- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary: Mizara Fijery Iray Tsy Fahita Maneho Ny Fireneny Ity Mpitondra Fiaramanidina Bangladeshi ity

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Bangladesh is a land of natural beauty and offers spectacular picturesque elegance. Images by Shamim Shorif Susom. Used with permission. [1]

Tany mirakitra hatsaran-tarehy voajanahary i Bangladesh ary manome hakanto miavaka amin'ny hafa. Sary an'i Shamim Shorif Susom. Fampîasàna nahazoana alàlana.

Naka sary mahatalanjona avy eny amin'ny lanitra ny mpaka sary an'habakabaka, Shamim Shorif Susom [2], manome fomba fijery hafa tanteraka an'ilay firenena.

Iray amin'ireo firenena be mponina indrindra eran-tany i Bangladesh [3], matetika hita eo amin'ny lohatenim-baovao eran-tany noho ny fikorontanan'ny pôlitikany [4], ireo loza miseho anivon'ny orinasa [5] ary ireo loza voajanahary. [6] ( Vao haingana, afaka manampy ny asa fampihorohoroana [7] ao anatin'io lisitra io ianao).

Saingy fonenan-javatra maro hafa mihoatra lavitra nóho ny herisetra sy ny loza i Bangladesh. Amin'ny maha-mpitondra fiaramanidina ny tenany, mahazo fijery toy ny an'ny voromanidina, mampitolagaga sy goavana an'ny firenena i Shamim Shorif Susom mandritra ny sidina ataony. Raketiny an-tsary ireo renirano mikoriana, ny maitso mavana any ambanivohitra, ary ny fiainana ambanivohitra ao Bangladesh avy eny amin'ny habakabaka .

Nanomboka nizara ny sariny tao amin'ny Facebook [8], Flickr [9], ary tambanjotra sosialy hafa izy, izay nahazoany mpanaraka maro tanatin'ny fotoana fohy. Hatreto dia efa nasongandina tanatinà vohikala iraisam-pirenena maro ny sariny, anisan'izany ny Bored Panda [10], Blaze press [11], ary ireo hafa koa. Tanatinà tafatafa [12] niarahana tamin'ny vohikala My Modern Met, niresaka mikasika ny zavakantony i Shamim:

Ny fahitako azy, tsara vintana aho afaka manidina, ary manam-bintana afaka mahita ny fototra nipoirako, ny tanànako, ny fiainana andrenivohitra avy aminà fomba fijery hafa… amin'ny faran'ny tontolo andro, dia maka sary ny tahirin'ny fifandraisako aho. Miverina mamakivaky ny fireneko, ny lasako, ny fahazazako.

On Heaven's Door. Pabna [13]

Eo am-bavahadin'ny Paradisa. Pabna. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Roa volana lasa izay, nandray anjara tamin'ny fampiratiana sary an'habakabaka voalohany indrindra notanterahiny samirery i Shamin Shorif Susom, izay nitondra ny anarana hoe ”Ny mason'ny Merla: Bangladesh & ny Ankoatra [14]” . Io no fampiratiana sary an'habakabaka voalohany indrindra tao Bangladesh.

Chilliland. Sirajganj [15]

Chililand (tanin'ny sakay). Sirajgang. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny ankamaroan'i Bangladesh dia mitoetra ao anatin'ilay vinanihefaka malalaka foronin'ny renirano Ganges sy Brahmaputra [16] ary tena fisaka, ambany haavo, ary iharan'ny tondradrano isan-taona. Ampahany lehibe amin'ny mponina no miaina eny amin'ireo tanàna akaikin'ny renirano. Ireo tany fisaka misy tanàna maro dia mifanapaka aminà renirano maro manana halava sy sakany samy hafa, izay ny ankamaroany dia miafara any amin'ny Helodranon'i Bengal ao atsimon'ny firenena. Afaka manisa renirano efa ho 700 ianao, anisan'izany ny koriandrano misampana izay mahaforona tambanjotran-drenirano manana mirefy 22.000 kilaometatra– iray amin'ireo lava indrindra eran-tany.

Raha mijery ny firenena avy any ambony ianao, ny renirano, ny lakandrano, ary ireo hetsika miseho an-drano dia tena fahitana miavaka. Voarakitra anatin'ny sarin'i Shamim Sharif Susom ihany koa ny fahasamihafan'ny fiainana anaty renirano io, izay matetika dia halainy avy amin'ny 500-1.000 tongotra avy eny amin'ny habakabaka (160 ka hatramin'ny 330 metatra).

Lotus. Keraniganj, Dhaka [17]

Lotus. Keranigami, Dhaka. Fampiasàna nahazoana alàlana.

The Family. Manikganj [18]

Ny Fianakaviana. Manikganj. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Final Masquerade. Dhaka [19]

Fihatsarambelatsihy farany. Dhaka. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Signature. Magura [20]

Sonia. Magura. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Louder Than Words. Manikganj [21]

Mafy Nòho ny Teny. Manikganj. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Once Upon A Time In Daulatdia. Rajbari [22]

Indray andro tany Daulatdia. Rajbari.  Fampiasàna nahazoana alàlana.

I Bangladesh dia firenena anjakan'ny fambolena. Efa ho 48 isanjaton'ny mponina no miantehatra amin'ny fambolena. [23] Amin'izao fotoana izao, ny anjara asa mazavan'ny Harinkarena Faobe amin'ity sehatra ity dia 19.1 isanjato. Naka sary mahatalanjona maneho ny fiainan'ny mpamboly ao Bangladesh ny fakantsarin'i Susom.

Canvas. Manikganj [24]

Lamba Fanaovana Sary Hosodoko. Manikganj. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Color of Chaos. Bogra [25]

Ny Lokon'ny korontana. Boora. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ary mbola misy sary tsara hafa maneho an'i Bangladesh ihany koa:

The Heaven Within. Kaptai Lake. Rangamati [26]

Ny Paradisa Anaty. Farihin'i Kaptai. Rangamati. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Terracotta. Chittagong [27]

Tany manga. Chittagong. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Tears of the Dragon. Khagrachari [28]

Ny Ranomason'ilay Dragona. Khagrachari. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Miisa 19 [29] ny fampirantiana nandraisan'i Shamim Shorif anjara amin'ny tontalimbeny, sady tao antanindrazana no tany ivelany. Te hahita sarin'i Bangladesh maro kokoa amin'ny alàlan'ny solomasony? Topazo maso ny vohikalany, [30] ny kaonty Flickr [31], ary ny pejy Facebook-ny [32]. Mitandrema! Mety hahita ny tenanao hamela ny zava-drehetra mba hitsidihana an'i Bangladesh ianao!

Ireo sary etsy ambony ireo dia nampiasa teo ambany fahazoan-dalana avy any amin'i Shamim Shorif Susom.