Eo amin'ny tapaky ny volana Aogositra isan-taona, mibanjina ny Obon (お 盆) i Japana, ilay Fetin'ny Maty, rehefa mody any an-tranon-drazana ny maty mandritra ny andro maromaro mba hiaraka amin'ny velona. Matetika mitranga ny 15 Aogositra ny Obon manerana ny toerana maro ao Japana. Tamin'ity 2016 ity, alatsinainy ny 15 Aogositra, ary niaraka tamin'ny andro fety vaovao, ny Fetin'ny Tendrombohitra na ny Mountain Day , tamin'ny Alakamisy 11 Aogositra, afaka nanao faran'ny herinandro dimy andro ny olona manerana ny firenena. Maro ny fianakaviana no niverina ho any ambanivohitra mba hitandrina (hanatanteraka) ny Obon.
Natao manerana ny Japana ihany koa ny dihy Bon (盆踊り, Bon Odori) izay matetika natao manodidina ny toerana fihaonana, toy ny toerana masina shintoista, tempoly bodista, toerana ho an'ny daholobe ary eny fa na dia eny amin'ny toerana fijanonan'ny fiara eny amin'ny toeram-pivarotana lehibe aza.
Maro ny olona izay nanao ny fankalazana no naka ireo sary sy lahatsarin'ny dihy Bon ao an-toerana tao amin'ny Instagram.
tokotanin'ny Tempoly Shinano Kokubunji, Ueda Nagano #fahavaratra #alina #fety #Bon dance #tempoly #tempoly #ShinanoKokubunji
Matetika, ahitana fanaingona ny dihy Bon anisan'izany ny tady misy jiro, saina kely mena sy fotsy , ary tilikambo na sehatra ho an'ny mpihira sy mpively aponga “taiko” .
#fukuoka #藍島 #nikon #d610 #写真 #photography #夏祭り #盆踊り
Sary nalefan'i SHIBATA HARUNA (@867_48t)
#NosyAino #Fukuoka #nikon #d610 #fetyfahavaratra #obon
Natao an-tsehatra mivantana ny Hira folk nentim-paharazana na natao tamin'ny alàlan'ny fanamafisam-peo.
#Bondance #tsugawacho (Osaka) #ambanivohitra #OBON#dihy
Lahatsary nalefan'i Yoshiki Suzuki (@yoshiki_suzuki)
#Efahotapitranyfahavaratra #Bondance #Japana #chillaxing #mafana #fialantsasatrafahavaratra #fety
Nivoaka ny mpifanolobodirindrina rehetra hijery ny dihy Bon, indrindra fa ny fianakaviana
miaraka amin'ny ankizy.
#盆踊り#息子#笑顔#提灯#やぐら#bonfestivaldance#son#smile#face
Sary nalefan'i miyuki (@me.you_key97)
#bonfestivaldance #son #smile #face
#fetydihybon #zanaka #tsiky #endrika
Natokana ho fetin'ny faritra miaraka amin'ny ambiansy karnavaly ihany koa ny dihy Bon fanao isan-taona. Misy ireo kilalao hilalaovana sy ny sakafo samihafa hohanina amin'ny vanin-taona mafana, toy ny gilasy kakigori voatetika.
Miaraka amin'ny namana eo amin'ny manodidina izahay ho any amin'ny dihy Bon, ary misy ankizy maro avy amin'ny garabola any. Mandihy toy ny adala izy rehetra . Nanana fahafahana niresaka tamin'ireo reny hafa aho teny an-dalàna nody .
# Kidstagram # anabavy # #insta_zazakely #nyankizinizaotontoloizao #pixel_ankizy #lamaodinnyankizyhoannyrehetra#kliobaankizymahafatifaty # 4taona # 1taona #ankizy_japana #tv_ankizy#ankizy_ny_tontolontsika#mahafatifaty_ankizy_izao_tontolo_izao #kelysymavitrika #kelysykely#endrikabilaogykely #instamamme #mamxmam
Efa nomanina fatratra ny dihy Bon sasany ao Japana ka mahasarika mpijery an'arivony maro. Ny fetiben'ny Awa Odori ao amin'ny prefektioran'i Tokushima no tena malaza indrindra amin'ny dihy Bon ao Japana, izay mahasarika raha kely indrindra olona iray tapitrisa isan-taona ao an-tanàna.
Caption: First day of the Awa Odori in Tokushima (August 12, 2016)
Fanazavana: andro voalohany tamin'ny Awa Odori tao Tokushima (12 Aogositra 2016)
Mitranga manerana an'i Japana ireo dihy goavana. Hitanao eto ambany ny dihy amin'ny vanin-taona mafana ao Kumamoto , ao amin'ny nosin'i Kyushu-ny Fetin'ny fanilo :
Tsara tarehy foana ny jiro amin'ny alina :
こないだの町内の盆踊り #祭り #盆踊り #浴衣 #町内のお偉いさんいっぱい
Sary nalefan'i nico 月の輪美容所 (@nicotukinowa)
Ny dihy Bon tao an-tanànanay.
#Bondance #Obon #NyolonaManankajaRehetraTaoAntanananay