- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamadika Ny Ligin'ny Tanora Kaominista Natanjaka Fahiny Ho Fitaovana Fampielezan-kevitra Amin'ny Aterineto i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Image from independent online news outlet iYouPort. [1]

Sary avy tamin'ny mediam-baovao tsy miankina ao amin'ny Aterineto iYouPort. Tsy natao hamidy

Miezaka mafy ny Antoko Kaoministan'i Shina eo amin'ny fitondràna ny hametraka sy hanisy fanovàna ilay Ligin'ny Tanora Kaominista nisy fotoana natanjaka be tao anatiny. Nanesorana 50% ny tetibola isan-taonan'ilay fikambanana tanora, tany amin'ny RMB 624 tapitrisa yuan (94 tapitrisa dolara Amerikana) ka lasa RMB 306 tapitrisa yuan (46 tapitrisa dolara Amerikana).

Ilay drafitry ny fanovàna [2], nasehon'ny Antoko Kaoministan'i Shina (CPC) ny 2 Aogositra, dia mifototra amin'ny tetikady miompana kokoa amin'ny Aterineto, mba hamadihana ilay fikambanana ambony latabatra ho hetsika fampielezan-kevitra ao amin'ny Aterineto, izay “hanamafy ny finoan'ireo tanora ny CPC ary haka hery avy ao amin'ny anton'ny fanatanoràna ny firenena.”

Hatramin'ny ny taona 1980, natao zanatohana nanosehana ny lohandohany ara-politikan'i Shina ny Ligin'ny Tanora Kaominista. Feno ireo mbola mpikambana na nikambana teo aloha avy ao amin'ny ligy matetika ireo toerana fototra ao amin'ny governemanta ao amin'ireo ambaratonga ivony na faritany, fantatra amin'ny hoe tuanpai na ny “rantsan'ny ligy”.

Teo ambany fitondran'ny Filoha Xi Jinping, nitombo ny fanaovana an-kilabao ny tuanpai. Filohandohan'ny Tuanpai i Hu Jintao, ilay nodimbiasin'ny Filoha Xi, sy ny lehiben'ny ekipany teo aloha, Ling Jihua [3]. Tratra tamin'ny raharaha nahafa-baràka taminà kolikoly i Jihua, ary, vao haingana, nampidirina am-ponja mandra-pahafatiny. Nampitombo ny fanadihadiana ny tuanpai sy ny Ligin'ny Tanora Kaominista (CYL) ny fahalavoan'i Ling Jihua.

Natao ilay fanovaozana taorian'ny fanadihadiana kolikoly mivaingana nataon'ny Kaomisiona Ifoton'ny CPC ho an'ny Fizahàna ny Fitondrantena ao anivon'ny ligy ary namoahany fanambaràna iray ny voalohandohan'ity taona ity. Mitsikera ny ligy noho ireo fomba fiasany ratsy io, tafiditra amin'izany ny “fanaovana zavatra ara-taratasy, fiasàna an-databatra fotsiny tsy misy ilàna azy, aristokrasia [na kiantranoantrano] ary fiompanana amin'ny fialamboly”.

Manana mpikambana manodidina ny 89 tapitrisa eo [4]ny Ligy, izay eo anelanelan'ny efatra ambinifolo taona sy valo ambiroapolo taona. Mpianatra ny antsasan'ireo mpikambana. Matetika, manomboka ny hoaviny arak'asa any amin'ny fianarana ambony, amin'ny maha mpitantana ny Ligin'ny Tanora Kaominista azy, ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Kaoministan'i Shina (CPC). Ireo mpianatra izay manana fianakaviana mpikambana ao amin'ny antoko na ao amin'ny governemanta dia mora voaray kokoa ho mpikambana ao anatin'ny kaomity na ao amin'ny toerana tsara ao amin'ny ligy, na mbola tanora dia tanora aza. Mahatonga azy ireo ho tsara vintana kokoa hahazo vatsim-pianarana sy famporisihana arak'asa avy amin'ny ligy izany toerana izany.

Tsy hoe nitranga tampotampoka teo akory io fanovàna ny CYL amin'ny fiseraseràna an-databatra ho fikambanana mpanao fampielezan-kevitra amin'ny aterineto io. Ny taona 2015, nisy mailaka niporitsaka namboraka fa manandrana mitady ny 20% amin'ireo mpikambana aminy ho ao anatin'ny ‘tanora mpirotsaka an-tsitrapon'ny sivilizasiôna ao amin'ny Aterineto [5] ilay Ligy, mba hanaparitahana angovo tsara ary “hanadiovana” ny Aterineto. Amin'ilay drafi-panovàna, hanohy hanamafy ny “injenierian'ny Aterineto” ny Ligy, ary hamadika ilay fikambanana ho “CYL-n'ny Aterineto miabo “. Teny malaza any Shina ara-politika tato ho aty ilay teny hoe “Aterineto miabo”.

Mifangaroaro be ihany ny fihetsika niseho taorian'ilay fanovàna. Ny sasany mahita ilay fanovàna ho ezaka entina hanaovana an-kilabao ny Ligy, fa ireo sasany kosa mahita io ho fahafahana ho an'ny ligy hanitatra ny fahefàny amin'ny hafa. Namoaka [6] fanehoankevitra vitsivitsy avy tamin'ny Weibo, sehatra ao Shina mitovy amin'ny Twitter, ny China Digital Times. Mieritreritra ireo mpaneho hevitra fa fotoana hitsaharan'ilay antoko silaky ny ligy, na “mavokely”, teny enina milaza ireo mpikambana na mpanohana ny ligy:

原来是要增加临时工减少正式工,有些人的饭碗保不住了,怪不得最近上串下跳闹得不亦乐乎

给大家画个重点:人事缩编、体系内直升通道取消、不再是后备干部团体、沦为群众组织(小粉红明白了吗)

先是中央巡视组批评团中央贵族化娱乐化,然后是削减经费,现在又要求精简机构,但居然还有人抓住一个“网”字,就觉得中央在力挺团中央……

解散最好!共青团和他粉丝小粉红现在越来越像邪教、邪教徒,每天喊打喊杀,到处扣帽子写大字报,太可怕了,还好生活中身边没这种恶心人,有多远躲多远!

现在小粉红知道为啥前段时间没有媒体挺团,还扯啥资本控制媒体,其实是你爹不要你了。

Ny hanenana ireo mpiasa raikitra ary hampitomboana ireo mpiasa an-tselika, no tanjona. Ho very ny anjara varin'ireo olona sasany. Izany no hitsambikimbikinan'ny olona sasany ambony ambany tato anatin'ny andro maromaro izay.

Ny fanenana ny isan'ny rafitry ny mpiasa no fanalahidy, nofoanana ny làlana fanondrotana mivantana ary tsy ho an'ny klioba voatokana ho an'ireo olona manana toerana ambony ao amin'ny ligy foana intsony ny ho mpikambana ao. Nahidina ho “fikambanan'olona maro” tsotra fotsiny io. (Azonao ve, ny mavokely?)

Voalohany, naokianin'ny tarika Kaomity Ifotony mpanao fitsirihana ny kaomity foiben'ny Ligy, noho ny fitazonan'ireo mahery samirery ny fitondràna ary ny fiompanany manokana amin'ny fialamboly. Narahin'ny fanapahana ny tetibola ary ankehitriny ny fampidinana ny satan'ny fikambanana. Kanefa ny sasany mahita ilay teny hoe “Aterineto miabo” ho fihestika fanohanana…

Ny fanafoanana tanteraka ny fikambanana no tena fanavaozana tsara indrindra! Toy ny fombafombam-pivavahana ny CYL sy ireo mavokeliny. Manao fandemen-tsaina manodidina fotsiny io ary mametaka marika. Mafy loatra izy ireo ary faly aho fa tsy nohodidinin'ny karazan'olona toy ireny. Tokony hiala lavitra azy ireny ny tsirairay.

Fantatr'ireo mavokely ireo ihany nony farany hoe ny anton'ny tsy nitanilàn'ireo media eo an-toerana tany amin'ny lafin'izy ireo. Mino izy ireo hoe voaara-mason'ireo kapitalista ny media ao an-toerana, ny zava-misy dia nitsoahan'ny rainy [ny Antoko] izy ireo.

Fa misisika milaza ihany kosa ireo mpankafy ny CYL fa mbola tohanan'ny Kaomity Foiben'ny Antoko:

大力发展网上共青团,吸纳更多的有志青年加入共青团。这不是中央在压共青团,这是在抬啊

改革方案中提及的“大力实施‘网上共青团’工程”,是中央将加大支持共青团、对其委以重任的信号。

Mba hanamafisana ny fampandrosoana ny CYL ety anaty tontolo virtoaly, ary handraisana tanora bebe kokoa ho ao amin'ny CYL, fihetsika fanohanana io fa tsy famoretana.

Milaza ny fametrahana ny CYL-n'ny Aterineto miabo, ilay soso-kevitra fanovàna. Marika mampiseho io fa nanom'ny Komity Foibe andraikitra manan-danja ny CYL ary tohanany ny asan'izy ireo.

Inona marina tokoa moa ilay hoe “CYL-n'ny Aterineto miabo”? Nanoratra fanehoankevitra [1] tao amin'ny iYouPort, mediam-baovao tsy miankina ao amin'ny Aterineto, i Bai Xin, mikasika ny tetikady nomerika ho an'ilay fikambanana hoavy an'ireo mpirotsaka an-tsitrapon'ny sivilizasiôna an'ny ligy:

2016年7月13日团中央联合发改委和央行发布的《青年信用体系建设规划(2016-2020)》,算是《方案》的先期文件,要求将两千万青年纳入志愿者体系,并且纳入信用体系,根据志愿工作(如参加小粉红的网络攻击或线下集合)评定、增减青年的信用积分,并与创业优惠、乃至机票优惠等奖惩挂钩。

Nampitondraina ny lohateny hoe “Ny Fanamboarana ny Rafitra Tanora Mahatoky ny taona 2016-2020″ ilay antontan-taratasy, navoakan'ireto niaraka : ny Kaomity Foiben'ny CYL, ny Kaomity Nasionalin'ny Fampandrosoana sy Fanavaozana ary ny Banky Foibe,nmametraka voalohany ny sehatra iasan'ilay tetikasa fanavaozana ankehitriny. Maminavina ny hampiditra tanora miisa 20 tapitrisa ho ao anatin'ilay rafitra firotsahana an-tsitrapo izy io, izay tafiditra amin'ny rafitra mahatoky – ho jerena amin'ny asa ataony an-tsitrapo ny fahatokisana (toy ny fandraisany anjara amin'ny fanafihana amin'ny Aterineto na ny fanatrehany fifamoriana ivelan'ny aterineto). Homena valisoa toy ny “bonus” ilay fahatokisana, toy ny fahafahana mahazo fanampiana ara-bola amin'ny fananganana orinasa kely, fihenambidy amin'ny saram-piaramanidina.

Nainavina lavidavitra kokoa ny mety hitranga anefa ny mpanoratra fa mety hampitombo ny endrika fisarihana olona hankamany ny filohan'ny antoko, Xi Jinping, io fanovàna ny ligy hiala amin'ny maha-fikambanana an-databatra azy ka ho lasa fikambanana mpampiely hevitra amin'ny Aterineto io, izay valiana soa amin'ny alalan'ny rafitra fahatokisana:

在未来的中国政治舞台上,一个更效忠习个人、更活跃、也更具政治进攻性的青年运动组织俨然形成,也就是一个建制化的“小粉红”军团。

Amin'ny ambaratonga ara-politika hoavy an'i Shina, hiditra an-tsehatra ny fikambanana tanora mbola mahery fihetsika kokoa, ho tafika napetraka ho andrim-panjakana ahitàna ireo mavokely io, izay hilaza tsy fivadihana amin'i Xi ihany.