Vadi-na Sendikalista Maty Enjika Miakatra Fitsarana Noho Ny Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook

The wife of a prominent labor activist has been charged with posting “insulting” content on Facebook even though she insists she is not a member of the social media site, which is banned in Iran. Image from ICHRI and used with permission.

Voampanga noho ny fandefasana votoaty “manevateva” tao amin'ny Facebook ny vadin'ilay mpikatroka sendikalista malaza. Nilaza izy fa tsy mampiasa Facebook, izay voaràra ao Iran. Sary avy amin'ny ICHRI, nahazoana alalana.

Ny dika voalohan'ity lahatsoratra ity dia nivoaka indroa miantoana tao amin'ny tranonkalan'ny Fanentanana Iraisampirenena Momba ny zon'Olombelona ao Iran. Azonao jerena ato sy ato izy ireo.

Voampanga noho ny fandefasana votoaty “manevateva” tao amin'ny Facebook ny vadin'ilay mpikatroka sendikalista malaza, Najibeh Salehzadeh. Nisisika nilaza izy fa tsy mampiasa habaka media sosialy, izay voaràra ao Iran.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Fanentanana Iraisam-pirenena momba ny Zon'Olombelona ao Iran, nanazava i Salehzadeh hoe:

They told me that during a trip to France I had posted material on Facebook against the Islamic Republic and the supreme leader but I don’t have Facebook and I traveled to France to accompany my husband, who had been invited by a large labor organization in Europe.

Nilaza tamiko izy ireo fa nandritra ny diako ho any Frantsa, nandefa votoaty manohitra ny Repoblika Islamika sy ny mpitarika faratampony tao amin'ny Facebook aho, kanefa tsy manana Facebook aho ary nandeha tany Frantsa mba hiaraka amin'ny vadiko, izay nasain'ny fikambanana sendikalista lehibe ao Eoropa.

Nilaza tamin'ny Fanentanana i Salehzadeh fa nampanantsoin'ny Sampana 2 ao amin'ny Biraon'ny Fampanoavana ao Saqqez, tanàna iray ao amin'ny Faritanin'i Kurdistan izy tamin'ny 6 Jona 2016, ary voampanga ho nandefa “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana”, sy “manevateva ny mpitarika fara tampony.” Miandry didim-pitsarana izy amin'izao fotoana izao rehefa avy niseho tao amin'ny Sampana 1 tao amin'ny Fitsarana Revolisionera ao an-tanànan'i Saqqez ao amin'ny faritanin'i Kiordistana an'i Iran.

Araka ny fiampangana, vehivavy iray antsoina hoe “Sanaz” no nandefa votoaty roa tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny laharana findain'i Salehzadeh nipoitra eny amin'ny farany ambany, fara fahakeliny tamin'ny iray tamin'ireo votoaty, na dia mbola tsy nasehoan'ny fampanoavana an'i Salehzadeh aza ny “porofo”. Hitan'ny Polisy Misahana Ny Heloka An-tserasera ao Iran (FATA) ny lahatsoratra voalaza, izay nanokatra ny raharaha fanenjehana an'i Salehzadeh.

“Nilaza tamin'ny fitsarana aho fa tsy misy dikany ho ahy ny mampiasa anarana diso ao amin'ny Facebook, ary avy eo dia mamoaka ny laharana findaiko tena izy ho ren'ny besinimaro,” hoy izy.

Nilaza tamin'ny Fanentanana i Salehzadeh fa maro ny olona nahafantatra ny laharana findainy tamin'ny 2007 raha nogadraina voalohany ny vadiny ary nanome antsafa mikasika ny raharaham-badiny izy.

Mpikatroka sendikalista malaza ny vadin'i Salehzadeh, Mahmoud Salehi, izay efa nosamborina sy nogadraina imbetsaka tao Iran noho ny fandraisany anjara tamin'ireo hetsi-panoherana milamina. Tamin'ny 28 Septambra 2015, nahazo sazy sivy taona an-tranomaizina noho ny “fandraisana anjara tamin'ny fivoriamben'ny mpanohitra sy ny fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana” izy. Navotsotra izy ankehitriny rehefa nandoa onitra ary mitady fitsaboana noho ny aretin'ny voa.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook, nanizingizina i Saleh fa tsy miditra amin'ny politika Iraniana.

The honorable case judge has said that my wife and I had spread propaganda against the Islamic Republic [while we were ] in France. For your information, the video recording of my speech to the representatives of 50 labor unions in France is available, and the honorable judge… can see clearly that the conference had nothing to do with the Islamic Republic or anyone’s sacred beliefs.

Nilaza ny mpitsara manan-kaja misahana ny raharaha fa manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izaho sy ny vadiko [raha mbola] tany Frantsa izahay. Ho fampahafantarana anao, azo jerena ny raki-dahatsary misy ny lahateniko ho an'ny solontenan'ny sendikàn'ny mpiasa 50 tao Frantsa, ary afaka mahita mazava tsara ny mpitsara manan-kaja fa tsy misy idiran'ny fihaonambe amin'ny Repoblika Islamika na amin'ny finoana masina ho an'ny tsirairay.

Tsy mahazo miasa ao Iran ny sendika tsy miankina, mahazatra ny fandroahana mpiasa ary mety hiatrika fisamborana ny fanaovana fitokonana, enjehina eo ambanin'ny fiampangana ara-piarovam-pirenena ireo mpitarika arakasa [sendikalista] ary voaheloka higadra ela any am-ponja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.