- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Antony Itiavan'ireo Rosiana Mpisera Facebook An'i Donald Trump

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet
Image edited by Kevin Rothrock. [1]

Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Nandritry ny fiafaran'ny herinandro faran'ny Jolay, ny RuNet Echo dia namoaka [2] fanehoankevitra ampolony mahery avy amin'ireo manampahaizana fanta-bahoaka, niresaka ny tsy fahampian'ny fahalinana hita ety ivelany amin'izay voalaza ho fandraisan'i Rosia anjara  tamin'ny fijirihana ny Kaomity Nasionaly Demaokraty talohan'ny fifanarahan'ny antoko tamin'iny herinandro iny. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, fomba fijery hafa no raisin'i Yulia Savitskaya, mifantoka amin'ireo Rosiana maro mpampiasa aterineto, izay raha ny marina, dia liana amin'ny fifaninanana ho filoham-pirenena Amerikàna ary, indrindra indrindra, amin'ny firotsahan'i Donald Trump manokana.

Raha manana Rosiana namana maro mirona betsaka amin'ny politika ianao ao amin'ny Facebook, mety efa voamarikao sahady fa mijery akaiky ny fifidianana ho filoham-pirenena Amerikana ry zareo. Angamba mbola betsaka noho ny fanarahanao ny fifidianana parlemantera ho avy ao Rosia. Ho an'ny maro amin'izy ireny, karazana fameno ho an'ny fahabangan'ny hazakazaka politka avo lenta ao Rosia izy io, raha ny hafa indray mampiasa azy ho toy ny fomba iray hanehoany ny tenany sy ny fomba fijeriny. Raha ny fahitàna azy (ary, angamba, tsy atao mahagaga ho an'ny sasany) marobe amin'ireny Rosiana mpampiasa Facebook ireny no manohana an'i Donald Trump, na farafahakeliny maneho fiaraha-mientana aminy.

Ny voalohany,  ny vondrona midadasika indrindra (ary angamba ny tsy dia mahaliana indrindra) amin'ireo Rosiana mpanohana an'i Trump, dia ireo izay tsy dia maharaka loatra ny fampielezankevitr'ireo hofidiana ho filoha Amerikàna. Tsy nanaraka ireo savaranonando, ireo adihevitra, ary ireo fifanarahana ry zareo, fa azo antoka ho nandre an'i Vladimir Putin niantso an'i Trump hoe “olona iray manana talenta sy maroloko.” Nahita koa ry zareo, ary angamba namadibadika ny pejin'ireo boky malaza ratsy [3] nosoratan'i Donald Trump, momba ny fiainany maha-mpanapitrisa azy sy ny fahaizany mikatsaka fahombiazana amin'ny fandraharahàna. Farany,  efa nahita an'i Trump nampiaraka tamin'ireo mpifaninana ho Oliravin'ny Tontolo — inona momba an'io bandy io ary no mety ho tsy tiana? Ny filazan'i Trump momba ny vola, ny fahombiazana, ny fandraharahàna, ary ny vehivavy dia navoaka ary naverina navoakan'ireo vondrom-piarahamonina mpanandra-tena [4] an-jatony [5] ao amin'ny Vkontakte, ilay tambajotra sosialy Rosiana lehibe indrindra (tsy ilaina lazaina akory, noforonina ny antsasak'ireo filazàna ireo).

Somary manahirankirana sy tena mifangaroharo be ihany ny vondrona faharoa. Tsy dia tena hoe tia an'i Trump manao ahoana akory ireto mpampiasa ireto, fa hàlan'izy ireo mafy i Hillary Clinton, ka dia irarian'izy ireo ho i Trump no hivoaka ho mpandresy mba hanoherana fotsiny ny Demaokraty. Ohatra iray amin'izany i Ivan Yakovina, Rosiana-Okrainiana mpanao gazety, izay nanohana an'i Bernie Sanders tany amin'ny dingana voalohany tamin'ny hazakazaka ho filoham-pirenena Amerikàna. Rehefa nanohana an'i Hillary i Bernie dia nampangain'i  Yakovina ho mpamadika — zavatra iray izay nataon'ny sasany tamin'ireo Amerikàna nanohana an'i Sanders ihany koa. Tamin'ny 26 Jolay, tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, notondroin'ilay mpanao gazety i Trump ho toy ny “mpanao kobaka am-bava,” raha i Clinton indray, araka ny fahitàny azy [6], dia “kaondrana iray, mpandainga, ary adala tena simba tanteraka noho ny kolikoly.” Mambabo an'i Ivan ny fahaizan'ilay mpihazakazaka ho filoha natolotry ny Repoblikàna: ny 27 Jolay, niaiky i [7]Yakovina fa “troll iray milay” i Trump. Mety tsy ho lasa mpanohana tanteraka an'i Trump i Yakovina, saingy nilaza izy fa mety ho faly mahita ny Demaokraty resy taorian'ilay “fanilihana tsy an-drariny” an'i Bernie Sanders tsy hifaninana.

[8]

Dmitry Olshansky. Sary: Facebook

Dmitry Olshansky, mpanoratra tsanganan-dahatsoratra ao amin'ny “Komsomolskaya Pravda”, mpomba an'i Kremlin, dia tsy manana zavatra iraisany amin'i Ivan Yakovina, saingy tafiditra anaty vondrona iray izy ireo amin'ny fomba fijeriny an'i Trump. Vao haingana i  Olshansky no nanoritsoritra an'i Hillary Clinton ho “ny devoly hita vatana [9]” ary ho “fampifanoheran-javatra” dia nampitaha an'i  Donald Trump, tamin'ny “rivotra malefaka avy eny am-bavaravankely iray misokatra ao an'efitrano iray izay efa hatramin'ny 1970s nitondràn'i Nixon no tsy nisokatra intsony.” Toa faly mandrisika ireo Rosiana milaza ny  tenany ho tia tanindrazana toa an'i Olshansky i Trump, raha tsaraina amin'ny farany indrindra tamin'ny fanehoankeviny momba an'i Krimea [10].

Toa hita manaraka tsara ny fifidianana ao Etazonia ilay vondrona fahatelo. Saika ny ankamaroan'ireo media matianina, liana manokana amin'ny fanarahana ny vaovaom-pifidianana any Etazonia ireny Rosiana mpampiasa Facebook ireny, ary tsy faly amin'ny zavatra hitan'izy ireo: misy ohatra vao haingana vitsivitsy amin'ireo Rosiana mpanao gazety izay manakiana mafy ireo Amerikàna namany. Tonian-dahatsoratra fahiny tao amin'ny InoSMI i Alexey Kovalev, izay ny tetikasany manokana tena akaiky indrindra “Lapshesnimalochnaya [11]” (Mpanàla Paty) dia natokana hamborahana ireo kobaka am-bavan'ny fanjakàna Rosiana sy hamotsipotsirana ireo media hosoka.  Tsy tian'i Kovalev “ny fampielezankevitra mankahàla ani Trump ” toa voizin'ny media amerikàna sasany, na ahoana na ahoana.

[12]

Alexey Kovalev. Sary : Facebook

Vao haingana no niampangàny [13] ny Fanjakàna ho “mivoy fankahalàna olona sy maka fisainana tatsinanana” taorian'ny namoahany sombiny [14] momba an'i Melania Trump nàka tàhaka ny kabarin'i Michelle Obama. Neken'i Rebecca Schuman avy ao amin'ny Slate fa noho ny maha-taranaka mpifindramonina andiany voalohany azy,  tsy mahalàla ny “làlana Amerikàna mitondra ho amin'ny fahombiazana”, no nakàn'i Melania Trump tàhaka ilay kabary. Tamin'io andro io ihany,  sombiny iray somary akademika kokoa [15] momba io olana mitovy io, manao sarinteny amin'ny kolontsaina Eoropeana Tatsinanana  fanaovana ny hosoka ho fototry ny fakàn-tàhak'i Melania, no nipoitra tao amin'ny Washington Post, ary niteraka kiana mahery vaika [16] avy amin'ireo mpikaroka avy any Eoropa Atsinanana. Taorian'ny nifankazàrany taminà karazana tatitra ampolony toy izany, nanoratra i Kovalev hoe antenainy [17] hifidy an'i Trump ireo Amerikàna, mba hanaovana izay hahalasa adala ireo “mpidoka tena tsy misy saina mihevitra ny mpamaky azy ho adala.”

Aleksandr Gorbachev, tonian-dahatsoratra fahiny tao amin'ny Afisha, izay miasa ho an'ny Meduza ankehitriny, dia sosotra tamin'ny sombiny iray tao amin'ny New York Times nomena lohateny hoe “Nahoana ny Lehilahy no Te-Hanambady an'i Melania sy Hitaiza an'i Ivankas.” “Isaky ny mamaky zavatra tahaka io aho, dia manantena an'i Trump handresy,” hoy ilay mpanao gazety namintina [18] tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook. Nampian'i Alexey Kovalev taty aoriana kely hoe “mendrika” an'i Amerika i Trump satria tena “tsy maharesy lahatra [19]” ny media Demaokraty Amerikàna .

Arakaraky ny iparitahan'ireo honohono momba ny fanohanan'i Putin an'i Trump, miha-betsaka ireo Rosiana mpampiasa Facebook no tonga miditra amin'ilay adihevitra. Ilya Yablokov, mpahay tantara sady manampahaizana manokana amin'ny resaka kendry tohana, nanoratra hoe [20]: “Ny hevitra sasany tonga ao an-dohan'ireo matoan-dahatsoratra mifandray amin'i Putin sy Trump dia mampahatsiahy ahy ny sarinteny nampiasain'ireo mpomba an'i McCarthy tamin'ny taona1940-50s. Na izany aza, ny eso mahatsikaiky amin'izao fotoana izao dia ireo manampahaizana avy amin'ny elatra ankavia no manely azy ireny.”

Tsy sarotra ny maminavina izay ho avy ato anatin'ny volana maro: hanohy ny ho “troll” eny anaty media i Trump, ary tsy azo ihodivirana ho an'ireo Rosiana mpanaraka politika ety anaty aterineto ny fanohizana ny fijerena azy, maka fiatoana fohy mba hiresahana ilay tantara-nà fandraisana zava-mahadomelina nanala baràka, ny tsy fandehanana araka ny tokony ho izy manjo ny rafitra fivarinan-drano ao Maosko, ary ireo tantara sy resabe hafa ao an-toerana. Ho an'ny sasany, fotoan-dehibe iray ny fifidianana ao Etazonia ka mendrika ho arahan'izy ireo. Ho an'ny Rosiana sasany, familiviliana saina tonga amin'ny fotoana ilàna azy io mba tsy hijerena ny vaovao mahaketraka eo an-tokonany.