- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry ny Mpiserasera: Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Madiorano Ny Pokémon GO Any Shina Sy Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Shina, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
Pokemon decal on a train in Japan. Screencapture from YouTube video by 週に一度は撮り鉄を。 (Japanese trains!), labeled for reuse. [1]

Kisarisary Pokemon miraikitra amin'ny fiaran-dalamby iray ao Japan. Dikasary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'i 週に一度は撮り鉄を。 (Fiarandalamby Japoney!), natao ho azo ampiasaina.

Manome tatitra iraisam-pirenena ahitana ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo an'aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitr'Olona Mpiserasera Global Voices.

Niresaka ny sasantsasany amin'ireo ahiana hitera-doza amin'ilay lalao mifototra amin'ny zavamisy eo an-toerana nampiana kely antsoina hoe Pokemon GO ny sehatra fampitam-baovao, anatin'izany ny mety ahatratra ny mpilalao ao anatin'ny lozam-pifamoivozana [2], fianjerana any an-dranomasina [3], na fampitandremana tafahoatra ataon'ny polisy [4]. Na dia ilay lalao manokana fotsiny aza dia efa manana ny mampiavaka azy manokana mety hampidi-doza any amin'ny faritra sasany eto amin'izao tontolo izao izay mbola tsy ofisialy ny fahafahana mitroka azy.

Mampiasa Google Maps ny lalao ametrahany ireo “haza” (na mpandray anjara ao amin'ny) Pokemon ao amin'ny tontolo jeografika manodidina anao. Rehefa mandehandeha ianao dia mampiasa GPS ny smartfindainao izohiany anao amin'izay misy anao eto amin'izao tontolo izao, dia ho fantany rehefa manatona ireo “haza” ianao. Afaka misambotra haza eo amin'ny efijerin'ny finday ianao avy eo, manazatra azy, ary avy eo mampiditra azy amin'ny sehatr'adin'ny “zavamisy nampiana” maha pokemon Go ny pokemon Go.

Ohatra, tsy mora ny misambotra Pokémon any Shina. Araka ny fanazavan'i Oiwan Lam ato amin'ny Global Voices [5] ny herinandro lasa teo, tsy mbola misy ao amin'ny App Store ao Shina, izay be sivana, ity lalao ity ara-teknika, ka tsy maintsy mihanika ny Rindrin'Afo Goavana [rindrina manakana ny taratra tandrefana tsy hiditra ao Shina] ny Shinoa mpilalao raha te-hahazo ny lalao. Mamitaka amin'ny toerana misy azy mihitsy ny sasany [6] [mg], manenika ny lohamilina Japoney sy mameno ny toeram-panatajahantena ao amin'ny Fitoerana Masin'i Yasukuni [7], toerana natao ho fahatsiarovana ireo matin'ny ady lehibe faharoa tao Japana. Ho setrin'izany dia nandrara ny lalao ireo toeram-pivavahana hafa any Japana toy ny Toerana Masina Izumo [8].

Ao Iran [9], tsy misokatra ara-teknika ao koa ny fitrohana ny lalao Pokemon GO. Fa mampiasa VPN (tambajotra virtoaly manokana) ny mpilalao hitrohana ny lalao, saingy vitsy ny “haza” mety hifanena aminao eny amin'ny tanàna lehibe tahaka an'i Tehran.

Nanome fampitandremana mafy ny mpilalao manatona na maka sary ny lapan'ny governemanta ireo minisitry ny governemanta [10] tany Egypta, Koety ary Emirà Arabo Mitambatra, indrindra fa izay manandanja amin'ny fiarovana ny fanjakana. Nanao fanambarana ny sekretera lefitry ny minisiteran'ny atitany, Atoa Suleiman al-Fahd, fa “tsy misy fandeferana amin'izay rehetra manatonkatona ireo toerana tsy azo idirana, na niniana izany na tsia.”

Ao amin'ny Global Voices podcast [11] [mg] koa mbola misy vaovao momba Pokémon GO maneran-tany.

Manakiana ny WikiLeaks ny Tiorka tamin'ny famoahana ny lahatahirin'olon-tsotra 

Raha mitohy ny fihenjanana nanaraka ny fikasana hanongam-panjakana tao Torkia, dia nampiroboroboin'ny WikiLeaks [12] ireo dosie miisa 300.000 izay lazainy ho “mailaka avy amin'ny antokon'ny fitondrana ao Torkia.” Saingy dosie ahitana mombamomba ireo vehivavy mpifidy any amin'ny faritany Tiorka 79 sy fampahafantarana saropady momba ireo mpikambana an-tapitrisany ao amin'ny antokon'ny fitondrana AKP izany, anisan'izany ireo mpanara-maso ny fifidianana. Novalian'ny governemanta Tiorka tamin'ny alalan'ny fanakanana ny Wikileaks [13] [mg] any Torkia izany, raha tsikaritry ny mpiserasera Tiorka haingana kosa fa tsy dia mahaliana ny zavatra niporitsaka tao.

Tao amin'ny sombin-dahatsoratra iray ho an'ny Huffington Post [12], niresaka momba ilay votoaty tafavoaka ny mpampianatra ambony Tiorka Zeynep Tufekci:

I’ve long been critical of the AKP’s censorship practices in Turkey and will continue to speak out. But there is not a single good reason to put so many men and women in such danger of identity theft, harassment and worse – especially after the country was rocked by a bloody coup targeting this political party.

Efa mpitsikera ny fombam-panivanana ataon'ny AKP ao Torkia aho ary mbola hanohy amin'ny fitenenako hatrany. Saingy tsy misy antony tsara na dia tokana aza ametrahana lehilahy sy vehivavy maro ho mety idiran-doza noho fangalarana mari-panondroana, fanohintohinana ary ny ratsy indrindra – vao nisy fanonganam-panjakana nahafatesana olona nanao ho lasibatra ity antoko politika ity.

Nametraka lalana vaovao henjana kokoa momba ny VPN i Emirà Arabo Mitambatra

Hanenjana kokoa amin'ny lalàna efa misy momba ny Tambajotra virtoaly manokana (VPN) ny governemanta federalin'i Emirà Arabo Mitambatra ary hatao toy izany koa ny fitaovana fihodinana amin'ny sivana ka ny fanenjanana ny lalàna dia mametraka ho jiolahy izay rehetra [14] “mampiasa tambajotra adiresin'arofenitra (adiresy IP) solosaina efa misy hosoka amin'ny alalan'ny fampiasana adiresy diso na adiresy IP an'olonkafa ary manao izany hanaovana heloka bevava na manao izay tsy hahitana ilay fanaovana heloka bevava.” Maro ireo VPN no manao izay mahasarotra, raha tsy hoe tsy misy hevitra mihitsy, ny fanaraha-maso ny zotra sy izay ataon'ny mpisera. Koa ahoana moa no hahalalàn'ny manampahefana fa hanaovana heloka bevava no antony ampiasain'ny olona VPN

Iavonan'ny vazimba teratany Meksikana ny orinasa goavana, mandefa ny orinasan-tseraserany manokana ry zareo

Sambany teo amin'ny tantaran'i Meksika, namoaka lisansa [15] [mg] ho ampiasain'ny indizeny eo amin'ny sehatra ara-piarahamonina ny Ivontoerana Federaly Momba ny Fifandraisandavitra. Ny Tambajotram-pifandraisandavitry ny Fokonolona Indizeny dia hotantanina sy natao ho an'ny fokonolona indizeny any amin'ny kaominina 356 any amin'ny fanjakan'i Chiapas, Guerrero, Oaxaca, Puebla, ary Veracruz.

Mpiaro ny tontolo iainana ao Makedonia tratran'ny fahafaham-baraka amin'ny solokin-tseramailaka

Ahiahian'ny vondrona mpikatroka Makedoniana ny manampahefana ao an-toerana ho mampiasa seramailaka maro hisolokiana vondrona mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana iray [16] eo am-piezahana hanakana ireo tetikasam-pampandrosoana ataon'ny governemanta. Efa manana ny tantarany ny antoko mpitondra Makedoniana VMRO-DPMNE amin'ny fikarakarana hetsika manohitra izay hetsika miseho sy kaonty hosoka mba hanalana baraka vondrona mpikatroka sy fampitam-baovaon'olontsotra.

Mbola ao anaty afo fandiovana ny WhatsApp

Rehefa tsy nahatontosa ny didy navoakan'ny fitsarana amin'ny tsy maintsy anomezana azy votoatin-kafatra WhatsApp amin'ny raharaham-pamotopotorana ady heloka bevava iray ao Brezila ny Facebook, dia nogiazan'ny Fampanoavana Federalin'i Amazona ny vola 38 tapitrisa reais [17] – 11,7 tapitrisa dolara amerikana – ao amin'ny tahirimbolan'ny kaontin'ny Facebook ao amin'ny Banky iray ao an-toerana, izany dia ny totalin'ny onitra isan'andro [18] nodidian'ny mpitsara iray noho ny tsy nanomezana ny lahatahiry. Raha mbola tsy mety mifanaraka ny roa tonta, dia mety ho voasakana [19]ao Brezila indray ny tolotra.

Fikarohana vaovao [teny anglisy]

Fandriho amin'ny alalan'ny seramailaka ny Netizen Report [tatitry ny mpiserasera] [24]

 

Nandray anjara tamin'ny fanaovana ity tatitra ity i Ellery Roberts Biddle [25] sy i Sarah Myers West [26].