Rehefa Miteny Ny Praiminisitra Hoe Tsy Misy Vola intsony, Aleon'ny Rosiana ihomehezana

There's no money, but if there were money, maybe it would look like this. Image by Kevin Rothrock.

Tsy misy vola intsony, fa raha nisy dia toy izao no mety ho endriny. Sarin'i Kevin Rothrock.

Ny faran'ny May, ny Praiminisitra Dmitri Medvedev— ny fanala fahatelo filohan'i Rosia— dia nahazo vava tsy hay hadinoina tamina vehivavy iray mponina tao Krimea, izay nanapaingotra azy mikasika ny fahakelezan'ny fisotroan-dronono raisina ao Rosia. Ny fihosenana amin'ireo vahoaka tsotra dia atahorana foana ho an'ireo mpanao politika, ary i Medvedev, izay ny tsy fisian'ny charme no tombony politika lehibe ananany, dia nitantana ny zava-nitranga tamin'ny fomba tsy ampy fitandremana efa mahazatra.

”Atao tsinontsinona izahay”, hoy ilay vehivavy tamin'ny Praiminisitra.”8.000 robla [109 euros] ? Tsy misy dikany izany! ” Namorona ny hatsikana anisan'ireo malaza indrindra tamin'ny taona, namaly i Medvedev: ”Tsy misy vola fotsiny tsotra izao. Hitady ny vola isika, ary avy eo hanitsy amin'ny laoniny ny fisotroan-dronono izahay. Atanjaho ny saina ! Mihazòna mafy ianareo ary kajio ny fahasalamana!”

Dmitri Medvedev tany amin'ny fihaonany tamin'ny vahoakan'i Krimea, tamin'ny 23 May 2016.

Olona maro liana no mifaninana ankehitriny mba hanoratana ireo singa tamin'izay nozarain'i Medvedev. Voatantara fa nisy Rosiana iray mpahay lalàna ao St. Pétersbourg nametraka tao amin'ny Sampandraharah Federaly Rosiana misahana ny Fizakàmanana Ara-tsaina, na antsoina kokoa hoe ”Rospatent,” fangatahana fiantsoana napetraka ho an'ilay filamatra ”Mihazòna mafy!” Ilay mpahay lalàna, lehilahy antsoina hoe Viktor Pasternak, dia nihevitra fa afaka mivarotra ireo zony amin'nireo orinasa anatin'ny sehatra ara-bola sy ara-tsakafo. (Ny orinasa ”Apex Group” dia toa nametraka fangatahana tsy miaraka amin'io ho fanoratana ny filamatra ”Tsy misy vola fotsiny tsotra izao. Mihazòna mafy”.)

Ny vazivazy mikasika ireo teny mampalahelo nataon'i Atoa. Medvedev tany Krimea dia matetika mpitranga tao Rosia tato anatin'ny herinandro maromaro. Ny 9 Jona, ny mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra Tele2 dia nandroaka ilay Rosiana mpanao dokambarotra tao aminy izay namokatra afisy mampiasa ny tenin'i Medvedev ho amin'ny fampahafantarana ny Tele2. Niantso ny olona manerana an'i Masko ilay teny faneva: ”Ry mpifaninana, mihazòna mafy ianareo! Atanjaho ny saina ary kajio ny fahasalamana !” (Nifototra tamina fikarohana ofisialy vao haingana izay nametraka fa ny aterineto atolotr'ilay mpandraharaha amin'ny finday no haingam-pikoriana indrindra eo amin'ny tanàna ilay fanentanana tamin'ny dokambarotra.)

Ny faran'ny May, nizara hatsikana teny amin'ireo kaontin'ny haino aman-jery sosialin'ny orinasa izay manala baraka ny tenin'i Medvedev ireo mpiasan'ny Alfa-Bank. (tsaho iray tety anaty aterineto avy eo no nilaza fa nosoloin'ny Alfa-Bank tamin'ny tenin'i Medvedev ireo soratra asehon'ny milina mpizara volany.)

Teny am-piandohan'ny herinandron'ny 6 Jona, ilay Rosiana mpanao hatsikana, Semion Slepakov, dia namoaka tao amin'ny YouTube hira manesoeso vita avy amin'ny teny notsongaina tamin'ireo tenin'i Medvedev. Toy ny kabary atolotry ny Praiminisitra ho an'ny vahoaka rosiana ilay hira. Ny andininy tsirairay dia mifarana amin'ny hoe ”Tsy misy vola fotsiny tsotra izao”.

Ity misy dikanteny (tsy miady rima) tamin'ilay tononkiran'i Slepakov :

Здравствуйте все российские люди, я ваш премьер.
Чтобы жили вы лучше, мы приняли ряд эффективных мер.
Круглосуточно, не смыкая глаз, мы работали,
занимались мы вашими нуждами и заботами.
И я рад сообщить вам итоги работы последних лет:
Результаты есть, просто денег нет…..

Хорошего вам настроения
Хорошего вам настроения
Хорошего вам настроения
Вы держитесь здесь, просто денег нет

Всё рассчитано, всё работает как часы у нас:
Продаётся лес, продаётся нефть, продаётся газ,
Заключаются сделки крупные с иностранцами,
И текут отовсюду большие потоки финансов к нам.
Такого подъёма страна не видела много лет,
Чем гордиться – есть, просто денег нет.

Хорошего вам настроения (держитесь там)
Хорошего вам настроения (просто денег нет)
Хорошего вам настроения Вы держитесь здесь, просто денег нет

В общем, такие у нас хорошие новости,
В отпуск уходим мы радостно, с чистой совестью,
В награду за то, что работали мы, не смыкая глаз,
Ждут роскошные яхты и самолёты нас.
Ждут Мальдивы, Монте-Карло, Лондон и Пхукет.
Мы бы взяли вас, просто денег нет.

Хорошего вам настроения (держитесь там)
Хорошего вам настроения (просто денег нет)
Хорошего вам настроения Вы держитесь здесь, просто денег нет

Miarahaba, ry vahoakan'i Rosia, izaho no Praiminisitrareo.
Mba hiainanareo tsara kokoa, dia naka fepetra mahomby maromaro izahay.
Andro aman-alina, tsy mikimpy maso, niasa izahay,
Nijery ny zavatra nilainareo sy ny olanareo izahay.
Faly aho hizara aminareo ny vokatry ny tombana natao tato anatin'ny taona vitsivitsy farany :

Indreo ny vokatra, tsy misy vola fotsiny tsotra izao.
Atanjaho ny saina!
Atanjaho ny saina!
Atanjaho ny saina!

Vita ny kaonty. Mandeha tahaka ny famantaranandro ny zava-drehetra eto amintsika.
Mivarotra hazo isika, mivarotra solika, mivarotra entona.
Manao fifanarahana lehibe amin'ireo vahiny isika.
Na aiza na aiza dia mihazakazaha mankaty amintsika ireo fampiasam-bola lehibe.
Maro izay taona nandeha izay fa tsy nahitana fitomboana toy izany ny firenena :
Misy ny tokony hireharehàna, tsy misy vola fotsiny tsotra izao.

Atanjaho ny saina ! (Mihazòna mafy)
Atanjaho ny saina! (tsy misy vola fotsiny tsotra izao.)
Atanjaho ny saina!
Mihazòna mafy! tsy misy vola fotsiny tsotra izao.
Raha natao ny tombany, tsara ny vaovao.
Mandeha miala sasatra an-kafaliana isika, milamin-tsaina.

Nahazo fankasitrahana noho ny fiasàna tsy nikimpy maso.
Miandry antsika ireo sambo sy fiaramanidina.
Antsika ireo Maldiva, Monte-Carlo, Londona sy Phuket.
Mba tianay ny hitondra anareo, tsy misy vola fotsiny tsotra izao.

Atanjaho ny saina ! (Mihazòna mafy)
Atanjaho ny saina! (tsy misy vola fotsiny tsotra izao.)
Atanjaho ny saina!
Mihazòna mafy! tsy misy vola fotsiny tsotra izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.