Moskea, Tempoly, Pagôda, ary Katediraly Fanta-Daza Indrindra Ao Azia Atsimo Atsinanana

Malaza ho toerana falehan'ny olona an-tany mafana i Azia Atsimo Atsinanana tahaka an'i Phuket sy i Bali sy ny tanàna maoderina tahaka an'i Singapaoro sy Kuala Lumpur, saingy fantatra amin'ny hatsaran'ny maritrano sy ny dikany ara-kolontsaina manerantany ihany koa ireo toerana manan-daza ara-pivavahana. Andao isika hijery ny sasantsasany amin'ireo rafi-trano mijoalajoala ireo.

Pagôdan'i Shwedagon. Yangon, Myanmar

Shwedagon Pagoda. Photo by Michel Meynsbrughen. Flickr. CC License

Pagôdan'i Shwedagon. Saripikan'i Michel Meynsbrughen. Flickr. Lisansa CC

Pagôdan'i Shwedagon no toeram-pivavahana masina indrindra ho an'ny Bodista ao Myanmar. Tamin'ny taonjato faha-18 no nahatratra ny haavony ankehitriny ny rafi-tranony. Ankehitriny izy no sariohatry ny rehareham-pirenena ao an-drenivohi-pirenena taloha ao Yangon. Bodista ny ankamaroan'ny mponina ao Myanmar.

Tempoly Kuthodaw. Mandalay, Myanmar

Kuthodaw Temple. Photo by dany13. Flickr. CC License

Tempoly Kuthodaw. Saripikan'i dany13. Flickr. Lisansa CC

Ny dikan'ny anaran'ny tempolin'ny taonjato faha-19 dia hoe Fahamendreham-Panjakana, izay milaza ny fahamendrehan'ny Mpanjaka Mindon tamin'ny nanomezana vatosolaitra miisa 729 iraiketan'ny Tipitaka (lahatsoratra kanonika bodista). Ankehitriny izy fantatra kokoa amin'ny hoe ‘Ny Boky Lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao’. Ny tempoly dia miorina ao Mandalay, renivohitra natsangan'ny tarana-panjaka farany indrindra tao Myanmar.

Bazilika Taal. Batangas, Filipina

Taal Basilica. Photo by Storm Crypt. Flickr. CC License

Bazilika Taal. Saripika avy amin'i Storm Crypt. Flickr. Lisansa CC

Ny Bazilika kelin'i Md Martin tao Tours izay fantatra kokoa ho Bazilika Taal no heverina ho Fiangonana Katolika lehibe indrindra ao Filipina sy Azia. Ny iorenany dia ao Batangas, faritany iray miorina ao atsimon'ny renivohitra Manila. Ankilan'i ao Timor-Leste, dia i Filipina no hany firenena maro Katolika ao Azia.

Fiangonana Paoay. Ilocos Norte, Filipina

Paoay Church. Photo by Ilocos Norte. Flickr. CC License

Fiangonana Paoay. Saripikan'i Ilocos Norte. Flickr. Lisansa CC

Ny Fiangonana Paoay dia nambaran'ny governemantan'i Filipina ho Haren-Kolontsaim-Pirenena tamin'ny taona 1973 ary ho Harem-Bakoka Manera-tanin'ny UNESCO tamin'ny taona 1993. Ity fiangonana amin'ny endrika barôka ity dia miorina ao amin'ny faritany avaratra ao Ilocos Norte.

Moskea Jame’ Asr Hassanil Bolkiah. Brunei

Jame' Asr Hassanil Bolkiah Mosque. Photo by MyBukit. Flickr. CC License

Moskea Jame’ Asr Hassanil Bolkiah. Saripikan'i MyBukit. Flickr. Lisansa CC

Miorina ao amin'ny renivohitra Bandar Seri Begawan, izy io no moskea lehibe indrindra ao Brunei. Manana tafo boribory lokom-bolamena miisa 29 io moskea io.

Moskea Istiqlal. Indonezia

Istiqlal Mosque. Photo by HKmPUA. Flickr. CC License

Moskea Istiqlal. Saripikan'i HKmPUA. Flickr. Lisansa CC

Nisokatra tamin'ny taona 1978 ity moskea lehibe indrindra ao Azia Atsimo Atsinanana miorina ao Jakarta ity. Afaka mandray mpivavaka mihoatra ny iray hetsy ny moskea. Istiqlal dia midika hoe fahaleovantena amin'ny teny arabo. Indonezia no firenena be mponina indrindra eto ambonin'ny tany ka miozolomana ny ankamaroan'ny mponina.

Masjid Negara. Malayzia

Masjid Negara no moske nasionalin'i Malayzia. Io no moskea tokana tsy manasongadina dome ny tafo boribory eo aminy. Jereo ny lahatsary eto ambony hahafantaranao bebe kokoa momba ity trano malazan'i Malayzia ity.

Wat Arun. Bangkok, Thailandy

Wat Arun. Photo by Trey Ratcliff. Flickr. CC License

Wat Arun. Saripikan'i Trey Ratcliff. Flickr. Lisansa CC

Wat Arun na Tempolin'ny Fiposahan'ny Masoandro no iray amin'ireo irohotan'ny vahiny indrindra ao Bangkok, renivohitr'i Thailandy. Ity tempoly bodista ity dia miorina andrefan'ny moron-dreniranon'i Chao Phraya. Bodista ny ankamaroan'ny mponina ao Thailandy.

Angkor Wat. Cambodza

Angkor Wat. Photo by Juan Antonio F. Segal. Flickr. CC License

Angkor Wat. Saripikan'i Juan Antonio F. Segal. Flickr. Lisansa CC

Angkor Wat no tempoly malaza indrindra amin'ireo fanorenana ara-pivavahana ao Angkor. Ity ihany koa no toeram-pivavahana lehibe indrindra eto ambonin'ny tany. Angkor no renivohitry ny Ampira Khmer.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.