Mientanentana Momba Ireo Atletany Ny Jamaikana ary Somary Mitebiteby Kely Momba ny ao Rio

The Rio Olympics 2016 logo. Image uploaded by Marcos Castellano, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Sary famantarana ny lalao Olaimpika Rio 2016. Sary navoakan'i Marcos Castellano, CC BY-NC-ND 2.0 license.

Fara-tampony ny fihendratrendratana ao Jamaika ny alina mialoha ny Lalao Olaimpika ao Rio. Antenaina hitombo ny hafanam-pon'ny fitiavan-tanindrazana, amin'ny fanohanana indrindra ireo atleta Jamaikana.

Na izany aza, manimba zavatra ny tsy fahampian'ny fandaminana sy ny olana ara-piarovana. Raha ifantohan'ny tatitry ny mpanao gazety ara-panatanjahantena ny toe-batana sy ny mety ho zava-bitan'ny atleta Jamaikana, dia misy ahiahy mandeha ihany any ambadika any.

Nitatitra momba ny efitra fampiantranoana mbola tsy vita ao amin'ny Tanànan'ny Mpanao fanantanjahantena ny gazety Gleaner, tamin'ny fandefasana lahatsary misy ireo gorodona sy efitra fidiovana mbola tsy vita ary koa ny tsy fahampian'ny fanaka ao amin'ny efitranon'izy ireo.

JEREO: Tonga tao amin'ny efitra mbola tsy vita ao anatin'ny tanànan”ny atleta roa andro alohan'ny lalao Olaimpika ireo Jamaikana

Na izany aza, manana fanantenana amin'ny ho fihatsaran'ny zavamisy ireo tompon'andraikitry ny ekipa. Mifanohitra amin'izany, nilaza momba ireo fampiantranoana mirentirenty amin'ny sambo fitsangantsanganana ho an'ny ekipa basket-ball Etazonia kosa ny media ao an-toerana. Noho ny fifantohan'ny fampahalalam-baovao amin'ilay atleta kalaza Jamaikana Usain Bolt, mba nahazo fikarakarana manokana kosa izy.

Jamaican sprinter Usain Bolt. Image by Nick Webb, used under a CC BY 2.0 license.

Mpisipirinty Jamaikana Usain Bolt. Sary avy amin'i Nick Webb, lisansa CC BY 2.0

Naka sary maromaro manerana ny tanàna i Bolt, nanaiky am-pifaliana haka sary «famantarana azy » (avy amin'ny dihy Jamaikana) miaraka amin'ireo olo-tsotra sy mpanohana. Hoy izy nisioka:

Nilaza izy ireo fa avy amin'ny fiarahamonina (Favelas) mampidi-doza indrindra ao Rio ireto ankizy ireto saingy ireo no hoavintsika

Nitatitra ny fatokisan-tenan'i Bolt ilay mpanao gazety Jamaikana Kayon Raynor, manoratra ao amin'ny sampam-baovao Reuters fa afaka mandresy ilay mpifanandrina goavana aminy, Justin Gatlin izy:

Usain Bolt is promising to let American sprinter Justin Gatlin ‘feel his full wrath’ as he zones in on an unprecedented treble-treble of gold medals at the Rio de Janeiro Olympics.

Bolt was given a medical exemption by Jamaican officials to compete at the Rio Games after he pulled a hamstring during the Olympic trials and Gatlin wasted little opportunity in trying to get under the 29-year-old's skin.

Gatlin said the six-time Olympic gold medallist had been given ‘a medical pass’ to compete and Bolt said on Wednesday that had only served to fuel his desire to shut the American up by proving himself on the track.

‘Yes definitely, I think they have not learned over the years that the more you talk, the more I will want to beat you,’ Bolt told Reuters on Wednesday.

Nampanantena “hampiseho ny fahatezerany” amin'ilay sipirintera Amerikana Justin Gatlin i Usain Bolt, mikasa izy handrombaka medaily volamena “tsitelotelo” tsy mbola nisy toy izany amin'ny Lalao Olaimpika ao Rio de Janeiro.

Nanome fitsaboana manokana ho an'i Bolt ny manampahefana Jamaikana mba ahafahany mifaninana amin'ny Lalao ao Rio, noho ny fahararian'ny hozatra nandritra ny fanazarana olaimpika. Tsy nahay nanararaotra tamin'izany i Gatlin tsy naharesy an'ilay mpifanandrina aminy 29 taona.

Nilaza i Gatlin fa nahazo “alalana tamin'ny mpitsabo” mba hifaninana ity tompon-daka nahazo medaily volamena in'enina ity. Nilaza i Bolt tamin'ny Alarobia (heriny) fa vao maika mamelona ny faniriany hampangina ilay Amerikana amin'ny fandresena azy eo ambonin'ny sehatra izany.

“Eny tokoa, mino aho fa tsy nahafantatra nandritra ny taona maro izy ireo fa arakaraky ny hitenenanao, no mampitombo ny faniriana handresena”, hoy i Bolt tamin'ny Reuters tamin'ny Alarobia (heriny).

Mandritra izany, nanamarika ireo Jamaikana tonga tao Rio fa nohamafisina ny fiarovana, ary nitatitra izy ireo fa nandre poa-basy teo akaikin'ny toby fanazaran-tenan'ny ekipa Jamaikana:

Members of Jamaica’s track and field delegation at the Olympic Games in Rio de Janeiro, Brazil endured an uncomfortable night on Saturday as gunshots rang out for hours from a favela (a slum in an urban area), which borders their training base accommodations at the Linx Hotel.

While concerned, team manager Ludlow Watts said he had full confidence in the security of the team, noting that the experience was a reminder of the vigilance needed.

He also sought to assure that every step is being taken to ensure the security of the entire delegation.

Niaina alina mahasosotra tamin'ny Asabotsy ireo mpikambana ao amin'ny delegasiona Jamaikana amin'ny Lalao Olaimpika ao Rio de Janeiro, satria nisy ny poa-basy re nandritra ny ora maro tao amin'ny favela (faritry ny mahantra ao an-tanandehibe), izay mifanakaiky amin'ny toby fanazaran-tenan'izy ireo ao amin'ny Hotely Linxl.

Na dia miahiahy, nilaza ny mpitantana ny ekipa, Ludlow Watts fa matoky tanteraka ny fiarovana ny ekipa izy, nanamarika izy fa fampahatsiahivana ny fahamalinana ilaina izany zava-niainana izany.

Nanome toky ihany koa izy fa noraisina ny dingana rehetra mba hiantohana ny fiarovana ny delegasionia manontolo.

Mpanao gazety ara-panatanjahantena iray hafa nandinika momba ny ambiansy somary be tebiteby alohan'ny Lalao:

There is a great sense of tension in the air.

I mean, it's not every day you see regular hotel lobby security guards wearing bulletproof vests and packing extension clips. It's not everywhere on the planet you will constantly be told never to walk on the streets alone, or take a taxi (Uber is highly recommended), or basic stuff like that.

And I mean, it's not like we don't have problems of our own in Jamaica. But things here seem a bit rougher around the edges.

Misy ny fihenjanana tsapa.

Ny tiako ambara dia tsy isan'andro ianao no mahita mpiambina amin'ny hotely manao akanjo fiarovana amin'ny bala. Tsy hoe na aiza na izao eto an-tany ianao no lazaina mba tsy handeha irery eny an-dalana, na mandray taxi (toro-hevitra tsara ny Uber), na zavatra tahaka izany.

Ny tiako ambara, dia tsy hoe tahaka ny tsy manana olana isika any amintsika ao Jamaika. Saingy toa somary sarotsarotra ny zavatra eto.

Ilay nahazo medaly volamena Shelly-Ann Fraser-Pryce no hitarika ny ekipa Jamaikana ao amin'ny kianja Olaimpika amin'ny andro fanokafana. Nampiseho azy tonga tao amin'ny toby fanazaran-tena miaraka amin'ny volony somary rakotra ny sary nalefan'i Ricardo Makyn tao amin'ny Twitter; malaza kokoa amin'ny endriky ny volony miloko sy tsy mahazatra ity tompon-daka ity:

.@realshellyannfp tonga ao amin'ny hotely Linx, Brezila, vonona hiatrika ny #Rio2016.

Raha tsy dia mahaliana ny vaovao ao an-toerana, leo tatitra ratsy momba ny ao Rio ny Jamaikana sasany :

Nahoana ireo firenena lazaina fa mandroso no tsy mitsahatra mankahala an'i Brezila ary mba hamela anay hankafy ny Olaimpika? Fahatsaran'Andriamanitra!

Tahaka ny mahazatra, manana fanantenana lehibe ny Jamaikana fa hahazo medaily marobe amin'ny lalao. Koa, avelao hanomboka ny Lalao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.