- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakarama Mpamily Taxi Môtô Kodiaran-telo Ireo Peroviana Mpilalao Pokémon Go Mba Handrakotra Toerana Bebe Kokoa

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Però, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Mototaxis en flia. Imagen en Flickr del usuario Martín García (CC BY-NC 2.0).

      Môtô kodiaran-telo miandry filaharana. Sary: Flickr /

Martix [1]

    (CC BY-NC 2.0).

Mitroka vola mankany amin'ny indostria hafa ao amin'ny Amazaonina Peroviana ny Pokémon Go, ilay lalao malaza amin'ny finday izay mampifandimby ny savoamboana sy ny fidinan'ny [2] sandan'ny Nitendo ao amin'ny tsenam-bola faramparany teo, fa mahatratra ny tendrony ny [3] tinady mpamily môtô taxi kodiaran-telo [4]ao Iquitos [5], tanàna renivohi-paritra Loreto [6], noho ny fanaraman'ny mpilalao ireo mpamily hitety tanàna am-pahombiazana kokoa Amin'ny sanda valo ka hatramin'ny roambinifolo soles (anelanelan'ny 2,50 dolara sy 3,60 dolara) ny adiny iray, afaka manofa fiara kodiaran-telo ny mpihaza Pokémon iray mba hitondra azy ireo mitety ny araben'i Iquitos ahafahany misambotra ireo zavaboahary virtoaly saro-takarina.

Ao Iquitos.

Faratampon'ny fahaiza-mamorona Peroviana ireo mpamily taxi môto. Manaja azy ireo aho #PokeDumb aho.

Tsy floro ity.

(Amin'ny fiteny mahazatra Peroviana, midika fiezahana handresy lahatra olona mba hampiasa lainga na manitatra zavatra tafahoatra ny teny hoe floro [17].)

Tamin'ny lahatsoratra navoakan’ [18]ireo fampahalalam-baovao marobe isan-karazany indray, nanazava ny fomba nandraisan'ity zava-malaza ity ny Fikambanan'ny Mpamily Môtô Taxi ny mpanamory iray antsoina hoe Luis López:

Nosotros brindamos el servicio y el usuario con su celular nos pide que vayamos por el centro de Iquitos, donde existen mayor aglomeración de pokemones y pokeparadas. Los pokemones más raros están en avenidas fuera del centro, entonces nosotros conducimos, sin distraernos y el usuario puede atraparlos.

Manome ny tolotra izahay ary angatahan'ny mpisera izahay hitondra azy ireo, miaraka amin'ny finday, any afovoan-tanànan'i Iquitos, izay misy ny ankamaroan'ny Pokémons sy ny pokéstops. Hita any amin'ny lalana ivelan'ny afovoan-tanàna ny Pokémons tsy fahita indrindra, ka mitondra fiara tsy mahazo varimbariana izahay raha misambotra azy ireo kosa ny mpiserasera (mpilalao).

Nanambara ihany koa i López fa miara-miasa amin'ny polisy ny fikambanana mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana, ary nilaza fa misy ireo tanora sasany mpilalao manao sorona ny ain'izy ireo rehefa milalao, tsy mahatandrina noho ny lalao. Miezaka ny manao fisafoana ihany koa ny polisy mba hiarovana ireo mpilalao amin'ireo mpangalatra finday.

Indrisy, na dia eo aza ireo ezaka ireo, nahitàna fitomboana ny lozam-pifamoivoizana ao an-tanàna [19].

En las últimas horas se ha registrado un incremento de accidentes de tránsito relacionados a Pokémon Go en la ciudad, según reveló la policía de Iquitos. El General PNP Julio Mercado, jefe policial del Oriente, dio a conocer que los peatones que vienen jugando se distraen constantemente en las vías llenas de vehículos.
Además, muchos de los usuarios son víctimas de accidentes pues utilizan motocicletas para atrapar a las criaturas y otros son blanco de malhechores que les arrebatan sus celulares.

Tao anatin'izay ora vitsy lasa izay, nitombo ny isan'ny lozam-pifamoivoizana ao an-tanàna noho ny Pokémon Go, araka ny filazan'ny polisin'i Iquitos. Nilaza ny Jeneralin'ny Polisim-pirenena Peroviana ao Atsinanana, Julio Mercado, fa varimbariana hatrany ao anaty arabe feno fiara ireo mpandeha tongotra manao ny [lalao].

Marobe ireo mpilalao lasa manao lozam-pifamoivoizana rehefa mitaingina môto kodiaran-telo isamborana zava-boary ary ny hafa kosa lasa lasibatr'ireo mpanao ratsy mangalatra ny findain'izy ireo.

Tsy mionona amin'ny taxi môtô kodiaran-telo ihany ireo mpamily, fa misy ireo tolotra hafa manome sambo ho an'ireo mpilalao izay te hahita Pokémon eny amin'ny reniranon'i Amazaonina.

20 soles (6.00 dolara) isan'ora. Izay izany.

Marihina fa tsy i Iquitos ihany no tanàna manome tolotra mifandraika amin'ny Pokémon Go. Ao Fortaleza [23], renivohitra ao amin'ny fanjakana Breziliana Ceará [24], misy ihany koa ny tatitra mitovy mikasika ireo mpamily taxi môtô kodiaran-telo mahazo vola be noho ny fitadiavana Pokémons.

Mpamily telo amby roapolo taona i Denis Paz, ohatra, nampiasa Facebook [25] izy hanambaràna fa manana fiara azon'ireo [26] “Pokemaniacs” ampiasaina hahafahana mitsidika toerana maro manerana ny tanàna:

Segundo entrevista ao Estado, em apenas 24 horas ele recebeu mais de 50 pedidos para agendar “tours” através da cidade. “Inicialmente quero cobrar R$ 25 por hora”, disse. “Acho que pode ser um negócio promissor.”

Araka ny antsafa niarahana tamin'ny [fampahalalaham-baovao Paulista antsoina hoe] Estado, dia nahazo fangatahana famandrihana toerana maherin'ny 50 hanaovana “fitetezana” manodidina ny tanàna i [Denis] tao anatin'ny 24 ora monja. “Tamin'ny voalohany aho te hampandoa vola R$25 (eo amin'ny 7,80 dolara Amerikana) isan'ora,” hoy izy nanamarika. “Mino aho fa mety ho fandraharahana mahabe fanantenana ity.”

Nahazo karazana fanamarihana tao amin'ny Twitter ihany koa ny indostria vaovao:

Manararaotra ny hafanam-po amin'ny Pokémon-Go ireo mpamily taxi môtô ao Fortaleza mba hahazo vola fanampiny amin'ny fitaterana.

Mbola ho hita ihany raha maningana ity tranga ity eo rehefa mampiroborobo ny tsenan'ny fitaterana ao an-toerana ny Pokémon Go, na angamba famantarana ny zavatra maro ho avy any an-kafa, satria miha-mahazatra an-dalambe hatrany ny lalao Japoney sy ny zavamisy notovonana amin'ny ankapobeny.