
Manana andraikitra lehibe amin'ny fanabeazana amin'ny ambaratonga ambony ao amin'ny firenena ny Anjerimanontolo Amerikana ao Kabul Afganistana . Sary an'ny Wikipédia
Nandefa bitsika mahavaky fo ireo mpianatry ny anjerimanontolo amerikana tao Afganistana, tao Kabul renivohitry ny firenena tamin'ny 24 Août nandritra ny fanafihana mitam-piadiana nataon'ireo mpanafika tsy fantatra tao amin'ny toeram-pianaran'izy ireo.
Nilaza ny mpitandro filaminana tamin'ny fotoana nivoahan'ity lahatsoratra ity fa mpanafika iray nitam-piadiana ihany no ahiahiana ho nanao ilay herisetra, izay nahafatesana olona iray farafahakeliny sy namela maratra maherin'ny ampolony, na nilaza aza ireo tatitra tany am-piandohana fa marobe ireo mpanafika.
#AUAF under attack. I along with my friends escaped and several other of of my friends and professors trapped inside.
— Ahmad Mukhtar (@AhMukhtar) August 24, 2016
iharan'ny fanafihana ny #AUAF. Niara-nandositra tamin'ireo namako aho ary maro ireo namako sy ireo mpampianatra no tratry ny fandrika tao anatiny tao.
Younger brother, a #AUAF student, stuck inside campus. Some students escaped via the adjacent UN office through backdoor. #AUAFAttack
— Javid Ahmad (@ahmadjavid) August 24, 2016
Voahidy tao anatin'ny trano fianarana ny zandrilahy, mpianatra iray ao amin'ny #AUAF . Nandositra avy tao amin'ny biraon'ny UN mifanila taminy, avy amin'ny varavarana tany aoriana ireo mpianatra sasantsasany.
Students trapped inside @AUAfghanistan seeking help during the attack. Many have escaped reportedly. #Afghanistan pic.twitter.com/Pe73oDuI9B
— Malali Bashir (@MalaliBashir) August 24, 2016
Mpianatra maro voafandrika ao anatin'ny @AUAfghanistan no nitady fanampiana nandritra ilay fanafihana. Maro tamin'izy ireo no tafatsoaka araka ny tatitra.
Taty aoriana kely, tonga ny fanamafisana fa efa navoaka nafindra amin'ny toerana azo antoka avokoa ireo mpianatra.
All #AUAF students are now safely evacuated.
— Hadi Marifat (@HMarifat) August 24, 2016
Voafindra toerana sy voaaro avokoa ireo mpianatra rehetra ankehitriny #AUAF
Taorian'ny fakàna ankeriny mpampianatry ny anjerimanontolo roa: vehivavy aostraliana iray sy amerikàna iray, tao afovoan-tanànan'i Kabul, tamin'ny fiandohan'ny volana teo, no mitranga ilay fanafihana.
Mbola tsy fantatra izay misy an'ireo mpampianatra ireo.
Heverina fa ny tsara indrindra ao Afganistana ilay anjerimanontolo no sady marika mibaribary maneho ny ‘hery malefaky’ ny Amerikana ao anatin'ny firenena iray hozongozonin'ny fikomiana mahery vaika, izay na ny governemanta na ireo mpiombon'antoka iraisam-pirenena dia toa samy tsy manana havaly izany.