
Aisulluu Tynybekova. Sary Ofisialy avy amin'ny federasiona mondialin'ny tolona mitambatra.
Namotsotra ny halimo taorian'ny lalao tolona azony nandresena tamim-piangaliana, noarahabain'ny ankamaroan'ny aterineto Kyrgyz ho toy ny maherifo ihany i Aisuluu Tynybekova taorian'ny fivoahany avy amin'ny lalao olaimpikan'i Rio.
Na tany Brezila na tany Londra, dia nojerena ho iray amin'ireo azo antenaina hahazo medaily avy amin'ny firenena aziatika afovoany bitika i Tynybekova.
Tamin'ny fifandonana ady sahala nifanaovany tamin'i Sakshi Malik tamin'ny 18 aogositra, dia nanantena ny hahazoan'ny firenena halimo faharoa avy amin'i Tynybekova ny Kyrgyz, aorian'ilay mpibata fonjamby Izzat Artykov — nesorina tamin'ity farany ity ny medailiny rehefa tratra nihinana fanafody mampatanjaka izy — ahafahany mifarana eny amin'ny ambaratongan-dampihazon'ny fizarana medaily tamin'ny herinandro lasa.
Saingy nandiso fanantenana i Tynybekova raha nanaiky notarihana 5-0 avy hatrany tamin'ny fifanandrinana nifandanja tsara nifanaovana tamin'i Sakshi Malik, izay nahazo ny fandresena tamin'ny 8-5 ka namarana hatreo ny tsy fahazoan'i India medaily.
Kintana tsy mahazatra
Lalao manandanja ao Kyrgyzstan ny lalao tolona izay vakoka manankarena mahatratra hatrany amin'ny lasa naha-mpivezivezy ny vahoaka Kyrgyz.
Saingy nandrava ny hevi-draikitra amin'ny fanjakazakan'ny lehilahy tamin'ity taranja iray ity i Tynybekova tao amin'ny firenena nametraka azy ho mpanao tolona manana ny laharana ambony indrindra amin'ny sokajy rehetra, zavamisy tsy very teo amin'ny repoblikan'i Twitterazzi.
Пол страны чуваков с поломаными ушами, а в полуфинале боролась женщина.. #kgz Айсулуу Тыныбекова, азамат!!! pic.twitter.com/PguOoRw2D3
— Aibek Turdaliev (@aibek_turdaliev) August 18, 2016
Boay vaky sofina [faharatrana avy amin'ny lalao misy fifandonana] ny atsasaky ny firenena saingy misy vehivavy iray nanao azy tamin'ny atsasa-dalana. Tsara ry Aisuluu Tynybekova!
Айсулуу Тыныбекова – женская сила!
— Эрика Марат (@DCErica) August 17, 2016
Aisuluu: Herin'ny vehivavy!
Tsy anjely i Tynybekova.
Nisy fiampangana fidarohana iray mifandraika amin'ny toe-javatra iray tao amin'ny lalana ambanin'ny tany tao amin'ny renivohi-pirenena Bishkek nahiana hanakana azy amin'ny fomba tsy azo ivalozana tsy handraisany anjara tamin'ny lalao olaimpikan'i Londra, toerana nampihintsana azy aloha loatra tamin'ny fifaninanana.
Fa ankehitriny, 23 taona i Tynybekova ary efa nivoatra ny filalaony ary tsy voantohintohina intsony izy taona maro taty aorian'ilay gidragidra nolazainy fa nanaovana izay hahatezitra azy.
Efa matoky ny hifaninana indray ilay mpanao tolona amin'ny lalao olaimpika amin'ny taona 2020, ary hitondra indray ny fanantenan'i Kyrgyzstan ho eo an-damosiny raha tonga amin'izany izy.
“Manao izay mampatanjaka ahy izy”
Ny marina dia hisy kokoa ny fianteherana amin'i Tynybekova hanampy isa ny medaily olaimpika telo azon'ny firenena hatramin'ny fahaleovantena taorian'ny fandrarana ilay mpibata fonjamby Izzat Artykov, atleta voalohany nalàna medaily noho ny fihinanana fanafody mampatanjaka nandritra ny lalao.
Nitsipaka mafy ny fiampangana ho nihinana fanafody mampatanjaka i Artykov ary naneho hevitra nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny Agence France-Presse fa mety ho ilay Frantsay mpibata fonjamby no “nangaroharo ilay fanafody mampatanjaka” — niabo ny fizahana natao taminy tamin'ilay fanafody mampavitrika iray antsoina hoe strychnine — tao amin'ny sakafony na ny zava-pisotrony.
Mpitarika ekipa iray teo aloha ningonongonona tao amin'ny Twitter ny ketrika fohy ezaka loatra nataon'ny ekipan'ny fibatana fonjamby:
Как это они не знали о стрихнине! Еще как знали! Тренеры просто решили быстро взять результат. Любой ценой! Получился позор на весь мир!
— Edil Baisalov (@baisalov) August 19, 2016
Milaza ry zareo fa tsy mahalala ny momba ny strychine! Mazava loatra fa fantany izany! Fa te-hahazo fandresena ny mpanazatra. Amin'ny fomba rehetra! Afa-baraka isika eo anoloan'izao tontolo izao!
Ny filohan'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fanatanjahantena ao amin'ny firenena, izay nilaza fa hampakatra ny raharaha fiampangana ho mihinana fanafody mampatanjaka amin'ny raharaha Artykov, no iray amin'ireo endrika vitsy fanta-dazan'ny vahoaka ao aminy nitsikera an'i Tynybekova. Nolazainy ary fa “nanary ny fandresena” tamin'ny fifanandrinana nifanaovana tamin'i Malik izy, fanehoan-kevitra niteraka fahatezerana izany tao amin'ny media sosialy.
Mazava loatra, taorian'ny fahatairana tamin'ny fihinanan'i Artykov fanafody mampatanjaka, maro ireo mpankasitraka no mety nankasitraka an'i ny Tynybekova nandray ny lalana lava sy mendrika kokoa hizorana eny amin'ny lampihazon'ny fizarana medaily, na dia eo aza ny hirifiry tamin'ny tsy fahazoana nanao izany tamin'ity indray mitoraka ity.