- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alefa Mivantana Amin'ny Media Nomerika Ao Meksika Ny Rio 2016, Fatiantoka Ho an'ny Fahitalavitra Misokatra

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Meksika, Fanatanjahantena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
Opening of the Olympic Village #Río2016. Photo by Flickr user CONADE. Used under CC 2.0 license.

Fanokafana ny Tanàna Olaimpika #Río2016. Sary avy amin'ny mpisera mpisera Flickr CONADE. [1] Nampiasaina ambanin'ny lisansa CC 2.0

Notokanana tamin'ny zoma 5 Aogositra 2016 tao amin'ny kianjan'i Maracanã ao Rio de Janeiro, Brezila ny Lalao Olaimpika XXXI. Tokony ho 11.239 ireo mpifaninana avy amin'ny firenena 206 mandray anjara amin'ity lalao ity, anisan'izany ireo mpikambana ao amin'ny Ekipa Mpitsoa-ponenana Olaimpika [2][mg].

Raha ny mahazatra, mifantoka amin'ireo atleta ny vaovao: Iza no handray anjara sy tsy handray anjara? Firy ny zava-bita tsara indrindra ho montsana? Iza no firenena handrombaka medaily be indrindra? Ato amin'ny Global Voices, ho fanampin'ireo fanontaniana ireo, manontany tena izahay hoe: Ahoana ny amin'ireo mpijery? Ahoana no fahitan'ny mpijery tsy nandeha nankany amin'ny lanonan'i Rio lanonana?

Image of Mexican sports fans shared on Flickr by the user James Willamor. Used under CC 2.0 license.

Sarin'ireo Meksikana mpankafy fanatanjahan-tena tao amin'ny  Flickr [3] nozarain'i James Willamor. Lisansa CC 2.0

Sambany tao Meksika, afaka hanaraka ny fifaninanana izay mahaliana azy ireo tsy voatery miantehitra amin'ny orinasa fahitalavitra malaza toy ny Televisa sy ny TV Azteca ny mpijery, satria manan-tsafidy izy ireo ankehitriny hijery ny lanonana mandeha maimaim-poana amin'ny aterineto, na amin'ny alalan'ny fantsona fahitalavitra nentim-paharazana (handoavam-bola). Izany dia noho ny iray amin'ireo mpandraharaha ara-barotra, Carlos Slim [4]ao Meksika, izay nahazo ny zo hampita (handefa) ny hetsika amin'ny sehatra smartfinday ho an'ny orinasany América Móvil, ary ny fandefasana mivantana amin'ny alalan'ny fantsony aterineto, Claro Sports. Nilaza tahaka izao [5]momba ny lohahevitra ny tranonkala Sopitas:

En 2013 la empresa de Carlos Slim obtuvo la licencia exclusiva del Comité Olímpico Internacional (COI) para la transmisión de las actividades en todas las plataformas de medios en América Latina…

 

Tamin'ny taona 2013, nahazo fahazoan-dalana manokana avy amin'ny Komity Olaimpika Iraisam-pirenena ny orinasan'i Carlos Slim mba hampita ny hetsika amin'ny Lalao amin'ny sehatra media rehetra ao Amerika Latina…

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra momba ny fiantraikan'izany amin'ny orinasan'ny fahitalavitra goavana ireo mpiserasera :

Andeha hiresaka lalao Olaimpika mba hanorisory fotsiny ny Televisa sy ny Fahitalavitra Azteca.

Mpisera Twitter Disque DJ nanao izao fanehoan-kevitra manaraka izao:

Tsy misy ny lalao Olaimpika ao amin'ny fantsona fahitalavitra roa lehibe!! adala ity Slim ity…

Mandritra izany fotoana izany, nanondro [8] ny dolara an-tapitrisany maro tafiditra amin'ny paikadin'i Slim ny Forbes:

Ninguna de las dos cadenas de televisión abierta más importante del país tendrán el evento deportivo más importante del mundo: los JO. Esto significa dinero. En términos financieros se traduce en que dejarán de ingresar, al menos, unos 45 mdd (847 millones de pesos) en ventas de publicidad, de acuerdo con datos de la consultora MX Sports y valoraciones de Sportcal.

Tsy misy amin'ireo fahitalavitra lehibe indrindra ao Meksika handefa ny hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra manerantany: ny Lalao Olympika. Midika fatiantoka goavana amin'ny fidiram-bola izany. Amin'ny resaka ara-bola, midika fatiantoka 45 tapitrisa dolara Amerikana (847 tapitrisa pesos,)  fara fahakeliny amin'ny dokambarotra izany, araka ny vaovao avy amin'ny fakan-kevitra meksikana momba ny Fanatanjahan-tena sy ny tombatombana avy amin'ny Sportcal.

Ity zava-baovao amin'ny fampitàna ny Lalao Olaimpika ity dia natao ho an'ny vahoaka Amerikana Latina rehetra, fa tsy i Meksika ihany, satria ahitana orinasan'Atoa Slim ao amin'ny firenena 16 ao Amerika Afovoany sy Atsimo. Tamin'ny antsafa amin'ny gazety Meksikana an'aterineto La Jornada [9], nilaza ny solontena iray hoe:

Con esta forma de transmitir un evento de relevancia mundial, por medio de smartphones, tablets y computadoras, estamos llevando la tecnología y las telecomunicaciones a un nivel superior. Nuestra apuesta es que los Juegos Olímpicos Río 2016 sean los más vistos en la historia. Lo que buscamos es expandir la forma en la que la gente pueda disfrutar de esta justa deportiva, dándoles el control a elegir lo que desean ver en la plataforma que quieran en el momento que quieran, desde donde sea que se encuentren…

Amin'ny fampanaovana ho fahitalavitra ny smartfinday, ny tablety ary ny solosaina ny hetsika mahaliana an'izao tontolo izao izahay mampiditra ny haitaom-pifandraisandavitra ho any amin'ny ambaratonga manaraka. Ny fanambinay dia ny hanaovana ny lalao olaimpikan'i Rio 2016 ho be mpijery indrindra eo amin'ny tantara. Mitady ny fomba hanitarana ny fahafahan'ny olona mankafy ity lanonana ara-panatanjahantena izahay, ahafahan'izy ireo misafidy izay tian-dry zareo hojerena eo amin'ny sehatra nosafidian'izy ireo amin'ny fotoana mety amin'izy ireo, na aiza na aiza misy azy ireo…

Amin'itony lalao olaimpika itony, dia mety ho very vahana ny mpandray anjara amin'ny fampitam-baovao mahazatra raha mizotra araka ny nantenaina ny sehatr’ [10]ilay mpanankarembe Carlos Slim. Ao Meksika manokana, vitsy no nisalasala rehefa niala tamin'ny famoaham-baovao goavana ilay mpandraharaha hafa, Jorge Vergara [11], ka namoaka sehatra iray, ChivasTV [12], natao manokana ho an'ny ekipany amin'ny baolina fandaka. Andro vitsy taorian'ny nanombohany, nisedra olana ara-teknika maromaro izy io, ka niteraka fahasorenana [13] tamin'ny mpijeriny. Ny zavamisy, efa nampiasa ny Twitter ny mpiserasera Nelson Ned Stark hiampangana ireo tsi-fetezan-javatra hitany ao amin'ny sehatr'i Slim :

Ry @ClaroSports [14] ô! tsy mitsahatra ny manao #ChivasTV [15] amiko ny fampitana avy aminareo nefa isika ity vao manomboka… Tsy ho afaka ny hahita na inona na inona aho raha mitohy izao.

Tsy hitsahatra ny hitsipalotra any amin'ny lalao olaimpika izahay, sy ny fomba anarahan'ny mpijery ny lanonana noho ny tsy fahafahan'ny fampitam-baovao mahazatra ao Meksika mivalampatra amin'ny fanaovana izany ka itadiavany fomba hafa ijerena izany ka lasa mampitombo ny isan'ny mpijery any amin'ny firenen-kafa ao amin'ny faritra.