- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtô Rikô : Mainty Ary ‘Misaona’ Ny Sainam-pirenena Noho Ireo Mpitantana Teren'i Etazonia Apetraka

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
The famous door in Old San Juan now has the Puerto Rican flag painted in black and white, as a sign of mourning and resistance. There is also a small altar. Photo by Marina I. Pineda Shokooh, used with permission.

Ilay varavarana malaza ao amin'ny Old San Juan, voaloko sainam-pirenena Portorikàna fotsy sy mainty ankehitriny ho mariky ny fisaonana sy fanoherana. Misy alitara kely iany koa. Sary an'i  Marina I. Pineda Shokooh, nahazoana alàlana.

Mainty Ary Misaona Ny Saina Ao Puerto Rico Noho ireo Mpitantana Teren'i Etazonia Apetraka Hanara-maso.

Ho an'ny Pôrtô Rikana maro, mariky ny rehareha ara-kolontsaina sy maha-izy azy ny sainam-pirenena, indrindra raha heverina ny satan'ny fanjanahana ilay nosy eo ambany fitantanan'i Amerika. Amin'izao fotoana izao, miaraka amin'ny fanovàna ara-javakanto, dia maneho ny fisaonana izay efa niainan'ilay nosy hatramin'ny nametrahan'ny governemanta amerikana ny kaomisiona federaly mpanaramaso [1] miaraka amin'ny fahefana hiadidy ny fitantanan-draharaha.

Novàna [2]vondrona mpanakanto ho mainty sy fotsy ny lokon'ny sainam-pirenen'i Pôrtô Rikô, manga mena ary fotsin’ilay varavarana mitahiry fahatsiarovana [2] ho mariky ny fanekena ny Fanaraha-maso, ny Fitantànana, ary ny lalàna momba ny fahamarinan-toerana ara-politikan'i Pôrtô Rikô izay fantatra amin'ny hoe PROMESA. Nankatoavin'ny Kongresy Amerikana ary neken'i Filoha Barack Obama ho  làlana hitantànana ny trosan'i Pôrtô Rikô izay efa maherin'ny 70 lavitrisa dolara io lalàna io.

Fa manakorontana tanteraka ny fizakàntena ara-politikan'ilay nosy ny PROMESA. Ny fepetra noraisiny, izay ahitàna ny fampidinana ny karama farany ambany isan'ora ho 4.24 dolara [3]( latsaka  3 dolara amin'ny karama farany ambany any Amerika ), no nandrisika ny olona hikaraka filasiana sy hetsika tsy fankatoavana faobe isan'andro.

Eo amin'ny rindrina anoloan'ilay trano haolo any amin'ny làlamben'i San José  any Old San Juan no ahitàna ilay sainam-pirenena amin'ny rindrina, ary talohan'ny nanovàna azy dia matetika maka sary izany ny mponina ao an-toerana sy ireo mpizahatany ho fahatsiarovana ny fandalovany teo. Voahodidin'ny sarivongan'ireo Pôrtôrikana mpanakanto malaza, nataon'ny fikambanana Grabadores por Grabadores, ilay varavarana.

Ireo olona sasany dia naneho avy hatrany tamin'ny aterineto ny hadisoam-panantenany nanoloana ilay fiovàn-doko ary nilaza izany ho asa fandrobàna. [4]Izao no voasoratra ao amin'ny fanehoankevitra iray, ” Nisy nandoko ny saina ao amin'ny làlamben'i San Jose. Misy mpiasa an-tsitrapo ve ? Handoko ilay saina hiverina amin'ny lokony tena izy.

Vetivety foana, nanainga ilay tenifototra fanesoana “Pero que no me pinten la bandera [5]” (” Fa aza lokoina ny saina”) teo amin'ny samy Portorikàna ilay “sainam-pirenena nisaona” izay taratry ny tsy firaharahiana ny  loko novaina. Mpisera maro amin'ny haino aman-jery sosialy no nilaza ny fanohanany ilay lokon-drindrina vaovao, ary nanjary mariky ny fanoherana sy ny tsy fankatoavana faobe ilay saina misaona.

Namoaka taratasy misokatra [6] tamin'ny gazetiboky amin'ny aterineto 80grados [7] ny Artistas Solidarixs y en Resistencia (Mpanakanto Mivondrona sy Manohitra), ny vondron'ireo mpanakanto tompon'antoka tamin'ny fandokoana indray ilay saina, manazava ny antony nanaovany ilay hetsika :

El arte es un vehículo de expresión que se ha utilizado a lo largo de la historia para transmitir ideas, provocar reflexiones, transformar y (re)crear la realidad. Los símbolos patrios ayudan a reforzar la identidad y valores del pueblo. Desde su origen la bandera de Puerto Rico ha sido símbolo de lucha ante la condición colonial y, durante años fue un delito izarla. Más tarde bajo la ley colonial de 1952 (ELA) se adopta la bandera oficialmente. En la actualidad el triángulo representa las tres ramas del Gobierno: ejecutivo, legislativo y judicial. Las tres franjas rojas simbolizan la sangre que da vida a estos poderes.

Las leyes, los gobernantes y los tribunales, hasta este momento, no han servido a los intereses del pueblo. Reemplazar con color negro (que es la ausencia de LUZ) crea nuevas lecturas. La nuestra es una propuesta de RESISTENCIA, no es pesimista, al contrario, habla sobre la muerte de estos poderes tal cual los conocemos, pero la esperanza sigue ahí representadas en las franjas blancas que simbolizan la libertad del individuo y su capacidad para reclamar y hacer valer sus derechos.

Sirva este acto como una invitación a reflexionar y tomar acción ante el colapso del sistema de educación y salud, la privatización y destrucción de nuestros recursos naturales, el status colonial, el atropello contra la futura fuerza laboral, el pago de una deuda impagable, la imposición de un gobierno anti democrático, el estrangulamiento de las gestiones culturales entre otras. Este acto es una muestra de que hay una comunidad artística que no está de brazos cruzados, que está dispuesta a luchar contra todos los atropellos, contra la imposición de un gobierno absolutista y sus políticas de austeridad, la más reciente: la Junta de Control Fiscal (PROMESA). Puerto Rico está en pie de lucha, fortalezcamos el amor entre nosotros y por el espacio que habitamos promoviendo el respeto, la solidaridad, la tolerancia, la unión, la comunicación y el trabajo en comunidad.

Tteo amin'ny tantara, natao ho fampitàna hevitra, hamoha ny fisainana, ary hanova sy hanamboatra indray ny zava-misy marina ny kanto miendrika fanehoankevitra. Manampy amin'ny fanorenana ny maha-izy azy sy ny soatoavin'ny firenena iray ny mariky ny maha-firenena. Hatramin'ny voalohany, ny sainam-pirenena Portorikàna dia mariky ny ady nanoherana ny satan'ny fanjanahana antsika, ary nandritra ny taona maro, dia noheverina ho heloka bevava ny fananganana azy . Noho ny lalàna tamin'ny fanjanahantany izay nananganana ny ELA [ Fikambanan'ny Fanjakana Afak'i Pôrtô Rikô/ Miray tanjona] tamin'ny 1952, dia nanjary marika ôfisialy ilay saina. Amin'izao fotoana izao, taratry ny rantsana telon'ny governemanta : mpanatanteraka, mpanao lalàna ary ny fitsaràna ilay telozoro. Ny tsipika mena miloko rà dia manome ireo sampana telon'ny fahefàna.

Tsy nisolo tena ny tombontsoan'ny vahoaka portorikàna ny lalàna, ny mpanao politika ary ny fitsaràna eto amintsika. Miteraka adihevitra vaovao ny fanoloana ny loko ho mainty ( izay vokatry ny tsy fisianà HAZAVANA). FANOHERANA no niheveranay azy ; tsy misy fiheverana zavatra ratsy, milaza ny fahafatesan'ireo fahefana ireo izany, saingy ny fanantenana dia mbola asehon'ireo tsipika fotsy telo izay mariky ny zon'ny tsirairay sy fahaizany mitaky sy mamorona ny zony.

Fanasàna ny mba hisaintsainana sy handraisana fepetra ho fanoherana ny firodanan'ny rafi-panabeazana sy rafi-pahasalamantsika, ny fihatahan'ny fanjakana sy ny fandringanana ny harena voajanaharintsika, ny satan'ny fanjanahantany, ny fanararaotana atao amin'ny hery mpamokatra eto amintsika, ny fandoavana trosa mihoa-pampana, ny fametrahana fitondrana manohitra ny demokrasia, ny fanapahana ny raharaha ara-kolontsaina eo anivon'ireo fifanolanana hafa io hetsika io.  Porofoin'io hetsika io fa misy fiombonanà mpanakanto izay tsy miraviravy tànana fa vonona hiady amin'ny fanararaotana rehetra, amin'ny fametrahana governemanta jadona sy ny politikany henjana, ny akakiky indrindra : Kaomisiona Federaly Mpanaramaso (PROMESA). Eo am-piadiana i Pôrtô Rikô, ‘ndao hamafisina amin'ny fifanajàna, firaisankina, fifandeferana, ny fiombonana, ny fifaneraseràna, ary ny fiarahamiasa eo amin'ny vondrom-piarahamonina ny fifankatiavana eo amintsika sy ny tontolo onenantsika.

Nadikan'ireo mpanakanto maro hafa sy ireo mpikatroka mafana fo ho toy ny endriky ny fanoherana ilay kaomisiona federaly mpanaramaso noterena apetraka ilay “sainam-pirenena mainty”. Ny haino aman-jery sosialy no nampiasain'ny Campamento Contra la Junta [8] (Antoko Manohitra ny Kaomisiona), hetsika ifotony ataon'ny mpianatra sy ny mpikatroka mafana fo,  mba hampiroboroboany ny lasin'izy ireo maharitra eo ivelan'ny lapan'ny fitsarana federaly amerikana any San Juan. Misy vondron'olona manangana toby ho toy ny hetsika fihantsiana sy tsy fankatoavana faobe eo ivelan'ny lapan'ny fitsarana federaly.

Nanjary endrika mahazatra ho an'ireo mpanohitra ny hetsika sy ireo mpikatroka politika mafana fo, miaraka amin'ny lokon-drindrina vaovao maro be isan-kerinandro hatramin'ny naneken'i Obama ny lalànan'ny PROMESA ilay kanto an-dalambe :

Photo of mural artwork by local artists. From Campamento Contra la Junta's public Facebook page. https://www.facebook.com/CampamentoContraLaJunta/posts/105741 [8]

Sarin'ny asakanto amin'ny rindrina nataon'ny mpanakanto ao an-toerana Jesús Delgado Burgos, tao amin'ny pejy Facebook ho an'ny daholobe an'ny Campamento Contra la Junta. Nahazoana alàlana.

Completed mural by local artists. Picture from Campamento Contra la Junta's public Facebook page. [9]

“Mijoroa sy mitoloma”. Sarin'ny asakanto ami'ny rindrina nataon'ny mpanakanto ao an-toerana Jesús Delgado Burgos, tao amin'ny pejy Facebook natao ho an'ny daholobe an'ny Campamento Contra la Junta. Nahazoana alàlana.

Grito de Lares "black flag" in Santurce. Photo by Spear Torres. Used

Grito de Lares [10] “saina mainty” miaraka amin'ny sabatra any Santurce, mariky ny ady sy ny fihantsiana. Sainan'ny tanànan'i Lares any Pôrtô Rikô ity, sady mariky ny ady ho amin'ny  fahaleovanten'ny nosy. Sary avy amin'i Spear Torres. Nahazoana alàlana.

Amin'izao fotoana izao, mikarakara hetsika marobe manohitra ny fanatsiforana Naled [11], famonoana bibikely hiadiana amin'ny Zika izay misy vokadratsy amin'ny fahasalamana [12] ihany koa ny Campamento Contra la Junta.  Nanainga ny fanahin'ny vondrom-piarahamonin'ireo zanaka am-pielezana mba handray anjara amin'ilay tolona ihany koa ilay hetsika. Tolona iarahana amin'ireo fikambanana toy ny Comité Boricua en la Diáspora [13], izay mikarakara fihaonambe  hifanakalozana hevitra momba ny tolon'i Pôrtô Rikô ho amin'ny fahaleovantena, [14] atao any Harlem Atsinanana New York. Raha mbola tsy azo antoka izany tamin'ny fotoana nananganana ny kaomisiona mpanaramaso, ireo mpikatroka mafana fo kosa mahita endrim-panehoankevitra vaovao sy ara-javakanto hampitàna ny tsy fanekeny sy ny fanoherany.