- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasa Adala Amin'ny Medaily Volamena Olaimpika Sambany Vao Azony Hatramin'izay i Tajikistan

Sokajy: Tajikistan, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Lalao Olaimpika
Dilshod Nazarov in action. Official olympic photo.

Dilshod Nazarov eo am-piomanana. Sary ofisaly olaimpika.

Dilshod Nazarov – tsarovy ilay anarana. Tsy ho adinon'ireo  vahoaka ao Tajikistan vetivety izany .

Nazarov no nandrombaka ny medaily volamena voalohany indrindra tao amin'ny firenena  tamin'ny lalao ‘tsipy baolina vy’ Rio 2016 ny 19 Aogositra tamin'ny alalan'ny toraka nahatratra hatramin'ny 78,68 metatra ary nitaky ny fandreseny tamin'ireo mpifaninana matanjaka hafa.

Namintina ny hafaliana izay naharakotra ny firenena Azia Afovoany nanomboka tamin'izay ilay mpisera Facebook Javononi Shahri Vahdat , hoy izy nanoratra [1] :

Зинда бошанд модарони тоҷике, ки ба мисли Дилшод Назаровҳоро ба дунё овардаанд. Аҳсант бамодари Дилшод.

Ho ela velona ny reny Tajik izay niteraka ny zaza toa an'i Dilshod Nazarov. Arahabaina ry renin'i Dilshod.

Tajikistan, nandalo fotoana mafana nandritra ny taona vitsivitsy taorian'ny krizy ara-toekarena tao Rosia ilay firenena voalohany miankina amin'ny fandefasana vola  betsaka indrindra avy amin'ny mpiray tanindrazana any ampita eto amin'izao tontolo izao, izay ahitana olom-pirenena mipetraka sy miasa mihoatra ny iray tapitrisa ary mamelona ny fototry toekarem-pirenena.

Nankafy  zava-bita vitsy tamin'ny fanatanjahantena ny firenena nandritra ny 25 taonan'ny
fahaleovantenany izay nanomboka tamin'ny ady an-trano mihoson-drà ary nitohy tamin'ny
fahantrana, kolikoly sy ny didikofelehibe.

Tsy mahagaga àry raha nirehareha i Nazarov rehefa napetraka teo amin'ny toeran'ny mpandresy izy ary sempotry ny hafanana rehefa niakatra ny lampihazon'ny mpandresy tamin'ny Zoma hariva tao Rio.

Nanolo-kevitra [2] ny hiarahaba an'i Nazarov eny amin'ny seranam-piaramanidina tao
amin'ny lahatsoratra nahazo ‘ekeko’ in-200 eo ho eo ny mpisera Facebook iray:

Эмоции переполняют!Просто-этот человек-гордость нации!Это Дильшод Назаров-Олимпийский Чемпион в Рио-2016!Спасибо за победу, золотой наш человек!!!!Ура!!!!!! Уважаемые участники группы,есть предложение встретить нашего героя в аэропорту с почестями!Кто с нами?

Feno fihetseham-po. Reharehan'ny firenena io lehilahy io ! Izy no atao hoe Dilshod Nazarov, Tompon-daka Olaimpika 2016 tao Rio! Misaotra anao noho ny fandresena ry ilay lehilahy volamena ! Horrah !!! Ry mpikambana ao amin'ny vondrona,  manana soso-kevitra aho ho anareo. Andeha isika hitsena ilay maherifontsika any amin'ny seranam-piaramanidina miaraka amin'ny voninahitra feno ! Iza no te-hiaraka aminay?)

Nivazivazy [3] i Dilshoda Nigmonova:

Чи гуна кайд мекунем,аз чониби Хукумати ЧТ барои мардум оши милли мешуда бошад?

Ahoana no tokony hankalazantsika ity fotoana ity? Hisy vary pilaf hokarakarain'ny governemanta ao Tajikistan ve any ho an'ny olom-pirenena ?

Mazava izany rehetra izany rehefa oharina amin'ny soso-kevitra [4] tao amin'ny change.org mba hilazana an'i Nazarov ho maherifon'ny firenena ao Tajikistan, voninahitra izay matetika natokana ho an'ny poeta efa maty na ho an'ny Filoha Emomali Rakhmon izay efa nanjakazaka hatry ny ela tao amin'ny firenena  .

Taratry ny fitiavan-tanindrazana ilay atleta tenany  taorian'ilay fandresena tsy nampoizina, nosalorana sainam-pirenena Tajik izy ary nanao t-shirt misy ny sarin'ny rainy maty novonoina tamin'ny ady an-trano rehefa niady ho an'ny mpanohana ny tafi-panjakana.

Toy izao ny soratra eo amin'ilay T-shirt : ” Ho anao ity tsipy ity”.

Nitodika tamin'ny fitiavan-tanindrazana i Nazarov tao amin'ny lahatsoratra feno [5] fihetseham-po rehefa nanoratra  tao amin'ny Facebook avy any Rio izy:

Дорогие друзья,соотечественники и все те кто меня поддерживал ! Благодаря вашей поддержке у нас есть эта победа. Выходя на арену олимпийского стадиона я чувствовал мощную энергию миллионов болельщиков. Эту победу я посвящаю всему таджикскому народу, эта наша общая победа.
Спасибо большое. Ташакури зиед. Thank you so much.

Ry namana, ry mpiray tanindrazana sy ny olona rehetra izay nanohana ahy. Misaotra tamin'ny fanohanana noho ny fandresentsika. Tsapako ny fanantenana  maherin'ireo mpanohana an-tapitrisany rehefa nivoaka ny kianja Olaimpika aho . Atolotro ho an'ny vahoaka Tajikistan ity fandresena ityI Antsika rehetra ny fandresena . Misaotra indrindra anareo.

Fanamarihana:nanamarika ireo mpiseran'ny media sosialy Tajik miaraka amin'ny fahatsiarovana maro sy / na nanao topi-maso tamin'ny antsipirihany fa tsy  i Nazarov no Tajik voalohany nahazo ny tompon-daka Olaimpika. Nahazo izany voninahitra izany ny mpanao tsipy maritoa vy iray hafa  Andrei Abduvaliyev. Fa tany Barcelona tamin'ny 1992 no nahazo ny medaily volamena izy  rehefa nisolo tena ny Ekipa Tafaray nahitana ireo firenena Sovietika teo aloha. Nazarov àry noho izany no nahazo ny medaily volamena tokana ofisialy tao amin'ny Repoblika iray manontolo.