Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Horohorontany Nandrava Tempoly Tranainy Maherin'ny 200 Tao Myanmar

A 6.8 magnitude earthquake hit Myanmar on August 24. Image showing the epicenter and extent of the earthquake is from the website of the U.S. Geological Survey

Horohorontany manana maridrefy 6,8 no namely an'i Myanmar tamin'ny 24 Août lasa teo. Sary maneho ny ivony sy ny velaran'ilay horohorontany, nalaina tao amin'ny vohikalan'ny Sampam-pitsirihana Zeolojikan'i Etazonia

Nitatitra ireo tompon'andraikitra tao Myanmar fa olona telo no maty ary Tempoly tranainy sy pagoda 228 farafahakeliny no simba tao Mandalay manontolo taorian'ny horohorontany nanana maridrefy 6,8 namely ny firenena tamin'ny 24 Août lasa teo.

Anisan'ireo fotodrafitrasa simba ireo tempoly miisa 187 vita biriky tao amin'ny renivohitr'i Bagan taloha. Tsipak'ombalahy io ho an'ilay firotsahan’ny firenena mba hanaovana an'i Bagan ho toy ny Lovan'izao Tontolo izao ao amin'ny lisitry ny  UNESCO. Anisan'ireo toerana arkeolojika manan-danja ao Azia Atsimo-Atsinanana i Bagan, ary matetika oharina amin'i Angkor Wat any Kambodza sy ny Borobudur ao Indonezia.

Bagan, izay toerana fizahantany malaza ihany koa, dia ahitana ireo pagoda sy tempoly miisa 3.000. Ny taona 1975 no fotoana farany nandravan'ny horohorontany ireo tempoly tao Bagan.

Fahafatesana iray, pagoda tranainy, ravan'ireo hovitrovitry ny horohorontany matanjaka #Myanmar https://t.co/XurCMds8Z0

Tsy tao Myanmar irery ihany no tsapa ny horohorontany fa hatrany amin'ireo firenena manodidina, Bangladesh sy Tailandy, ihany koa.

Efa manadio sahady ireo faharavàna navelan'ny horohorontany i Myanmar. Maro ireo nangataka ny famerenana amin'ny laoniny ireo tempoly rava, saingy ao kosa ireo maniry ny hitahiry ny sasantsasany amin'ireo faharavàna mba hampatsiahivana ireo olona amin'ny tokony hiomanana amin'ny fiatrehana ireo loza.

Ireo vohikala tsy mainkina, mpamoaka vaovao sy ny The Irrawaddy mpiara-miasa amin'ny Global Voices no nanangona ny fiantraikan'ny horohorontany tao Mandalay. Eto ambany ireo sary sasany mampiseho ny faharavàna tamin'ny sasantsasany amin'ireo tempoly malaza tao Bagan any Myanmar.

Sulamani Temple suffered heavy damage in the aftermath of the earthquake. Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy

Tempoly Sulamani niharan'ny faharavàna mavesatra noho ny horohorontany. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo dhows the devastating impact of the earthquake in the Dhammayangyi temple. Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy

Sary maneho ny vokatry ny faharavàna nateraky ny horohorontany tao amin'ny tempoly Dhammayangyi. Sary an'i Zaw Zaw / The Irrawaddy

Soldiers collect the debris at famed Htilominlo Temple in Bagan. Photo by JPaing / The Irrawadd

Ireo miaramila manangona ny potik'ilay Tempoly malaza Htilominlo ao Bagan. Sary an'i JPaing / The Irrawadd

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.