Na Eo Aza Ny Fahasimbàna Vokatry ny Tondra-drano, Mbola Mandany An-tapitrisany Amin'ny Kodiarana Lehibe Ihany Ny Governemanta Makedoniana

The Skopje 2014 Panoramic Wheel construction site dams the Vardar river and fills it with debris, increasing the risk of further flooding. Photo by F. Stojanovski, CC-BY.

Ilay toerana fanamboarana ny Kodiarana ahatazanana ny manodidina an'i Skopje, tamin'ny taona 2014, mameno ny reniranon'i Vardar amin'ireo poti-javatra, mampitombo ny mety hisian'ny tondradrano bebe kokoa. Sary avy amin'i F. Stojanovski, CC-BY.

Tezitra mafy ireo Makedoniana amin'ny fangatahan'ny governemantany fanolorana famonjena amin'ilay tondradrano, kanefa izy mandany an-tapitrisany amin'ny volan'ireo mpandoa hetra  ho aminà kodiarana lehibe iray, ary tsy mamadika ireo vola sy fitaovana ampiasaina amin'io fanamboarana feno tsikera io ho amin'ny famonjena ny tondradrano akory.

Farafahakeliny 21 ny olona maty, ary am-polony no tsy hita sy naratra, tamin'ilay tondradrano izay nikapoka an'i Skopje renivohitr'i Makedonia , taorian'ireo orambe nivatravatra ny 5 Aogositra. Nahatratra hatramin'ny 1,5 metatra (4 ft 11 in) ny haavon'ny rano tamin'ireo toerana sasany, satria tsy naharaka na tsy misy mihitsy aza ireo rafitra famoahan-drano.

Raha an-dàlana ireo ezaka famonjena, nangataka tolo-tànana fanampiana avy amin'ireo olompireneny ny governemanta, ary nanomboka nanaiky fiantrana avy amin'ireo firenena mifanila vodirindrina aminy ihany koa. Tao anatin'ny efatra andro, nanolotra 427.708 euros ireo olompirenena tsotra amin'ny fanolorana mivantana ny vola amin'ny fikambanana mikarakara ny vonjy taitra, Vokovoko Mena na amin'ny alàlan'ny  ‘hotline’ an'ny governemanta.

Kanefa, maro ireo tezitra hoe mbola manohy mandany vola amin'ilay tetikasa mampihebohebo azy, Skopje-n'ny taona 2014 ihany ny governemanta, izay mikendry ny hanome endrika  “tsangambato sy mahafinaritra” kokoa ny renivohitra, izay manindrahindra ny lova goavan'i Makedonia amin'ny alalan'ny fanamboarana sy fanavaozana ireo tranombakoka, tetezana, tsangambato sy tranoben'ny governemanta.

Ireo olon-tsotra no tena tezitra mafy indrindra hoe mbola nitohy ny Alatsinainy 8 Aog, andro nolazaina ho fisaonana, ny fanamboarana ilay Kodiarana Lehibe Ahatazanana ny Manodidina an'i Skopje renivohitra . Andoavan'ireo mpandoa hetra vola mahatalanjona mitentina 18.939.723 euros (maherin'ny 21,2 tapitrisa dolara Amerikana) ilay Kodiarana Lehibe.

Nanangona 17. 000 dolara ireo zanaka am-pielezana. Mandany in-1117 mihoatra isika amin'io kodiarana lehibe io.

Nandefa fanampiana na i Serbia, Bolgaria, Albania, na Torika koa aza, raha ny governemanta kosa mbola manangana ireo tsangambato sy kodiarana lehibe ihany. Tsy azoko mihitsy io…

Nanipika ihany koa ireo olontsotra fa tokony ampiasana amin'ireo toerana nisy tondradrano , ahitàna ireo vohitra sy tanàna manontolo izay tondraky ny fotaka ny làlana sy trano, ny fitaovana sy ireo mpiasa nampidirin'ny governemanta hiasa amin'ny Skopje 2014.

Noresahan'ny mpampiasa Twitter @SeirDotMk ny momba ny  “mantra” -n'ireo mpomba ny governemanta hoe ” mba manamboatra zavatra aza izy ireo farafaharatsiny”, raha naneho hevitra momba io olana io:

Tsy sary nalaina tany amin'ireo toerana tondraky ny rano ity fitaovana fandravahana ity. Mandavaka amin'ny toerana fanamboarana ilay kodiarana lehibe vaovao ahatazaana ny manodidina io fitaovana io. Mba manamboatra zavatra aza izy ireo farafaharatsiny.

Namaly toy izao ny Filohan'i Makedonia, Gjorge Ivanov, rehefa nanontaniana raha mety hamadika ny vola natokana ho an'ilay Kodiarana Lehibe ho an'ireo tràboina sy hanamboarana rafitra fiarovana amin'ny tondradrano:

Тоа е одлука на Влада, прашањето ќе го упатите до влада. Јас како врховен командант, се што е во моја надлежност досега го преземав и во иднина ќе го преземаме она што е во функција на надлежност на институцијата претседател

“An'ny governemanta no maka izany fanapahankevitra izany, tokony ny governemanta no anontanianareo. Hatreto aho, amin'ny mahalehiben'ny fitantanana ahy, efa nanao ny zavatra rehetra eo ambany fifehezako ary mbola hanohy ireo rehetra afaka ataoko amin'ny maha filoha ahy. “

Ary avy eo izy nampahafantatra ny vahoaka fa nanome didy ny hampiasàna miaramila miisa 400 hisahana ny famonjena amin'ny tondradrano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.