- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Porto Riko: Ny Dikan'ny Medaly Volamena Olaimpika Azon'i Monica Puig

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Lalao Olaimpika
Mónica Puig stands on the podium wearing her gold medal at the Rio 2016 Olympics on August 13, 2016. Screenshot taken from video. [1]

Mónica Puig mijoro eo amin'ny lampihazo misalotra ny medaly volamenany tao amin'ny Lalao Olaimpika Rio 2016, ny 13 Aogositra 2016. Pikantsary nalaina avy aminà lahatsary [1].

Ho iray amin”ireo andro hotsarovan'ireo Porto Rikàna ny hoe taiza no nisy azy ny 13 Aogositra 2016, ary inona no nataony. Ary ny tombony dia ity, ry zareo mila ho tapaka làlan-drivotra nijery ilay Porto Rikàna mpilalao tenisy Monica Puig (@MonicaAce93 [2]) nahazo ny medaly volamena voalohany indrindra azon'i Porto Riko.

Nampitolagaga ny filalaon'i Monica Puig nanoloana ilay Alemàna, Angelique Kerber, izay nokilasiana ho laharana faha-2 manerantany tamin'io fotoana io. Voakilasy ho laharana faha-34  [3] i Puig raha niditra tamin'ny Lalao Olaimpika.

Nefa izay indrindra no antony iray monja ampy hahatsiarovana ny fandresen'i Monica Puig ho toy ny iray amin'ireo zava-nisongadina tamin'ny Lalao Olaimpika Rio 2016. Misy dikany tena manokana mihitsy ho an'ireo Porto Rikàna miely any rehetra any ny fahombiazan'i Puig. Tsy hoe fotsiny nahazo ny medaly volamena voalohany indrindra ho an'i Porto Riko izy tamin'ireo sokajim-panatanjahantena rehetra, fa koa izy no vehivavy voalohany nahazo medaly Olaimpika ho an'i Porto Riko. (Tsy izy anefa no Porto Rikàna voalohany nandrombaka medaly volamena. Iray hafa mpilalao tenisy ihany koa, Gigi Fernández [4], no tompon'izay voninahitra izay, izay nandrombaka ny volamena ho an'i Etazonia tamin'ny Lalao Olaimpika tany Barselona 1992 tamin'ny lalaon'olon-droa miaraka.)

Manitikitika, afaka nisafidy ny hiaraka hilalao amin'ny delegasiona Olaimpika Amerikàna i Puig,  izay azo heverina ho misy dikany raha jerena ny hoe tany amin'ny fanjakan'i Florida izy no nobeazina sy niaina. Fa naleony nifidy ny hizotra tamin'ny làlan'ny filalaovana tenisy hisolo tena an'i Porto Riko.

Nahoana i Porto Riko, izay faritany ambany fiadidian'i Etazonia ary efa maherin'ny zato taona, no nanana ny delegasiona Olaimpika azy manokana, no tantara saro-takarina. [5] Raha fintinina, tamin'ny 1948 ireo fitantanana foiben'ny Lalao Olaimpika no nankato ny Kaomitim-Pirenena Olaimpika ao Porto Riko, ary nanomboka teo dia nanana ny tarika azy manokana i Porto Riko, toy ireo Nosy Virijiny Amerikàna, Guam sy Samoa Amerikàna, mifaninana ihany koa [6] miaraka amin'ny delegasionan'izy ireo manokana.

Tonga tao anatin'ny fotoana tena nilàna azy ny fandresen'i Puig, taorian'ny lohataona rakotry ny  lohateny vaventy mampivala-ketraka [7] ho an'i Porto Riko, mila avy any amin'ny fanamaivanana ny fandrakofan'ny media ny viriosy Zika mankany amin'ny famoizana ny fahaleovantena ara-politika [8] noho ny faneren'ny governemanta Amerikàna ny filankevitra mpanaramaso ny tetibola. Ny teny [9] nataony, avy hatrany taorian'ny fandreseny, dia nametraka mazava tsara fa fantany tsara tokoa ny mety ho dikan'io ho an'ny maro:

Mihevitra aho fa nampiray firenena iray, ary tiako fotsiny izao ny toerana niaviako.

Napoapoaky ny firavoravoana feno fifaliana ny media sosialy noho ny zavabita nandresen'i Monica Puig tamin'ilay lalao. Maro ireo mpampiasa, tsy miankina amin'izay maha-lahy na maha-vavy azy, no nanova ny sary momba azy mba ho ny sarin'ikala ary lasa lohahevitra iray nironana nanerana ireo sehatra media sosialy izy. Nitatitra ireo maro hafa hoe latsa-dranomaso nandritry ny lanonana fanolorana medaly, rehefa sambany mba nolalaovina tamin'ny Lalao Olaimpika ny hirampirenen'i Porto Riko.

Mpampiasa Facebook i Margarita Javier, nizara fotsiny ny lanjan'io fotoana io ho azy ary ho an'ireo Porto Rikàna tsy tambo ho isaina [10]:

[Ity no ] fotoana voalohany nilalaovana ny hirampirenen'i Porto Riko, “La Borinqueña”. Efa nandray anjara izahay hatramin'ny 1948. Nijery akaiky mandrakariva ireo Lalao Olaimpika tsirairay aho, ary ireo atletanay Porto Rikàna hatry ny fony mbola zazavavy kely, tamin'ny fanantenana hatrany fa mbola ho re any ny hirampirenenay.  Na tsy firenena mahaleo tena ara-politika, ideolojika ary ara-tantara aza ny firenenay, dia firenena iray tanteraka, mifamatopatotra amin'ny kolontsainay manokana, ary ny fitiavanay tanindrazana dia endrika iray amin'ny fanoherana ny fanjanahana. Tsy ho vita ny hahita teny ho entina milaza ny antony mampisy dikany sy maha-manandanja io fotoana io ho anay. Ny Porto Rikàna tsirairay ao amin'ilay nosy sy any ivelany no nitambatra. Mónica Puig daholo izahay rehetra.

Tsy mampanontany tena araka izany raha toa ny 23 Aogositra 2016, nameno ny arabe ny vahoaka tao San Juan renivohitra mba handray ny delegasiona Olaimpika Porto Rikàna tamin'ny fodian'izy ireo an-tanindrazana. Ao anatin'ny lahatsary manaraka etsy ambany, heno milalao ny hirampirenana Porto Rikàna, La borinqueña, ireo mpianatra avy amin'ny Ivontoerana Fianarana Mozika ao Porto Riko rehefa nandalo ny tarika Olaimpika [11]:

Nanao zavatra betsaka ilay medaly volamena azon'i Puig fa tsy hoe fampitambarana fotsiny ireo vahoaka monina ao amin'ilay vondronosy telo. Nampiray ireo vahoaka monina miparitaka amin'ireo vondronosy ary ireo marobe any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao, tsy izay kely indrindra amin'i Etazonia, izay tena andehanan'ny ankamaroan'ireo Porto Rikàna mifindra monina. Rehefa nilaza i Puig hoe nino izay fa hampitambatra firenena iray, tsy sarinteny fotsiny ilay izy. Zava-marina io.