- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na Tsy Nahazo Na Dia Medaly Iray Tamin'ny Lalao Olaimpika Aza, Manana Ireo Antony Mampirehareha Azy Ny Mponina Ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tanora
The Olympic Village #Río2016. Image from Flickr by Mexican Olympic Committee. CC BY NC-ND-2.0 [1]

Ny Tanàna Olaimpika #Río2016. Sary avy amin'ny Flickr-n'ny Komity Olaimpika Meksikana. CC BY NC-ND-2.0

Tsy nahazo na medaly iray aza tamin'ireo lalao Olaimpikan'i Rio (hatramin'ny 16 Aogositra nanoratana ny lahatsoratra) ireo atleta avy amin'ny fireneny, saingy mitsiky hatrany ireo vahoaka Nepaley na izany aza, noho ny media nanindrahindra ny hiram-pireneny sy ny zavabitan'ilay ankizivavy kely iray mpilomano na teo aza ny taonany.

Avy ao Népal ny atleta tanora indrindra tamin'ireo lalao Olaimpika tao Rio, Gaurika Singh [2], .13 taona sy 255 andro [3]izy fony nandray anjara tamin'ny halavirana 100 metatra mitsilany, sokajy vehivavy.

Na dia tsy tafita ho amin'ny fihodinana farany sy nanamontsana ny zavabita tsara indrindra tany amin'ny fireneny aza izy – izay izy ihany no tompony [4] – nandresy ireo mpifaninana roa hafa izy nandritra ny lalao fifanintsanana nandraisany anjara.

Zavabita tsara izany: #GaurikaSingh [5] avy any Nepal ‘no lasa ny tanora indrindra nandresy tamin'ny fifanintsanana tanaty dobo Olaimpika’

Na dia tsy afaka nanatsara ny zavabitany tany amin'ny fireneny aza izy, mirehareha aho fa nilomano ho voninahitr'i Nepal amin'ny maha-atleta tanora indrindra azy i #GaurikaSingh [5] tao #Rio2016 [8] 🙂 [5]

Mety ho ireo fifanintsanana fotsiny no ho azon'i Gaurika, saingy tsapa ho toy ny efa  nibata medaly iray sahady izy tamin'ireo lalao Olaimpika!

Gaurika Singh at Women's 100m backstroke Heat. Image by Al Bello, Getty Images. Used with permission from the Brazilian Olympic Committee. [11]

Gaurika Singh teo amin'ny fifanintsanana 100 metatra vehivavy. Sary an'i Al Bello, Getty Images. Nampiasaina nahazoana alalana avy amin'ny Komity Olaimpika Breziliana.

Manampy ny hafalian'ny mponina Nepaley ihany koa ny fanapahankevitry ny BBC hampiditra ny hiram-pireneny ho ao anaty lisitr’ [12]ireo hiram-pirenena mahatalanjona [13] indrindra amin'ity lalao Olaimpika ity.

Rosia no lohalaharana ao amin'ny lisitra, arahin'i Myanmar sy Népal.

Natsofoky ny BBC ao anatin'ny lisitr'ireo hiram-pirenena 10 sangany mahatalanjona indrindra eran'izao tontolo izao tamin'ny lalao olaimpika 2016 tao rio, ny hiram-pirenen'i nepal.

“[Mahafaly ny hiram-pirenen'i Nepal fa somary manahirana ny mahafantatra hoe vokatry ny revolisiona Maoista izy io”. https://t.co/cwDPXVtawj [15]

Nosoratan'ny Poeta Pradeep Rai, fantatra ihany koa amin'ny hoe Byakul Maila, ary narafitr'itompokolahy Amber Gurung, nambara ofisialy ho hirampirenen'i Nepal [17] tamin'ny 3 Aogositra 2007 ilay hira.

Raha mbola tsy nahare an'io ianao, ity manaraka ity ilay hira mahafinaritra momba ny fanandratana ny firaisankina sy ny fiandrianan'i Nepal.

Ary inty ilay hirampirenena amin'ny dikanteny Anglisy [18] nataon'i Sushma Joshi.

Hundreds of flower bouquets, we are one garland of Nepalis
Sovereign, spread from Mechi to Mahakali.
Nature’s treasures spread out, uncountable
The blood of heroes have made us independent, immovable.
The land of knowledge, land of peace— Tarai, Pahad, Himal
Indivisible, beloved, our motherland Nepal.
The grandeur of many ethnicity, language, faith, culture
Our progressive nation, long live, long live Nepal.

Fehezam-boninkazo anjatony, isika no haingo mamirapiratra ho an'i Nepal,
Fiandrianana, mihanaka hatrany Mechi ka hatrany Mahakali.
Ireo haren'ny natiora miparitaka, tsy hita noanoa
Nahatonga antsika ho nahaleotena ny ràn'ireo mahery, tsy azo hozongozonina.
Ny tanin'ny fahalalàna, tanin'ny fandriampahalemana —  Tarai, Pahad, Himal
Tsy azo zaraina, mamy, Népal tanindrazantsika.
Lehibe loatra ny fahambonian'ireo foko marobe, fiteny, finoana, ary kolontsaina
Ny firenentsika liam-pandrosoana, ho ela velona, ho ela velona i Népal.