- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mba Nalaza Ny Tranonkalan'ny Fanisam-bahoaka Ao Aostralia Talohan'ny Fanafihana Azy Antserasera

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
Australian Bureau of Statistics pause logo – computer screenshot [1]

Sary: Biraon'ny tranonkalan'ny Statistika Aostraliana.

Na dia talohan'ny Census Night (Fanisam-bahoaka Alina) tamin'ny 9 Aogositra, efa malaza tao Aostralia ny tenirohy “#censusfail [2]”, izay efa niantsoan'ny mpikatroka hiarovana ny fiainana any an-takonana, ny tsy fitononana anarana, ary ny fiarovana nahatonga ny ezaka hanaovana ankivy ny fanisam-bahoaka manerana ny firenena amin'ity taona ity, na fara faharatsiny, mandà tsy hanome ny anarana any amin'ny governemanta.

Tamin'ny 7:45 hariva. Ora Atsinanana ao an-toerana tamin'ny Fanisam-bahoaka Alina, nakaton'ny Biraon'ny Antontanisa Aostraliana ny tranonakala fanisam-bahoaka [3] taorian'ny fanafihana (DDoS) efatra. Tao anatin'ny minitra fohy, iray amin'ireo tenirohy malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny #censusfail. Tsy azo ihodivirana ihany koa ny teny misompirana any amin'ny Lalao Olaimpika:

Tena volamena madio Aotraliana izy ity

Azo antoka fa nanenina tamin'ity sioka ity ny Praiminisitra Malcolm Turnbull minitra fohy talohan'ny nifaranany:

Nameno ny @ABSCensus [6] tamin'ny aterineto izahay androany alina – tena mora atao. Ary zava-dehibe amin'ny fanomanana raharaham-panjakana tsara kokoa sy fampiasam-bola ho an'ny hoavy

Nalaza tao Aostralia ny ampitso ny “DDos [8]”, sambany nampahafantatra ny maro mikasika ny voambolana, ary nandefa tatitra avy hatrany ny media mahazatra tamin'ny fanontaniana hoe, “Inona izany fanafihan'ny fandavana tolotra izany? [9]

Tsy lavitra teo ihany koa ny teorian'ny tsikombakomba:

Tsy milaza aho hoe tsy DDOS izany…saingy…izy no antitra indrindra sy fifanipazana baolina handball andraikitra indrindra ao amin'ny boky Informatika

Tena tsy resy lahatra kosa i Mark Di Stefano ao amin'ny Buzzfeed:

Mety tsy nahomby angamba ny rafitra ABS raha tsy nisy ny DDoS

Tahaka izany ihany koa i Mount Annan:

Amin'ny hoe DDoS, ny tianao lazaina dia mangataka amin'ireo olona 24 tapitrisa mba hiditra ao amin'ny @ABSCensus [6] ao anatin'ny indray alina #CensusFail [15]

Nisy mihitsy aza ireo fanehoan-kevitra mananihany fa ny fifaninanana Olaimpika teo amin'ilay mpilomano Aotraliana Mack Horton sy ilay Shinoa ‘nanambaka tamin'ny fihinanana zava-mahadomelinia’ [17] mpifanandrina aminy antsoina hoe Sun Yang no anton'ny fanafihana DDoS:

Mitaraina momba ny fivakisan'ny tranonkalan'ny fanisam-bahoaka ny olona, valifatin'ny Shinoa izany.

Sary-sy-soratra malaza iray hafa naka ny horonankira mahazatra “The IT Crowd [21]” (vahoakan'ny teknolojia vaovao):

Miala tsiny, fa tsy afaka namehy tena aho

Noho ny fotoana ilaina hamenoana ny takelaka ao amin'ny aterineto, tsy nahagaga raha tsy dia faly ny sasany:

 @ABSCensus Vao avy nandany 35 minitra nameno ny fanisam-bahoaka kanefa tsy afaka nandefa na nandrakitra izany akory. Mananihany tsss

Ny toe-java-misy eny an-toerana

Talohan'ny Andro Fanisam-bahoaka, nanazava ny ahiahim-bahoaka ny vohikalam-baovao an-tserasera the New Daily [25]:

The Census will keep the data collected from Australian citizens, including their names and addresses, for four years, up from a previous 18 months in a move the Australian Bureau of Statistics (ABS) says will improve its research.

The longer retention times have been a source of protest, as fears relating to data privacy and security grow.

Hitahiry ny lahatahiry voahangona avy amin'ireo olom-pirenena Aostraliana ny Fanisam-bahoaka, anisan'izany ny anarana sy ny adiresin'izy ireo, mandritra ny efa-taona nanomboka 18 volana lasa izay tamin'ny hetsika izay lazain'ny Biraon'ny Antontanisa Aostraliana (ABS) fa hanatsara ny fikarohana ataony.

Lasa loharanon'ny fihetsiketsehana ny fotoam-pihazonana ela, satria mitombo ny tahotra mikasika ny lahatahiry an-takonana sy ny fiarovana.

Nizara ny ahiahiny tao amin'ny The Conversation [26] i David Glance, talen'ny Foiben'ny Fampiharana Rindrambaiko ao amin'ny Oniversiten'i Aostralia Andrefana:

Tsy naharesy lahatra ny olona ny @ABSStats [27] fa voaaro ny fiainana manokan'izy ireo.

Nanadihady ny loza mety ateraky ny tsy fitononana anarana ihany koa i Glance noho ny fitehirizan'ny governemanta ny anaran'ny olom-pirenena mandritra ny efa-taona

With names and addresses, the Census data can be linked to other data sets where we have already allowed our name and address to be used. This includes health, education and other data.

Miaraka amin'ny anarana sy ny adiresy, mety mifandray amin'ireo andiana lahatahiry hafa izay efa navelantsika hampiasa ny anarana sy ny adiresintsika ny lahatahirin'ny Fanisam-bahoaka. Anisan'izany ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny tahiry hafa.

Anna Johnston, talen'ny Fiainana Manokana Salinger sy kaomisera lefitra teo aloha misahana ny fiainana manokana (an-takonana) nanazava ny antony [31] manosika azy hanatevin-daharana ny fanaovana ankivy:

[…] the deliberate privacy invasion starts with the use of that data to create a Statistical Linkage Key (SLK) for each individual, to use in linking data from other sources. Please don’t believe that SLKs offer anonymity. […]

So until the ABS reverses its decision to match Census data about individuals with other datasets about individuals, I am not going to answer the Census questions at all.

[…] Ny fanafihana iniana atao amin'ny fiainana manokana dia manomboka amin'ny fampiasana izany lahatahiry izany mba hamoronana Fanalahidy Mifandray amin'ny Antontanisa (SLK) ho an'ny tsirairay avy, mba hampiasa ny tahiry fampifandraisana avy amin'ny loharano hafa. Azafady, aza mihevitra ny SLKs hanome tsy fitononana anarana […]

Ka mandrapahatonga ny ABS hihemotra amin'ny fanapahan-keviny hampifanaraka ny lahatahirin'ny Fanisam-bahoaka amin'ireo lahatahirin'ny tsirairay any an-kafa, dia tsy handeha hamaly ny fanontaniana ao amin'ny Fanisam-bahoaka mihitsy aho.

Nanatevin-daharana an'i Anna ireo senatera federaly [32] maro izay nilaza izy ireo fa mety handoa lamandy izy ireo amin'ny fandavana tsy hametraka ny anaran'izy ireo ao amin'ny takelaka.

Nilaza momba ireo tombontsoa mety ho azo amin'ny fampifandraisana ireo fampahafantarana fanampiny bebe kokoa i Justin Warren ao amin'ny vohikala  EigenMagic [33], no sady manasongadina ireo olana sasany:

I think the ABS… has become arrogant. They are convinced of the benefits of retention, and are dismissive of the risks.

…I remain unconvinced that the benefits of retaining name and address data outweigh the risks.

Mino aho fa lasa mirehareha ny ABS. Resy lahatra izy ireo amin'ny tombontsoan'ny fihazonana [lahatahiry fotoana] maharitra, ary tsy miraharaha ny loza mety hitranga…. Tsy resy lahatra mihitsy aho fa hoe manan-danja kokoa noho ny loza mety hitranga ny tombontsoan'ny fihazonana ny tahirin'ny anarana sy ny adiresy.

Matthew Rimmer, mpampianatra Fanavaozana sy Fizaka-manana ao amin'ny Sampana Lalàna ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojia Queensland nijery ny olana midadasika momba ny lalànan'ny fiainana an-takonana [34]:

The census rides roughshod over our anonymity, privacy and security without our informed consent or voluntary participation.

Problems with the census’ privacy issues are compounded in an age of big data, cloud computing and hacking which point to an even greater need for privacy protection in Australia.

Manitsakitsaka ny tsy fitononantsika anarana, ny fiainantsika manokana ary ny fiarovana antsika tsy nahazoana fankatoavana na fandraisana anjara an-tsitrapo avy amintsika ny fanisam-bahoaka. Mifangaro ao anatin'ny vanim-potoanan'ny lahatahiry goavana, ny cloud computing [toerana informatika virtoaly azo idirana na avy aiza na avy aiza]  ary ny fisovohana ny olana apetraky ny fiainana manokana amin'ny fanisam-bahoaka izay ilaina indrindra ho amin'ny fiarovana ny fiainana manokana ao Aostralia.

Mpampianatra hafa ao amin'ny QUT (Oniversiten'ny Teknolojia), mpikaroka momba ny asa fanaovan-gazety sy ny media sosialy ao amin'ny Foibem-pikarohana momba ny Media Nomerika, Axel Bruns, namintina ny olan'ny fitokisana atrehin'ny ABS sy ny governemanta:

   “Niaritra fanafihana goavana isika, saingy voaaro ny tahirinao.” Tena marina, @ABSCensus [6]. TSARA EEE

Farany, misy ny fisalasalana kely fa nahitam-pahombiazana ny fahadiovan'ny fanisam-bahoaka sy ny dingana lehibe nataon'ny ABS.

Tsy misy olona matotra hatoky ny fahadiovan'ny vokatr'ity fanisam-bahoaka ity amin'ny resaka kalitaon'ny lahatahiry, mba marina.

Nivantam-piteny tao amin'ny Twitter i Brenden Wood hoe:

Ahoana ny naha “voasovoka” ny @ABSCensus [6]