Mifanohitra amin'ny an'ireo firenena maro, mankalaza ny fetim-pireneny [2] mandritra ny roa andro misesy i Pero: ny 28 sy 29 Jolay. Manamboka ny 28 ireo fety, rehefa mankalaza ny Mpanafaka Jeneraly Don Jose de San Martín nanambara ny fahaleovantenan'i Pero tamin'i Espaina ny taona 1821, ny firenena. Amin'io andro io, araka ny fomba hatrizay, manatrika Lamesa [3] ireo Peroviana manampahefana, ary mihira ny Te Deum [4], miaraka amin'ny filoha sy ireo rehetra olo-manan-kaja maro ao anatin'ny mpanatrika. Miresaka amin'ny firenena avy ao amin'ny Kongresy ihany koa ny filoha, ary mahazo ireo firariantsoa tsara indrindra avy amin'ireo diplomaty sy ireo manampahefan'ny fanjakana ao amin'ny lapan'ny governemanta.
Nahitàna famindram-pahefana [5] ihany koa ny fetim-pankalazàna tamin'ity taona ity, satria natolotry ny Filoha Ollanta Humala [6] ho an'ny mpitarika vaovao an'i Pero, Pedro Pablo Kuczynski [7], ao amin'ny andrim-panjakàna, miaraka amin'ny kabinetrany vaovao, izay nanao ny voadim-panompoany [8] ny fitondràna.
Na teo aza ny fifaliana sy ny fientanentanana ny 28 Jolay, ny andro nanaraka io no tena nandrasan'ireo Peroviana maro fatratra. Amin'io andro io, atao ny Matso Lehiben'ny Miaramila ao Pero [9], mampiseho ireo mpikambana amin'ireo hery mitam-piadiana sy ny polisim-pirenena. Nandritra izay taona lasa izay, natao tamin'ny endriny sy toerana maro samihafa [10] ilay matso, kanefa, natao tao afovoan'ny Làlana Brezila io, miaraka amin'ireo mpijery sasany tonga nialoha ny niposahan'ny masoandro mba hahazo toerana tsara. Etsy an-kilany, nisafidy ny hijery mianonkanona any an-tranony ny sasany, fa tsy miady làlana hanavatsava ao anatin'ireo vahoaka—asa vita mora noho ny fandefasana mivantana ny hetsika amin'ireo fandaharan'ny fahitalavi-pirenena rehetra.
Matetika manomboka herinandro mialoha ny hetsika ireo fanomanana ny matson'ny miaramila. Tamin'ity taona ity, nanomboka ny 18 Jolay [11] ny fametrapetrahana sy fananganana, miaraka amin'ny fanapahana ireo làlana sy fametrahana ny rafitry ny familiana làlana [12].
Na teo aza anefa ny lazan'ny matso, tsy ny rehetra no mitovy hevitra amin'ny ilaina azy io, ary misy mihitsy aza ireo sasany manontany ny antony hisiany.
Te Deum y Desfile Militar. No hay mejores formas de celebrar la independencia en democracia? Pienso que sí!.
— Jeffrey Radzinsky (@jradzinsky) July 25, 2016 [13]
Te Deum sy Matson'ny Miaramila. Tsy misy fomba tsaratsara kokoa hankalazana ny fahaleovantena anaty demokrasia ve? Mieritreritra aho hoe misy!
. No entiendo la necesidad y sentido de una #ParadaMilitar [14]: exhibiendo orgullosos armas cuando nuestro país vive tanta #InseguridadCiudadana [15]
— Victor Santillán (@Santinikitan) July 27, 2016 [16]
Tsy azoko ny ilaina na ny anton'ny Matson'ny Miaramila: mampiseho amim-pireharehàna ireo basy anefa ny firenentsika miatrika tsy fandriam-pahalemana be.
Kanefa, amin'ny ankapobeny, tena mankalaza ny matso ireo Peroviana. Ary tonga ora maro mialoha ireo manatrika mivantana:
#FOTOS [17] Personas siguen ubicandose en la Av. Brasil para ser testigos de la Gran #ParadaMilitar [14] (Foto: H. Vinces) pic.twitter.com/gFyMvxzdob [18]
— Agencia Andina (@Agencia_Andina) July 29, 2016 [19]
Sary: Vahoaka mbola manohy mankeny amin'ny la Av. Brasil mba hanatrika ny Matson'ny lehiben'ny Miaramila .
Así está el ambiente en la avenida Brasil a una hora del inicio de la #ParadaMilitar [14]https://t.co/T7GxnZYzdI [20]pic.twitter.com/bO7I9XSwks [21]
— Diario Perú21 (@Peru21pe) July 29, 2016 [22]
Izao ny fientanentanana amin'izao fotoana izao, eny amin'ny la avenida Brasil, ora iray mankany amin'ny fiantombohan'ny Matson'ny Miaramila.
Gran #ParadaMilitar [14]: la ‘previa’ al desfile en #fotos [23]https://t.co/mbyaArXzLK [24]pic.twitter.com/MvGEXB4yrB [25]
— Sociedad El Comercio (@sociedad_ECpe) July 29, 2016 [26]
Matso Lehiben'ny Miaramila: Ny ‘fijery mialoha’ ny matso an-tsary https://t.co/mbyaArXzLK [24]pic.twitter.com/MvGEXB4yrB [25]
Araraotin'ireo mpivarotra ihany koa ilay fotona hanolorany ireo vokatr'izy ireo ho an'ireo vahoaka maro.
Comparte las curiosidades de la #ParadaMilitar [14] con el hashtag #MiDesfilePatrio [27]➡️https://t.co/BrBzPpZcWZ [28]pic.twitter.com/MeFYAC4pah [29]
— RPP Noticias (@RPPNoticias) July 29, 2016 [30]
Zarao ny tsy aritrao amin'ny Matson'ny Miaramila, amin'ny tenifototra #MiDesfilePatrio [27] [Ny Matson'ny Fitiavan-tanindrazako]
Ny filoha Peroviana, amin'ny maha lehiben'ny hery mitam-piadiana azy, no mitantana ny matso, izay manomboka tamin'ny tifitra tafondro, tsipoapoaka, sy tarika goavana.
PPK otorga el permiso y se inicia de manera oficial la #ParadaMilitar [14] https://t.co/T7GxnZYzdI [20] 🇵🇪 pic.twitter.com/A3uIPstEFg [31]
— Diario Perú21 (@Peru21pe) July 29, 2016 [32]
Manome alalana i PPK [Pedro Pablo Kuczynski], ary manokatra ara-pomba ofisialy ny Matson'ny Miaramila.
#Perú [33] 21 camaretazos para dar inicio a la #ParadaMilitar [14] por #FiestasPatrias [34]pic.twitter.com/z7Yxu7kIZm [35]
— Jaime Herrera (@JaimeteleSUR) July 29, 2016 [36]
#Perú [33]: Tafondro 21 mba hilazàna ny fiatombohan'ny Matson'ny Miaramila nandritra ireo andron'ny fetim-pirenena pic.twitter.com/z7Yxu7kIZm [35]
La la banda de música @naval_peru [37] hace su paso por la #ParadaMilitar [14]@larepublica_pe [38]pic.twitter.com/e3siCsaSlX [39]
— Eduardo Salinas (@eduardo_yayo) July 29, 2016 [40]
Mandeha amin'ny làlany ho eny amin'ny Matson'ny Miaramila @larepublica_pe [38] ny vondrona mpitsoka mozika @naval_peru [37] .twitter.com/e3siCsaSlX [39]
Tamin'ity taona ity, voalohany tamin'ny matso ny fisian'ny fisoloan-tena avy amin'ireo firenena any ivelany.
Miembros de las Fuerzas Armadas de Bolivia, Argentina y Colombia participan en la #ParadaMilitar [14]#ElPeruImporta [41]pic.twitter.com/Wh2eafuldD [42]
— Anny Gamarra (@annygamarra1) July 29, 2016 [43]
mandray anjara tamin'ny Matson'ny Miaramila ireo mpikambana amin'ny Hery Mitàm-piadiana Boliviana, Arzantina ary Kolombiana #ElPeruImporta [41] [Misy lanjany i Pro] pic.twitter.com/Wh2eafuldD [42]
Teo ihany koa ireo Mpisolo tena nyPeroviana Mpampandry Fahaleman'ny Firenena Mikambana [44].
Cascos azules, que ganaron el Premio Nobel de La Paz en 1988, y su paso por la #ParadaMilitar [14] (Foto: @aaronormeno [45]) pic.twitter.com/kOn60vxTZb [46]
— El Comercio (@elcomercio) July 29, 2016 [47]
ireo nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana ny taona 1998, nandeha tao amin'ny Matson'ny Miaramila (Sary@aaronormeno [45]) pic.twitter.com/kOn60vxTZb [46]
Nilahatra ihany koa ireo fikambanana sahala amin'ny Mpamono Afo, izay mpirotsaka an-tsitrapo fotsiny no mandrafitra azy.
#ParadaMilitar [14] con los bomberos. Su sola presencia ya incita aplausos y más pic.twitter.com/gidzT1MLSl [48]
— Eddú R.Ramírez (@Eduvic3031) July 29, 2016 [49]
Matson'ny Miaramila miaraka main'ny Mpamono Afo. Ampy nahatonga fitehafana sy hafa ihany koa ny fijoroan'izy ireo monja.
Fa ny ankapoben'ny matso dia nikasika ireo andiany maro samihafan'ny Hery Mitam-piadian'i Pero.
#ParadaMilitar [14] | Regimiento de Caballería Mariscal Domingo Nieto toca La flor de la canela https://t.co/ulbDoci6lg [50]pic.twitter.com/m2GMwSxvhQ [51]
— Diario La República (@larepublica_pe) July 29, 2016 [52]
Matson'ny Miaramila. Milalao ny “voninkazo Kanelina” ny Rezimantan'ny Tafiky Maresaly Domingo Nieto.
Desfila el comando de Fuerzas Especiales del Ejército actualmente realiza operaciones en el Vraem pic.twitter.com/oRpYkRg75x [53]
— Agencia Andina (@Agencia_Andina) July 29, 2016 [54]
Manao matso ny kaomandy ankehitrinin'ny Hery Mitàm-piadiana Manokana ao amin'ny VRAEM.
.@PoliciaPeru [55] uno de los mejores del desfile en la #ParadaMilitar [14] Aquí parte de la destreza de los cadetes! pic.twitter.com/HTSeMLEvvE [56]
— Anny Gamarra (@annygamarra1) July 29, 2016 [57]
@PoliciaPeru [55] iray amin'ireo tsara indrindra ny andron'ny Matson'ny Miaramila. Ny sasany amin'ireo fahaizàmanaon'ireo zandriny!
“Al cielo iré y volaré🎵……” Por la patria! #LosSinchis [58] del @EjercitoPeru [59] en la #ParadaMilitar [14]pic.twitter.com/cASgrpa9cN [60]
— Anny Gamarra (@annygamarra1) July 30, 2016 [61]
“Handeha eny amin'ny rahona aho ary hanidina🎵……”Ho an'ny tany Ray! #LosSinchis [58] an'ny @EjercitoPeru [59] [Miaramila Peroviana] ao amin'ny Matson'ny Miaramila.
Tanques del Ejército se desplazan en la #ParadaMilitar [14] por la #FiestadelaPatria [62]pic.twitter.com/TABwoTtjnn [63] — América Noticias (@noticiAmerica) July 29, 2016 [64]
Fiara mifono vy an'ny miaramila mandeha amin'ny Matson'ny Miaramila ho an'ny Fetin'ny Tanindrazana. pic.twitter.com/TABwoTtjnn [63]
Hanampiana loko ara-tantara ny fizotry ny andro fankalazana, hita tao ny fiara mifono vy avy amin'ny Tchèque [65] izay nandray anjara tamin'ny Adin'i Pero-Ekoadaoro ny taona 1941. Nanamboatra manokana ilay fiara mofono vy ireo teknisianina, noho izany afaka mandeha tsara tamin'ny matso ilay izy.
#VIDEO [66]: Tanques del Ejército desfilan ante el estrado oficial de la #ParadaMilitar [14]pic.twitter.com/5ylXAboYCF [67]
— Agencia Andina (@Agencia_Andina) July 29, 2016 [68]
#VIDEO [66]: Matson'ireo fiara mofono vy an'ny miaramila, mialoha ny Matso ofisialin'ny Miaramila.
Iray amin'ireo ampahany nomanina mialoha tsara indrindra tamin'ilay hetsika, ary tsy ho an'ireo ankizy fotsiny, ny matson'ireo alikan'ny polisy.
La brigada canina de la @PoliciaPeru [55] hace su desplazamiento en la #ParadaMilitar [14]@elcomercio [69]pic.twitter.com/68usVgLgv4 [70] — Miguel Rocca (@miguelrocca) July 29, 2016 [71]
Mandeha amin'ny Matson'ny Miaramila ny borigadin'ny alikan'ny @PoliciaPeru [55] [Polisy Peroviana].
La brigada canina para muchos es lo más esperado de la Gran #ParadaMilitar [14]https://t.co/T7GxnZYzdI [20]🇵🇪pic.twitter.com/KpQVUiWmix [72]
— Diario Perú21 (@Peru21pe) July 29, 2016 [73]
Ny borigadin'ny alika no hetsika lehibe ho an'ny maro, tao amin'ilay Matso lehiben'ny Miaramila .
Hasta el perro peruano con chullo participa de la #ParadaMilitar [14]. pic.twitter.com/OnZX5sAf8e [74]
— Julisa DulantoVargas (@JulissaDulanto) July 29, 2016 [75]
Na ny alika Peroviana misatroka matevina aza nandray anjara tamin'ny Matson'ny Miaramila.
Lasa olona fahita matetika amin'ireo tatitra anaty fahitalavitra momba ny matso tato anatin'ireo taona vitsivitsy, ilay Mpikambana amin'ny Kongresy, Jeneraly Donayre, miaramila misotro ronono. Manana tsikera maro anefa i Donayre, noho ny fanaovany tsikera ara-politika matetika diso toerana ao amin'ny haino aman-jery.
#PeruFesteja [76] No hay #ParadaMilitar [14] sin los comentarios del Gral. Donayre pic.twitter.com/jSXBKnR2fr [77]
— Lima Cero (@Lima_Cero) July 29, 2015 [78]
Fety Peroviana: Tsy misy Matson'ny Miaramila tsy misy fanehoan-kevitra avy amin'ny Jeneraly Donayre.
General Donayre se despide de trollear toda la transmisión a Maritere y a Lorena Álvarez. 😂#ParadaMilitar [14]pic.twitter.com/UKstuFKZ5T [79]
— Renato Falcón (@Renatilio) July 29, 2016 [80]
Manelingelina ny fandefasana manontolo ny Maritere sy Lorena Álvarez ny Jeneraly Donayre. 😂
Nanampy ny fanamarihana ny fiafaràn'ny matso tamin'ity taona ity taminà haidihy ireo mpikambana roa ao amin'ny Hery Mitàm-piadiana ao Pero.
Así cerraron la #ParadaMilitar [14]
¡Viva el Perú! 🇵🇪pic.twitter.com/5KEFczcAQe [81]— Floro The King ® (@FloroPeruano) July 29, 2016 [82]
Ary toy izany ny nanakatonan'izy ireo ny Matson'ny Miaramila. Ho ela velona anie Pero! 🇵🇪pic.twitter.com/5KEFczcAQe [81]
Nanohy ny matso avy eo ireo Limeños (ireo mponin'i Lima renivohitr'i Pero) an'arivony, taorian'ny nikatonan'io tamin'ny fomba ofisialy, nifampitaona teny amin'ny Làlana Brasil ho an'ireo fankalazàna tsy ofisialy, raha niverina tany an-tobiny kosa ireo miaramila.
Delegaciones son recibidas con aplausos al término de la parada en Plaza Bolognesi. #CelebroconTVPeru [83]pic.twitter.com/yKtxwu5wSk [84]
— Manuel Igreda (@Elmejormanuel) July 29, 2016 [85]
Noraisina tamin-tehaka ireo delegasiôna tamin'ny faran'ny matso teny amin'ny Plaza Bolognesi.
Plaza Bolognesi totalmente abarrotada. #CelebroconTVPeru [83]pic.twitter.com/jD7twjaTpK [86]
— Manuel Igreda (@Elmejormanuel) July 29, 2016 [87]
Plaza Bolognesi feno tanteraka.
Hitan'ny maro ho feno fifaliana manokana ity taom-pankalazàana ity, ary ny sasany nanao ny filoha vao voatendry, Kuczynski hoe nanana fomba tsara sy fijery vaovao ny fahitàna ny tsara ho an'ny firenena [88]. Fa miatrika kongresy feno mpanohitra ihany ny filoha vaovaon'i Pero, izay mampanantena ny hanao fileferana ara-politika, raha tsy hiresaka afa-tsy ny kongresy ara-politika, sarotsarotra kokoa noho ny tany aloha.