- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Erotika Tamin'ny Gazety Mpanala Baraka Ahitana Vehivavy Kandidà Depiote ao Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet
Polina Nemirovsky (left) and Maria Baronova. Photo: Facebook [1]

Polina Nemirovsky (ankavia) sy Maria Baronova. Sary: Facebook

Mamely ireo fantadaza ara-politika ny Life.ru, kalazalahy (na ratsy indrindra, araka ny taloha) indrindra amin'ny gazety rosiana mpanala baraka tamin'ny famoahana sary nosovohana mampiseho an'i Maria Baronova, kandidà mpanohitra hiditra ao amin'ny Duma-mpanjakana, ao amin'ny toerana mangina iray miaraka akaiky dia akaiky amin'ny tovovavy iray hafa .

Nilaza fotsiny ny tranonkala fa nalefan'ny mpiserasera tsy fantatra anarana mampiasa ny fampiharana fanangonam-baovaony “LifeCorr” ny sary. Mampiseho an'i Baronova sy ny mpitantana ny fampielezan-keviny ankehitriny, Polina Nemirovskaya mampiseho tratra sy mifanoroka ny sary. Tsy nety naneho hevitra ampahibemaso momba ny sary tafaporitsaka i Baronova, saingy toa nilaza tamin'ny Life.ru izy fa fifaliana ho azy ny “hiresaka momba ny tratrany” raha vao vita ny fampielezan-keviny hahazo seza ao amin'ny parlemanta ao Rosia.

Nandresy ireo sakana miharihary tamin'ny fiandohan'ity volana ity i Baronova hisoratany hirotsaka hofidiana [2], nahangona sonia efa ho 15.000 handraisany anjara ho kandida mahaleotena amin'ny fifidianana. Iray amin'ireo kandidà 18 tohanan'ny hetsika ara-politika “Open Rosia (Rosia Misokatra),” izay naorin'ilay mpanefoefo teo aloha tamin'ny solitany, efa lasa mpanohitra ara-politika, Mikhail Khodorkovsky, izy. Mba hanangonana ny sonia ilaina amin'ny firotsahany hofidiana, nanetsika olona eo amin'ny 400 eo ho eo izy ho mpiasan'ny fanentanana. Voalaza fa nanao findramam-bola manokana mitentina 2 tapitrisa robla (mihoatra ny 31.000 dolara) ihany koa izy mba hamatsiana vola ny fampielezan-keviny.

Mirotsaka hofidiana ao amin'ny distrikam-pifidianana afovoany ao Moskoa i Baronova, ary hifanandrina amin'i Nikolai Gonchar, kandidà avy amin'ny antokon'ny fitondrana “Rosia Mitambatra”, sy Andrei Zubov, izay tohanan'ireo antoko demaokraty “Yabloko” sy “Parnas . “(Tamin'ny Martsa 2014, taorian'ny fanakambanana an'i Krimea amin'i Rosia, somary nahazo laza tao anatin'ny tsikeran'i Kremlin i Zubov tamin'ny fahaverezan'ny asany tao amin'ny Oniversite rehefa avy nanoratra lahatsoratra fanadihadiana mampitaha [3] ny fakàna tany an-keriny ataon'i Moskoa amin'ny fakàn'ny Nazi ny Sudètes.)

Nahatonga ireo mpomba an'i Zubov sasany hiampanga an'i Baronova ho kandidà “mpandringana”, navelan'i Kremlin hifaninana hampizarazara ny vaton'ny mpanohitra, ny fisian'ireo demaokraty liberaly roa ao amin'ny fari-pifidianana iray ao Moskoa. Nilaza [4]tao amin'ny Twitter ohatra androany ilay mpikatroka malaza miady amin'ny kolikoly, Alexey Navalny, fa ny sary tafaporitsaka misy an'i Nemirovskaya dia “mampiharihary” fa  “mpandringana” nirahina mba tsy hahalany an'i Zubov ao amin'ny Duma i Baronova. (Namazivazy [5] avy hatrany an'i Navalny tamin'ny fangatahana ny hialàn'i Baronova amin'ny fifidianana i Petr Verzilov, vadin'ilay mpitarika ny Pussy Riot, Nadezhda Tolokonnikova.)

Raha nangina hatrany i Baronova manoloana ny sary tafaporitsaka, sahy niresaka momba izany tao amin'ny media sosialy kosa i Nemirovskaya. Nilaza [6]izy tao amin'ny Twitter fa efa nifandray taminy ny Life.ru ary nangataka taminy mba haneho hevitra momba ny sary voarainy (Life.ru). Nilaza i Nemirovskaya fa nisy ni-piraty ny kaontiny media sosialy sy ny fandefasan-kafatrany rehetra roa volana lasa izay. Tamin'ny sioka iray androany, naka sary teo akaikin'ny filohan'ny Parnas sady Praiminisitra Rosiana teo aloha, Mikhail Kasyanov izy, praiminisitra lasibatry ny tetika maizina fakàn-tsary miafina naneho ny fiarahany ivelan'ny mariazy amin'ny mpiasan'ny Parnas iray.

Izany eo ihany, hamoaka ny sariko miaraka amin'i Kasyanov manokana aho.

Toa nilaza tamin'i Nemirovskaya ny Life.ru fa ny sary miaraka amin'i Baronova dia nalaina tamin'ny iPhone 4— smartfinday nolazain’ [9] i Nemirovskaya fa tsy nampiasainy nandritra ny efa-taona. Araka ny filazan'i Olga Borissova, namana akaiky an'i Nemirovskaya sy mpikambana hafa ao amin'ny ekipa fampielezan-kevitr'i Baronova, nalaina tamin'ny herintaona [10] ny sary. Tsy nety nanome vaovao fanampiny i Borissova, izay mpanoratra taloha tao amin'ny RuNet Echo.

Na aiza na aiza ao amin'ny media sosialy, miha-mafàna ny vazivazy ratsy ao amin'ny aterineto. Tamin'ny fifanandrifian-javatra hafakely, nanambara [11] ireo vehivavy roa hafa mpampisara-bazana ao amin'ny kolontsaina ara-politika ao Moskoa—Xénia Sokolova, tonian-dahatsoratra vaovao ao amin'ny Esquire rosiana, sy Lessia Ryabtseva, tale lefitra taloha tao amin'ny radio akon'i moskoa fa hiara-hiasa amin'ny fifidianana amin'ny Septambra amin'ny fanentanana ao amin'ny Duma izy ireo. Ny vaovao tampoka momba ireo vehivavy efatra ireo—izay samy mavitrika amin'ny fiainam-bahoaka sady tia mampidera lamaody sy vatana izy rehetra, dia nahatonga ireo fanehoan-kevitra mahazatra avy amin'ny lehilahy tao amin'ny aterineto Rosiana – izay nifandimby teo amin'ny fandinihana lalina [12]momba ny vehivavy tanora manintona miara-maka sary sy amin'ny ankapobeny, sy ireo hatsikana maniratsira vehivavy [13] momba ny vehivavy tazan'ny vahoaka ao Rosia.