- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kintan'ny Fanatanjahantena Tiorka Tratra ao Anatin'ny Ady Ifanaovan'i Erdogan sy i Gulen

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Politika
Hakan Sukur, Turkish football legend, is wanted by prosecutors. Wallpaper from justgoodvibe.com

Hakan Sukur, olomangan'ny baolina fandaka tiorka, karohin'ny mpanao famotorana. Afisy avy amin'ny justgoodvibe.com

You must move within the arteries of the system, without anyone noticing your existence, until you reach all the power centres.
You must wait until such time as you have got all the state power, until you have brought to your side all the power of the constitutional institution in Turkey.

Tsy maintsy mandeha ao anatin'ny lalandràn'ny rafitra ianao, ary tsy misy na iza na iza mahita ny fisianao, mandra-pahatratranao ireo foiben'nyf ahefana rehetra.
Tsy maintsy miandry izany fotoana izany ianao rehefa manana ny fahefam-panjakana rehetra, mandra-panisakao ho any aminao ireo fahefan'ny andrimpanjakana rehetra voalazan'ny lalampanorenana ao Torkia.

Io tsonga eo ambony izay lazaina fa tamin'ny toriteny iray izay nivoaka voalohany an-tserasera tamin'ny 1999 ho avy amin'ilay mpitoriteny monina ao Etazonia Fethullah Gulen io matetika no voatonona rehefa te-hanondro ilay manampahaizana islamika monina an-tsesintany ho manana taratra ara-politika mety hanakorontana ao Torkia tanindrazany.

Nampangain'ny governemanta tiorka ho nanomana fanonganam-panjakana tsy nahomby nahafatesana olona 265 tamin'ny volana lasa i Gulen ary nahatonga famaizan'ny governemanta ireo mpitsara, manamboninahitra ara-miaramila, mpampianatra, manampahaizana ary mpanao gazety an'arivony.

Mahatratra ny tontolon'ny fanatanjahantena ankehitriny ny fifandirana.

Tao amin'ny vaovao iray jerena toa tsy mitombina mihitsy nisongadina tao Torkia tamin'iny herinandro iny ny fitateram-baovao namoahan'ny mpitsara mpanao famotorana tiorka didy fampisamborana ilay kintan'ny baolina fandaka tiorka teo aloha Hakan Sukur, izay mitazona ny famonoam-baolina betsaka indrindra nandritra ny vanim-potoana rehetra ho an'ny ekipam-pirenena.

Fanta-daza kokoa tamin'ny zavabitany niaraka tamin'ny klioban'i Istanbul antsoina hoe Galatasaray sy ny maha-tao amin'ny ekipam-pirenena tiorka azy izay nahazoany ny laharana fahatelo nandritra ny Mondialy tao Korea Atsimo tamin'ny taona 2002, dia mpikambana ao amin'ny antoko AKP (Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana) misy ny Filoha Recep Tayyip Erdogan ihany koa i Sukur tamin'ny taona 2011 ka hatramin'ny taona 2013.

Saingy taorian'ny fisarahana ara-politika teo amin'i Erdogan sy i Gulen izay nanomboka tamin'ny taona 2012 farafahakeliny, dia tsikaritra ho nifidy an'i Gulen [1] i Sukur, ary miatrika fiampangana ho “mpikambana ao amin'ny hetsika mampihorohoro mitam-piadiana” ankehitriny.

Noraofin'ny fitsarana (!) ao Torkia ny fananana manokan'ny kintan'ny baolina fandaka Hakan Sukur sy ny an'ny rainy satria lasa mitsikera ny fitondrana izy

Mahatadidy an'i Hakan Sukur? Izy izao no voalaza farany ho karohina hosamborina tamin'ilay fikasana hanongam-panjakana

Ireo tsara fitadidiana dia mahatsiahy fa samy nanatrika ny mariazin'i Sukur tamin'ny 1999 avokoa ireo mpiara-dia Erdogan sy Gulen, tamin'io taona io i Gulen, 75 taona, no lasa nanorim-ponenana tany Pennsylvania.

Amin'ny sary eto ambany, miteny amin'ny fanamafisampeo i Erdogan raha mipetraka eo ankavian'i Sukur kosa i Gulen.

Mahatadidy an'i Erdogan?

Mariazin'ilay Tiorka mpilalao baolina fandaka Hakan Sukur fantatra ho Gulenista sy i Fethullah Gulen tenany. 😉

Ny mampihomehy, mpilalao baolina fandaka ihany koa i Erdogan ary milalao eo toeran'ny mpanafika afovoany mitovy amin'i Sukur eo amin'ny dingana matihanina amin'ny ampahany, na dia tsy nety niainga tahaka ny teo amin'ny lalany ara-politika aza io lalany ara-panatanjahantena io.

Taorian'ny tsikombakomba hanongam-panjakana, mihamatevina ny tsikombakomba…

Tsy i Sukur irery no kintan'ny fanatanjahatena voafandrika ao anatin'izao fifanandrinana misy eo amin'i Erdogan sy i Gulen izao.

Vao haingana i Enes Kanter, andrin'ny ekipa basketball Oklahoma City Thunder ao amin'ny NBA no nanambara fa nanova ny anaram-pianakaviany ho Gulen izy ho fanehoam-panohanana [10] an'ilay filozofy manirery.

Notsipahin'ny [13] fianakaviany ao Torkia i Kanter raha mbola mitohy manerana ny firenena ny fanesorana ny “viriosin'i Gulen” araka ny filazan'i Erdogan.

Ny fijoroan'i Kanter tsy azo hozongozonina amin'ny fanohanana an'i Gulen miharihary ao amin'ny kaontiny media sosialy koa no manampy amin'ny fandresen-dahatra fa manana endrika fanandratana olona ny Hetsika Gulen antsoina hoe Hizmet.

Nariana tsy ho isan'ny fianakaviana noho ny maha-Gulenista azy ilay Tiorka mpilalao amin'ny NBA Enes Kanter

Tsy mahajoro manoloana ny onjan'ny Erdoganista ao Torkia ny fianakavian'i Enes Kanter, kintan'ny NBA

Mandritra izany fotoana izany, tsy diso ny fijery hoe aiza no ijoroan'ilay gazety malaza ho pro-Erdogan antsoina hoe Daily Sabah:

“Andriamanitra ô, raiso ny aiko ary omeo ny hodja-ko,” hoy ilay mpanohana Gulenista mivavaka amin'ny fampihorohoroana mpilalaon'ny NBA Enes Kanter

Na dia mety ho efa mahazatra an'ireo rehetra narian'ny namana na fianakaviana noho ny fivavahana aza ny fiarovan'i Kanter an'i Gulen, dia mampanahy ihany koa ny nanarian'ny fianakaviany azy, raha manomboka misy vokatra ny fampitahana ataon'ny gazety ny fanadiovana ao Torkia amin'ity taona 2016 ity tamin'ny fanadiovan'ny Firaisana Sovietika tamin'ny andron'i Stalin.

Tsy mitsahatra i Erdogan mitaky an'i Etazonia ny hampodiana an'i Gulen, izay lazaina fa taizan'aretina fotoana ela.

Anaovan'ny governemantan'i Torkia fahirano ara-diplaomatika ihany koa ireo tambajotran-tsekoly sy oniversiten'i Gulen manerana izao tontolo izao hatramin'ny nisian'ny fikasana hanongam-panjakana tamin'ny 16 jolay amin'ny fangatahan'ny manampahefana tiorka hanakatona ireny toerana manana fifandraisana amin'ilay manampahaizana ireny.