Ry Mpikatroka Malala Ao Hong Kong, Mba Atsaharo Azafady Ny Filazana Amin'ny Rehetra Hoe Azo Antoka Ny “Telegram”

HKJuly1PhotoRemixed

Nosoratan'i Jason Li sy Lokman Tsui. Navoaka tao amin'ny inmediahk.net ny 4 Aogositra 2016 ny dika voalohan'ity lahatsoratra ity, izay nosoratana tamin'ny teny Shinoa. Navoaka tao amin'ny Global Voices ambany fifanarahana fifampizaràna votoaty ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy.

Tamin'ny diabe fanao isantaona ny 1 Jolay an'i Hong Kong, nanao ezaka lehibe niresahana ny Telegram, fitaovana fampiasa amin'ny finday hifampiresahana, ireo mpitarika hetsi-panoherana, saingy noho ireo antony ratsy rehetra. Natao isantaona ilay fifamoriana, hatramin'ny namerenan'i Royaume-Unis ny fahefana amin'ny Hong Kong hiverina amin'i Shina, ny taona 1997.

Raha nandeha nanerana ny Nosy Hong Kong izahay, nihiaka izao ireo feo tamin'ny fanamafisam-peo, “ampidiro ny Telegram, azo antoka noho ny WhatsApp io!”

Misy vondrona mikolokolo olompirenena, Citizen Data, mamporisika ireo mpanao hetsi-panoherana hitroka ny “Telegram” ary handefa ny tolotra ahafahana mahita ny toerana misy anao, amin'izay isika afaka “manaraka” ny hetsika.

Arakaraky ny nandalovanay ireo tranohevan'ireo vondrona ara-politika sy fiarahamonim-pirenena isan-karazany teny an-dàlana, nilaza taminay mba hinamana amin'ireo “robots” an'ny Telegram izy ireo (kaonty Telegram mandeha ho azy, izay manatanteraka tolotra tsotra, toy ny fitadiavana sary na ny fanavaozana ny RSS-n'ny Tia) . Manome alalana ireo mpikambana ny “robot” iray mba hampahafantatra ny fandraisany anjara amin'ilay diabe. Ny iray hafa manontany ireo mpifidy mikasika ny safidiny voalohany amin'ireo fifidianana Filankevitra Mpanao Lalàna hoavy.

Raha nandeha nanerana ny Nosy Hong Kong izahay, nihiaka izao ireo feo tamin'ny fanamafisam-peo, “ampidiro ny Telegram, azo antoka noho ny WhatsApp io!”

Na hita ho mampientanentana tokoa aza ireo fitaovana vaovao fandrindràna ireo, mamitaka ireo mpanao fihetsiketsehana mikasika ny singa iray an'ny loharanom-baovao fototra izy ireo: tsy azo antoka kokoa noho ny Whatsapp ny Telegram. Ratsy kokoa amin'ny lafiny maro, aza io.

Nalaza be teo amin'ny sehatry ny teknolojia ny Telegram voalohany amin'ny naha-fitaovana fandefasana hafatra sady haingana no “maimaimpoana sy azo antoka” azy ho an'ireo mpampiasa tany amin'ny taona 2013. Nabaribarin'ireo median'ny teknolojia ho iray amin'ireo toerana goavana fivarotany ny maha voaaro ny angon-drakitra-ny, indrindra fa ireo fanafenany kaody.

Na eo aza ny lazany, maro amin'ireo resadresaka amin'ny Telegram no tsy voaafina hatrany amin'ny farany — amin'ny teny hafa, tsy azo antoka ho voaaro. Ary vao mainka mahatonga azy ho ratsy kokoa, nihanalaza ho nanana olana tamin'ny teknolojiany ilay orinasa, izay nahatonga ireo mpampiasa sasany nahita ny mombamomba azy sy ireo hafany voaboraka tamin'ireo mpampiasa hafa sasany tamin'ny tranga sasany.

Nandritra iny taona lasa iny, notaterin'ny Global Voices ireo fitarainana marobe avy amin'ireo mpampiasa Telegram, lasa niteraka ahiahy be tamin'ny fahazoana antoka amin'ilay tolotra mihitsy. Nitatitra ireo mpampiasa Telegram any Rosia — ny sasany amin'izy ireo mpanao gazety sy mpikatroka mafana fo — fa nisy nisompatra ireo kaontin'izy ireo. Mpampiasa iray hafa any Okraina  indray nitatitra fa naharay hafatra manokana ho anà vondrona izay tsy misy idirany mihitsy, tamin'ny alalan'ny tolotra Telegram. Ary nisy olana tany Iràna mikasika ny fanarahan'ilay orinasa ny fitakian'ny governemanta momba ireo fitaovana sasantsasany — ireo “robots” indrindra indrindra — mba ho bahanana eny amin'ny sehatra.

Inona no olan'ny Telegram?

Tsy loharano misokatra manontolo ny teknolojian'ny kaody amin'ny Telegram — midika izany fa tsy afaka mahita ny andinindininy amin'ny fomba nanaovana azy ireo manampahaizana any ivelan'ilay orinasa. Ireo fomba fanao tsara indrindra amin'ny indostria dia mahita fa tokony ho loharano misokatra io teknolojian'ny fanafenana kaody io ary azon'ny rehetra idirana, amin'izay afaka anaovan'ireo mpandrindra hafa sy mpikaroka mikasika ny fiarovana fanandramana sy fanamarinana manokana mihitsy. Noho izany, na milaza aza ny Telegram fa azo antoka ny fiarovany ny teknolojian'ny hafatra ao aminy, tsy misy fomba hahafantarana ny fahamarinan'izany. Mila mahatoky azy ireo fotsiny izany ianao.

Mifanohitra amin'izay, namoaka ny kaodiny tamin'ny Aterineto ireo tolotra toy ny Signal sy ChatSecure, amin'izay ireo rehetra manana fahalalàna teknika momba ny fampiasàna azy dia ho afaka mijery (sy mitsikera) azy mivantana.

Na matoky ny Telegram aza ianao, voafetra ihany ireo fiarovana atolony.

  • Ireo “New Secret Chat (Resaka Tsiambaratelo Vaovao)” ihany no azo antoka amin'ny Telegram. Tsy voaaron'ny kaody ho azy amin'izao ireo resadresaka ifanaovan'ny andaniny sy ankilany amin'ny Telegram. Azo antoka io raha toa ianao ka mivadika amin'ny “New Secret Chat” mialoha ny hanombohana ny resadresaka. Tsy nahalala io olana io ireo olona maro niresahanay – mieritreritra izy ireo hoe voaaro “ho azy” ireo resaka rehetra ifanaovana amin'ny Telegram.
  • Tsy manana tohana ho fanafenana kaody hatramin'ny farany ireo resadresaka amin'ilay vondrona. Tsy misy fahafahana manao “resaka tsiambaratelo” ho an'ireo resaka ifandrimbonan'olona mihoatra ny iray.
  • Tsy voaafina amin'ny kaody hatramin'ny farany ihany koa ireo resaka miaraka amin'ny “robots”. Tsy misy filazàna fa voaafina amin'ny kaody ireo resaka sy fifanakalozana rehetra atao miaraka amin'ny “robots”.

Nohamarinin'ireo mpikaroka ihany koa fa manangona ireo angon-drakitry ny mpampiasa azy — lsy ny mombamomba ireo ifandraisany, ny fotoana niresahany, ary aiza, ilay tolotra– manamora ny fifanaraha-maso amin'ny fahazarana miresadresaky ny tsirairay mpampiasa Telegram.

Raha iverenana ny any Hong Kong, ho mora foana ny mahita ny mety hampanahirana ireo olana ireo any anatin'ny toe-draharaha iray misy fanoherana. Raha mora somparana ny tolotra iray, mety ho voaboraka amin'ny olona tsy tokony nandefasana azy na ireo manampahefan'ny governemanta mihitsy, ireo loharanom-baovao rehetra izay asain'ireo mpikarakara ho zarain'ireo mpanao fihetsiketsehana — tafiditra amin'izany ireo toerana misy azy ireo. Tena saropadymanokana ny angon-drakitra momba ny toerana, satria mety afaka ho hitan'ny mpampiasa iray io ary hanimba ny filaminan'ny tena manokana.

Samy mahalala daholo ireo rehetra manao fikatrohana ara-politika any Hong Kong hoe mety ho henjana ny vokatr'izany karazana triatra izany.

Ary ny WhatsApp, izay notsikeraina tamin'ilay diabe anefa, tonga dia mampiasa ho azy kaody fanafenana amin'ireo resadresany rehetra izy, tafiditra amin'izany ny vondrona fifampiresahany. (Nampidirina tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, ny volana Aprily io tolotra io.)

Tsy hoe manisy kaody ireo hafatra rehetra mandalo ao aminy fotsiny ny WhatsApp, fa mampiasa ny loharano misokatra ihany koa, mamelabelatra ho an'ny rehetra ny protocol ampiasain'ny Signal, novokarin'ireo vondrona tsy mitady tombotsoa antsoina hoe “Open Whisper Systems”. Indrisy, tsy misy loharano misokatra raha ny WhatsApp manokana fotsiny, noho izany, tsy misy fahazoana antoka mihitsy hoe tsy ho voatohintohina ilay protocol mandritra ny fametrahana azy. Hatreto anefa, tsy mbola nisy porofonà hadalana niseho, ary nanoratra ho hitan'ny rehetra ny ekipan'ny Open Whisper Systems mikasika ny fiarahamiasany sy ny fizotry ny fametrahana. Fa azo antoka fa tsy ratsy noho ny Telegram io, izay tsy namoaka ho an'ny rehetra ny teknikan'ny kaodiny.

Ho an'ny fiarovana lehibe indrindra azo antoka, manome soso-kevitra anareo izahay hampiasa ny tolotra Hafatra Miafina an'ny Signal an'ny “Open Whisper System”. Loharano misokatra hatrany amin'ny fotony ny Signal — mangarahara tanteraka izy ireo amin'ny teknolojian'ny fanafenana kaody ampiasain'izy ireo, sy ireo zavatra rehetra hafa. Fa satria io tetikasa loharano misokatra tsy natao hitadiavana tombony, tsy ampy ireo lakolosy sy kiririoka (toy ireo “autocollant”), ary fototra ho an'ny resadresaka ara-barotra toy ny Telegram sy WhatsApp. Ho an'ny ankamaroan'ireo mponin'i Hong Kong, tsy mahasintona azy ny Signal noho ireo antony ireo. Maro ireo misafidy mampiasa ny WhatsApp noho ity farany izay safidy iray azo antoka kokoa ho fanolo. Raha tsy ampy ireo fiarovana manokana sasany ho an'i Signal io, izy no hany fitaovana ampiasaina miresaka mivantana manerantany izay mampiasa fizotranà kaody misokatra sy voazahan'ireo namany hafa.

Tsy diso akory ny Telegram tamin'ny fanindrahindràny ireo tolotra-ny fiarovana tany amin'ny taona 2013 – vitsy tamin'izany ny fanafenana kaody ho an'ny mpandfa sy mpandray amin'ny tolotra resaka mivantana amin'ny finday. Taty aoriana anefa, nanao io ireo tolotra hafa ho an'ny resaka mivantana, ary amin'ny tranga maro dia mihoatra noho ireo fiarovany mihitsy. Tsy milaza akory izany hoe tsy manana ny maha-mendrika azy ny Telegram – na ny Whatsapp na ny Signal, samy tsy manana sehatra ho an'ireo fantsona (vondrona ho an'ny rehetra) na robots, fa ny Telegram kosa manana ny toy ny Snapchat tena ilaina, tolotra mamono ho azy ireo resaka. Fa tsy fisahanana andraikitra tsotra izao kosa ny filazàna ireo mpanao fihetsiketsehana hampiasa ny Telegram, tsy misy filazàna ny tena zava-misy.

Misaotra ny Citizen Lab sy ny Profesora Jedidiah Crandall noho ny fanampiany anay tamin'ny fikarohana sasany ho an'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.