- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Tsy Maintsy Ampandehanina ny Tsy Fihetsehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Azia Atsimo, Karaiba, Oseania, Aostralia, Etiopia, Pakistana, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Mijery todika amin'ireo tantara sasany izay nivoaka tato amin'ny efitra fanoratam-baovaon'ny Global Voices vao haingana ny herinandro tato amin'ny Global Voices. Tamin'ity herinandro ity izahay niresaka tamin'ny mpandray anjara Endalk momba ny  fihetsiketseham-panoherana, mari-panondroana ara-politika ary ny herisetram-panjakana ao Ethiopia. [1]

Hilaza aminao ny tantaran'ny voina, fanavakavahana, ary ny fahavitrihana ara-teny avy ao Pakistan, Trinidad sy Tobago ary Aostralia ihany koa izahay. Ary mitantara ny fangirifiriana tsapany tamin'ny tsingerintaona fahatelon'ny fandripahana tao Rabaa [2] i Salma Essam. [2]

Isaorana be dia be i Sana Saleem [3], Eduardo Avila [4], Janine Mendes-Franco [5] ary ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonia rehetra ato aminay nanao izay hahatontosa ity tantara ity.

Amin'ity fizaran-tantara ity izahay manasongadina ireo hira mizaka ny lisansa Creative Commons avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaim-poana, ka ao anatin'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar [6]; Clover avy amin'i Little_Glass_Men [7]; Stay avy amin'i Igor_Khabarov [8]; Modulation of the Spirit [9] avy amin'i Little Glass Men;  The Sink avy amin'i Cory Gray [10]Se recourber avy amin'i Monplaisir [11]; ary Bongo Avenger avy amin'i Eric & Ryan Kilkenny. [12]

Ny sary nasongadina tamin'ity tantara ity dia fihetsiketseham-panoherana iray ao Ethiopia avy amin'ny pejy Facebook an'i  Abdi Lemessa. Nahazoana alalana.