Tantara tamin'ny 25 Aogositra 2016
Manakarama Mpamily Taxi Môtô Kodiaran-telo Ireo Peroviana Mpilalao Pokémon Go Mba Handrakotra Toerana Bebe Kokoa
"Any amin'ny lalana ivelan'ny afovoan-tanàna no ahitana ireo Pokémons vitsy indrindra, ka mamily fiara tsy mahazo varimbariana ny mpamily raha misambotra ireo Pokémons kosa ny mpilalao."
Ankalazaina Amin'ny Fampirantiana Kanto Ao Amin'ny Lapa Voalohany Ao Indonezia Ny Ady Ho An'ny Fahaleovantena
"Antenaina hampitombo sy hitazona ny fitiavana ary ny fireharehàna amin'ny nasionalisma ao an-tsain'ireo vahoaka Indoneziana, indrindra ireo tanora ito karazana fampirantiana ito."
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Te Hankalaza Ny Fetin'ny Bilaogy Ve Ianao? Ndao Ary Ho Any Paragoay!
Ny 31 Aogositra no ankalazaina ny fetin'ny bilaogy maneran-tany , ary mankalaza izany amin'ny fomba lehibe i Paragoay . Fantaro ny zavatra efa nomanin'ireo vondron'olona mpankafy bilaogy sy ny kolontsaina nomerika ao Asuncion .
Horohorontany Mahery Vaika Nandrava Tanàna Sy Namela Tsy Manan-kialofana Anjatonjatony Tao Amin'ny Lohasahan'i Colca, Però
Horohorontany iray mahery vaika nandrava tanàna maro tao amin'ny lohasahan'i Colca ao amin'ny faritr'i Arequipa ao Però. Mandraka ankehitriny, efatra no maty, anjatony ireo traboina.