ny 6 Jona 2016.

Talohan'ny nialany anefa, namela vanja milevina an'arivony manerana ny faritra samihafa tao an-tanàna ny ISIS. Tamin'ny 15 Aogositra, efa nanala vanja maherin'ny 13.000 ny SDF.

Niresaka tamin'ny Global Voices i Ahmed Mohammed, mpikatroka Syriana monina ao Torkia ao amin'ny Ivontoerana Syriana ho an'ny Rariny izay teratany avy ao Manbij fa mety napetraka tamin'ny faritra malaza amin'ny ady sy ny toeram-piadiana hafa ny vanja, anisan'izany ny faritra sivily. Raha ny marina, nilaza taminay i Mohammed fa nametrahan'ny ISIS vanja milevina manerana ny faritra sy tao anatina zavatra maro tsy ampoizina hisian'izany:

Mines were found inside a garlic and onion basket, a staircase, and even normal-looking rocks across the fields.

Hita ao anaty harona misy tongolo gasy sy tongolobe, tohatra, ary koa vato ara-dalàna mihitsy manerana ny saha ny vanja

Nohamafisin'i Sherfan Darwish, mpitondra tenin'ny SDF tao amin'ny Financial Times izany filazan'i Mohammed izany, nilaza izy fa “nampanjarian'ny ISIS ho vanja milevina ny zava-drehetra -vata fampangatsiahana – fitaovana fampiasa ao antokantrano – fitaovana fampangotrahana dite.”
Tetikady mahazatra izany, hoy ny Financial Times mampahatsiahy antsika :

A typical Isis tactic is to mine buildings and roads when its enemies advance, a move that not only slows progress for days and weeks but also can inflict heavy casualties well after the group has fled.

    Tetikady mahazatra ny Isis ny nampanjary ho vanja ny trano sy lalana rehefa miha-mandroso ny fahavalony, fihetsika izay tsy mampiadana ihany ny fandrosoana mandritra ny andro sy herinandro maromaro fa mety hiteraka fahavoazana goavana ihany koa rehefa mandositra ny vondrona.

Nilaza i Mohammed fa fifangaroan'ny baomba Rosiana amin'izay foroporonina eny ho eny ireo vanja milevina nataon'ny ISIS ireo:

Most of the mines are handmade, few are Russian mines, and the majority are landmines. Others are distributed throughout houses: in doors and entrances, refrigerators, cooking utensils and even teapots. They even included behind wall paintings and inside shops.
The neighborhoods where mines were spread are heavily in the southern, western and north-western part of the city of Manbij, in the outskirts of the northern neighborhoods and in the outskirts of the eastern neighborhoods as well as in many villages.

Vita tanana ny ankamaroan'ny vanja, ny sasany vanja milevina Rosiana, ary ny ankamaroany vanja milevina an-tanety. Ny hafa kosa niparitaka amin'ny trano maro: eo amin'ny varavarana sy ny vavahady, vata fampangatsiahana, fitaovana fahandroan-tsakafo ary koa fitaovana fasiana dite mihitsy aza. Ahitana azy ireo mihitsy aza ao ambadiky ny rindrina misy hosodoko sy ao anaty fivarotana.
Ireo faritra niparitahan'ny vanja betsaka dia tao atsimo, andrefana sy avaratra andrefan'ny ampahany amin'ny tanànan'i Manbij, tany amin'ny manodidina ny faritra avaratra sy tany amin'ny manodidina ny faritra atsinanana ary koa teny amin'ny vohitra maro.

Nizara sary antserasera misy ny vanja navadika kaopy ny fisantaran'andraikitra tarihin'ny Syriana “Syria With No Mines (Syria Tsy Mila Vanja Milevina) ”:

Vanja natsatoky ny ISIS tao an-tranon'ny olon-tsotra talohan'ny fialàny tao an-tanànan'i Manbij

Araka ny filazan'i Munif Al-Tai, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hafa monina any Torkia amin'izao fotoana izao saingy teratany avy ao Manbij, nahita vanja 14.000 ny SDF tao anatin'ny andro vitsivitsy, ary efa nahavita namono olona mihoatra ny 100 ireo baomba miafina ireo.

The SDF are trying to disarm the mines, but the matter takes time to comb the areas one after the other. Mines in homes need checking first from homeowners.

Miezaka manala ireo vanja ny SDF, saingy mila fotoana betsaka izany mba hibangoana ny faritra tsirairay avy. Mila fanamarinana voalohany avy amin'ny tompon-trano ny vanja any anaty an-trano.

Araka ny filazan'ny mponina ao Manbij, tsy nety nanala ireo vanja ny SDF raha tsy omena vola, na dia mbola tsy voamarina aza izany tatitra izany. Ny hafa indray milaza fa efa nametraka fitarainana tany amin'ny manampahefana voakasika.

Niteraka ahiahy lehibe teo amin'ny fikambanana Syriana sy iraisampirenena ny fampiasana vanja milevina amin'ny ady Syriana. Nitatitra ny Vavahady Manohitra ny Vanja (Mine Action Gateway) ao amin'ny Firenena Mikambana fa tombanana ho 5,1 tapitrisa ny olona monina ao amin'ny faritra tena ilevenan'ny vanja, ankizy ny 2 tapitrisa amin'izany. Nampiasain'ireo antoko mitam-piadiana maro tany Syria, indrindra indrindra ny ISIS sy ny fitondran'i Assad ny vanja milevina.

Nilaza ny Foibe Fandraketana ny Fanitsakitsahan-dalàna ao Syria fa na ny fitondran'i Assad aza nampiasa vanja  an-dranomasina tamin'ny Aogositra tamin'ny herintaona:

Dropped hundreds of barrel bombs, known for their random highly-destructive nature, dozens of unguided surface-to-surface missiles (Fil missiles), naval mines, and cylinder bombs on the city in addition to launching dozens of airstrikes by Mig warplanes.

Baomba barika an-jatony, malaza amin'ny toetran'izy ireo mandravarava tampoka, balafomanga am-polony tsy misy mpitarika (balafomanga Fil), vanja an-dranomasina, sy baomba varingarina ao an-tanàna, miampy ny fandefasana fanafihana an'habakabaka am-polony ataon'ny fiaramanidina mpiady Mig.

Tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity, nitatitra tamin'ny Guardian ny mponina ao an-tanànan'i Madaya fa nohodidin'ny tafiky ny fitondrana Assad sy ny mpiara-dia aminy vanja milevina ny faritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.