- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandray An-tanana Ny Olan'ny Governemanta Ao An-toerana Momba Ny Fisotroan-dronono Ny Mpanao Gazety Olom-pirenena Iray ao India Ka Nandresy

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Screenshot from YouTube Video [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary ao amin'ny YouTube

Niseho voalohany tao amin'ny VideoVolunteers [2], fikambanana iraisam-pirenena iray nahazo loka tamin'ny fampahalalam-baovaom-piarahamonina tao India ity lahatsoratra ity. Navoaka ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty ny tatitra naverina eto ambany.

Nitondra fiovana ho an'ny olona efa ho 3.000 tao amin'ny fanjakana Indiana ao Bihar ny fisisihan'ny vehivavy iray hahazo ny rariny. Nahazo ny trosa ambin'ireo fisotroan-dronono avy amin'ny manam-pahefana izy ireo rehefa nanao tatitra momba ny fitarainan'ireo niharam-boina ny iraky ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers [3] , ary nampiseho  izany tamin'ireo manam-pahefana ka nanaraka ny raharaha nandritra ny volana maro.

Manana tetikasa fanampiana  sy fanohanana ara-tsosialy nasionaly [4] maro i India, izay manome fanampiana ara-bola amin'ny alàlan'ny fanomezana fisotroan-dronono ho an'ireo beantitra, mpitondratena sy ny olona manana fahasembanana.  Tsy izy mihitsy [5] ny rafitra fiarovana ara-tsosialy ao India raha oharina amin'ny firenena hafa. Ohatra,mahazo ny fisotroan-dronono tena faran'izay kely toy ny 400 ropia (6 $ Amerikana fotsiny) isan'olona isam-bolana ireo zokiolona 16,5 tapitrisa  (65 taona mihoatra) anatin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana. Kely ny tombony azo, ary manakana ny maro tsy handray izany ara-potoana ny kolikoly sy ny tandrevaka [6].

Herintaona lasa izay,  naka lahatsary [7] ny iraky ny vondrom-piarahamonina Tanju Devi [8] tamin'ny ambin-trosan'ny fisotroan-dronono tsy azo nandritra ny herintaona ho an'ireo olom-pirenena kilemaina, ireo mpitondratena sy ny beantitra ao Gaunaha, distrika Andrefan'i Champaram ao amin'ny fanjakan'i Bihar [9] any amin'ny faritra atsinanan'i India.

Mbola tsy nahazo ihany ny fisotroan-drononony ara-dalàna ireo olom-pirenena ao Gaunaha na dia efa nanao fitalahoana niverimberina tamin'ireo manam-pahefana aza. Nandritra izany i Bhuri Devi, olona manana fahasembanana ara-batana sady naman'i Tanju, nanatona azy nitondra ny olana, ary nandrisika azy mba hanao zavatra manoloana ny olana.

Hoy filazan'i Tanju:

When Bhuri approached me with this problem, I could relate to her. I have a physically challenged husband and an aging mother-in-law. I know how important are a few hundred rupees in an impoverished person’s life. It means food, medicine and security.

 Afaka mifandray tamin'i Bhuri aho rehefa nanatona ahy nitondra ilay olana izy . Manana vady manana fahasembanana ara-batana aho sy rafozambavy efa zokiolona. Fantatro fa zava-dehibe ny ropia an-jatony vitsivitsy amin'ny fiainan'ny olona mahantra. Midika sakafo, fanafody ary filaminana izany.

Tamin'ny fanapahan-kevitra mba hitondra ny rariny ho an'ny rehetra, dia niainga i Tanju  mba hampiseho ny vondrom-piarahamoniny ny fomba hanehoany fikirizana sy firindrana mba ahatonga fandraisana andraikitra sy fanovana avy amin'ireo manampahefana. Nandrakitra lahatsary tamin'ny fijoroana vavolombelon'ny mponina voakasika maro [7] izy, ary nihaona tamin'ny Block Development Officer [10] (BDO) ao Gaunaha , ary nitondra ny lahatsary niaraka taminy sy ny taratasy fangatahana fisotroan-dronono;

Tanju Devi is a Video Volunteers Correspondent from West Champaran, Bihar, India. [11]

Tanju Devi is a Video Volunteers correspondent from West Champaran, Bihar, India.

Initially, the BDO gave assurances but there was no action from the department. But I was resolved to get the pensioner’s arrears cleared. I kept increasing the pressure on the BDO – sometimes with a women’s group, sometimes alone and sometimes by showing her pictures of the village meeting I had organised.

Nanome toky ny BDO tamin'ny voalohany saingy tsy nisy fepetra noraisina avy amin'ny sampandraharaha. Kanefa tapa-kevitra aho ny hamaha ny olan'ny ambin-trosa fisotroan-dronono. Tsy nitsahatra nanery ny BDO aho- indraindray miaraka amin'ny vondrom-behivavy, indraindray izaho irery ihany, ary indraindray sady mampiseho azy ny sarin'ny fivoriana tao an-tanàna izay efa nomaniko.

Voatery nandray fepetra ny BDO ny farany rehefa afaka dimy volana taorian'ny ezaka tsy an-kijanona sy ny faneren'ny vondrom-piarahamonina, ary nanendry manampahefana hanomboka fanadihadiana tamin'ny asan'ny governemanta ao an-toerana sy namaha ny olan'ny ambin-trosa fisotroan-dronono.

Tamin'ny 14 May 2016, mbola maro noho ny 3000 ny olona tokony hahazo tombontsoa ao amin'ny vondrom-piarahamonina nivory tao Gaunaha ary nomena ny anjara ambin'ny fisotroan-drononony. “Hividianako sakafo sy fanafody ity vola ity,” hoy i Bhuri, mpifanolobodirindrina amin'i Tanju .

Raha nahatsiaro ho maivamaivana i Bhuri fa nanomboka nandeha indray ny fisotroan-dronono, dia tsara ny manontany ny fomba nahatonga ilay fisotroan-dronono kely 300 ropia (4.50 $ Amerikana) isam-bolana ho mahavita manarona ny vola lany ny amin'ny zavatra tena ilaina toy ny fahasalamana, toeram-pialofana, herinaratra, akanjo sy ny sisa. Toy izany ihany koa ny fanontaniana amin'ny fisotroan-dronono 400 ropia (6 $ Amerikana) ho an'ny mpitondratena sy ireo zokiolona.

Ohatra, naseho tamin'ny alalan'ny rafitra fisotroan-drononon'ny zokiolona ‘nahitsy’ ny tsy fahombiazan'ny rafitra fisotroan-dronono hanohanana ny fiveloman'ireo tena [noana sy tsy manankohanina]. Tamin'ny 2008, nanondrotra ny fisotroan-drononon'ny beantitra avy amin'ny 300 mankany amin'ny 400 ropia ny governemantan'i India. Na izany aza, miharihary ny tsy fahavitan'ny mividy ny filàna fototra araka ny lahatahirin'ny fanisam-bahoaka tamin'ny 2011. Araka ny lahatahiry, maherin'ny 11,7 tapitrisa ny olona mihoatra ny 70 taona no mbola miasa ao India, ny ankamaroan'izy ireo miasa tontolo andro. 2,5 tapitrisa amin'izy ireo no mihoatra ny taona 80, hoy ny tatitra [12] nanampy.

Avy amin'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika ao India ireo iraky ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers ‘, ary mamokatra lahatsary momba ireo tantara tsy misy mpitatitra. Momba ny ‘vaovao niain'izy ireo ‘ ireo tantara ireo.’ Mizara ny zava-misy ao an-toerana manodidina ny zon'olombelona sy ny olan'ny fampandrosoana maneran-tany izy ireo .