- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihantsiana Ireo Mpanao Sivana Tranonkala : ‘Manompo’ Sahobakaka Ny Shinoa  Ho Fanamarihana Ny  Faha-90-Taona Nahaterahan'ny Mpitondra Fanjakana Teo Aloha

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fiteny, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tantara
A toad worship poster from a Hasi forum. [1]

Afisy mampiseho fanompoana sahobakaka avy amin'ny fifanakalozan-kevitra  “hasi” .

Vao haingana no feno hatsikana momba ny sahobakaka ny media sosialy Shinoa. Nahoana? Noho ny fankalazana ny faha-90 taonan'ny mpitarika Antoko Komonista Shinoa teo aloha Jiang Zemin, izay maro no mihevitra fa somary tahaka ny  sahona ny endriny .

Nantsoina hoe mpankafy sahobakaka na hasi (蛤絲)  ireo izay namoaka ny hatsikana momba an'i Jiang tao amin'ny tranonkala Shinoa ary ny famoahana azy kosa nantsoina hoe fanompoana sahobakaka na moha (膜蛤).

Efa namafa ny hatsikana fanompoana sahobakaka ireo mpanao sivana amin'ny tranonkala Shinoa hatramin'ny fiandohan'ny taona 2015. Na izany aza, tsy naharitra ireo tsy miala amin'ny fankafizana sahobakaka tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Jiang tamin'ity taona ity fa nanitatra ny fanesoana sahobakaka – ary nandoa vola ny sasany tamin'izany.

Ohatra, nanoratra [2] tao amin'ny sehatra media sosialy malaza Weibo ny tonian-dahatsoratry ny sehatra fampitam-baovao Fenghuang, “Miarahaba antsika, Fenghuang ihany ity: Androany no faha-90 taonan'ny zokiolona, aoka isika hifoha maraina mba hanokana iray segondra ho azy.” Niaraka tamin'ny sarinà môtô manana endrika mitovitovy amin'ny sahobakaka ny hafatra.

Editor of media outlet Fenghuang got fired for posting a toad worship message on August 17, 2016. Screen capture of Fenghuang Weibo via Mingjing News. [3]

“Miarahaba antsika rehetra, Fenghuang ihany ity: Faha 90 taonan'ny zokiolona androany ,aoka isika hifoha maraina mba hanokana iray segondra ho azy.” Izany no hafatry ny tonian-dahatsoratry ny sehatra fampahalalam-baovao Fenghuang momba ity fanompoana sahobakaka ity. Pikantsary avy amin'i Fenghuang tao amin'ny Weibo amin'ny alàlan'ny  Mingjing News.

Mandritra izany fotoana izany,  namerina nandefa sioka momba ny sariny mampiseho ny tsaho fahafatesan'i  Jiang Zeming tamin'ny 2014 ny mpanao sariitatra ara-politika @temonwangxt tamin'ny tsingerintaona nahaterahan'i Jiang :

Hoy ny sariitatra :mandra-pahoviana no ahafahanao miaina ity fotoana ity?
Hoy ny sioka: Arabaina nahatratra ny tsingerintaona nahaterahana!

Ilay zokiolona sy ny sahobakaka

Filohan'i Shina nanomboka tamin'ny 1993 ka hatramin'ny 2003 i Jiang . Nantsoina amin'ny anaram-bositra hoe “ilay zokiololna” izy, noho ny lahatsary nalaina tamin'ny 2000 ahitana mpanangom-baovaon'i Hong Kong iray manontany azy raha manohana indray ny fifidianana ny lehiben'ny mpanatanteraka Tung Chee Hwa teo aloha ao Hong Kong izy ( faritra manana fitantanana manokana ao Shina i Hong Kong ). Tampoka teo nisafoaka i Jiang  ary nibetroka ilay mpanangom-baovao. “Androany aho miresaka aminao toy ny zokiolona,” hoy izy namaly sady tezitra mafy.

Nanomboka tamin'ny 2011 ny kolontsaina fanompoana sahobakaka, rehefa nanomboka niely an-tserasera ny tsaho fahafatesan'i Jiang . Nisy tsaho fahafatesana toy izany koa nipoitra saika isan-taona nanomboka tamin'izay. Nisy mihitsy aza olona nanangana andian-dahatsary 41 [6] tao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe ” Nampiako iray segondra ny ain'ny Filoha Sahobakaka. Hendratrendratra! ” Manana ny niaviany ihany koa ho valin ‘ilay tsaho momba ilay fahafatesana tamin'ny taona 2011 ilay teny hoe” manampy iray segondra “, na” + 1s “, izay midika hoe manampy segondra iray hafa ho fahaveloman'i Jiang .

Nahita ny tena fomba fiainan'i Jiang, ny endriny, ny safidiny ny amin'ny pataloha ambony tepany ireo mpisera Shinoa, indrindra fa ireo tanoran'ny taona (roa) arivo, ary ny lahateniny mifangaro mampihomehy satria mifanohitra amin'ny hatsaran'ny mpitondra aseho amin'ny fampielezan-kevitra Shinoa izany. Tia maneso an'i Jiang izy ireo amin'ny fanononana ny teniny ao amin'ny hafatry ny media sosialy sy amin'ny fanovana ireo sary mba ampidirana an'i Jiang na sahobakaka iray.

Japanese cartoon figure Doraemon standing in front of the People's Great Hall in Jiang's high-waisted pants style. Public domain image via Mingjing News. [3]

Endrika sariitatra Japoney Doraemon mijoro eo anoloan'ny Efitra Fandraisana Lehibe an'ny Vahoaka miaraka amin'ny patalohan'i Jiang avo tepany. Sary ho an'ny daholobe avy amin'ny  Mingjing News.

Tamin'ny 2014, lasa miharihary kokoa ny lamaodin'ny fanompoana sahobakaka  noho ny kaonty ho an'ny daholobe WeChat malaza antsoina hoe “Semineran'ny asa soratr'i Jiang voafantina” (江 选 研讨会). Nanoratra ny fotoana niainan'i Jiang tamin'ny endrika fanompoana sahobakaka ilay kaonty ho an'ny daholobe. Ohatra [7] : “Firy ny teny vahiny hain'ny zokiolona?”; “Ny tantaram-pitiavan'ny zokiolona niaraka tamin'ny vadiny”; “Amboninareo ilay mpanangom-baovao Amerikana Wallace “; “Tahaka ny ahoana ny ny halakin'ny hazakazak'ilay mpanangom-baovao ao Hong Kong?”

Manondro ny hatezeran'i Jiang tao amin'ny lahatsary voalaza etsy ambony ireo roa farany, izay ahitana azy nitsikera ilay mpanangom-baovao Cheung Bo Wah tao Hong Kong ho  “tanora loatra” sy “tsotra loatra ary mora ambakaina.” Nilaza ihany koa izy fa  ireo mpanangom-baovao ao Hong Kong ” matetika mihazakazaka haingana kokoa noho ireo mpanangom-baovao Tandrefana “, ary nanao ho ohatra ilay mpanangom-baovao Amerikana Mike Wallace mba ho fitaratra (” Mihoatra noho ianareo rehetra izy “).

Ny kaonty ho an'ny daholobe WeChat  ihany no tsy maty teo amin'ny herintaona teo. Ary voarara izany tamin'ny 2015.

‘Fahatsiarovana ny vanim-potoana  naha-tonitony ny fanaraha-maso ara-politika ‘

A toad fan's profile pic from Tianya (user account deleted).

Sarin'ny mpakafy soabakaka avy amin'i Tianya (mpisera tao amin'ny kaonty nofafàna).

Mihevitra ny sasany fa  toy ny taratry ny adim-pahefana eo amin'ny Filoha Shinoa amin'izao fotoana izao Xi Jinping sy ny fianakaviambe ara-politikan'i Jiang manokana ny fanafoanana ny kolontsaina fanompoana sahobakaka . Nanaiky ny fanalalahana ara-toekarena ity farany raha maniry ny mba hamelona indray ny kolontsaina sosialista kosa i Xi . Ny hafa indray mihevitra ny fandraràna ho toy ny fisorohana ny fihanaky ny kolontsaina manakorontana an'ny tanora izay mihantsy ireo manam-pahefana.

Nanao [8] resaka ara-politika momba ilay kolontsaina lamaody tao amin'ny Twitter i Murong Xuecun, mpanoratra mahaleotena monina ao Beijing sy Hong Kong:

膜蛤之风的兴起,一是因为对官方话语的厌倦,基本可以视为一场「静悄悄的反叛」,它与庆丰造神密切相关庆丰鼓吹越甚,膜蛤就越是风行。二是对一个稍微宽松时代的怀念,蛤时代谈不上什么自由,但总比包时代要体面一些。在这个意义上,中国人膜蛤,差不多就相当于禁闭中的囚犯怀念那些偶尔放风的时刻。

Taratry ny fankahalana lahateny ofisialy ny firongatry ny kolontsaina fanompoana sahobakaka. Azo heverina ho fikomiana mangina manohitra ny fikasan'i Qingfeng [anaram-bositra ho an'ny Filoha Xi Jinping] hamelona indray ny anganon'ny [ Antoko Komonista Shinoa] izany. Maro no nisafidy ny hanompo ny sahobakaka ho valin'ny firongatr'ilay kolontsaina ara-politika vaovao izay tarihan’ i Qingfeng. Ahatsiarovana ny vanim-potoana naha-tonitony ny fanaraha-maso ara-politika ihany koa ilay kolontsaina . Raha voateritery ny vanim-potoanan'ny sahobakaka , dia hita fa tsara kokoa noho ny vanim-potoanan'i Bun [midika hoe an'i Xi ] izany. Mitovy amin'ny gadra ao amin'ny maizina, tsy mahazo fakan-drivotra fohy ivelan'ny trano ireo vahoaka Shinoa nanompo ny sahobakaka raha amin'izay fomba fijery izay .

Na dia teo aza ny fandraràna, tsy nahatana fihomehezana ireo mpankafy sahobakaka mafana fo. Raha ny marina, fotoana tsy fahita firy ny faha-90 taona nahaterahan'ny sahobakaka, indrindra, angamba tena tsy fahita firy toy ny rahona miendrika sahobakaka [9] heverina ho hita alohan'ilay andro manokana:

A popular toad worship image circulated online. Via Twitterer @ranxiangmm [9]

Sary malazan'ny fanompoana sahobakaka niely an-tserasera misy ny rahona miendrika sahobakaka. Avy amin'ny mpisera Twitter @ranxiangmm

Mbola nisisika hanao fankalazana  tsingerin-taona manokana ny sasany tamin'ny fanaovana mofomamy manokana na dia efa namoaka fampitandremana aza ireo manam-pahefana momba ny fankalazana manokana ny tsingerin-taona faha-90 nahaterahan'i Jiang,  :

Birthday cake on Jiang Zemin's 90th Birthday. Image from Twitter user @iruitui [10]

Mofomamy ho an'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-90 nahaterahan'i Jiang Zemin. Sary avy amin'ny mpisera  Twitter @iruitui

Maro ny karatra fanasana momba ilay tsingerin-taona nahaterahana nalefa an-tserasera – ary nanjavona haingana. Ity ny ohatra iray tamin'izany miaraka amin'ny tso-dranon'ny fankalazana ny tsingerin-taona avy amin'ny mpisera Twitter @wentommy:

The birthday card to the elder. [11]

“Ny Zokiolona  Jiang: 1926-ho ela velona. Aoka ho tanora lalandava. Aoka ho tsotra.” Fanasana ho an'ny zokiolona.