- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihahenjana Ny Toe-Draharaha Politika ao São Tomé sy Príncipe Roa Andro Alohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena

Sokajy: Afrika Mainty, Sao Tome sy Principe, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Manifestação a pedir o cancelamento das eleições de 17 de Julho de 2016.

Fihetsiketsehana mitaky ny hanafoanana ny fifidianana notontosaina tamin'ny 17 jolay 2016 tao São Tomé, renivohitry ny firenena. Saripika: Felela Sum [1]/Facebook, nahazoana alalana.

Nampisy fifandiran-kevitra [2] [mg] ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena vaovao tao São Tomé e Príncipe hatramin'ny nisian'ny toe-javatra nampifandrirotra nandritra ny fotoana voalohany nanatanterahana ny fanisam-bato tamin'ny 18 jolay.

Amin'izao ankatoky ny fihodinana faharoa izay kasaina hotontosaina amin'ny alahady 7 aogositra izao, dia nisy ny fihetsiketsehana “nataon'ny Saotomeana anjatony” nidina an-dalambe tamin'ny 4 aogositra mitaky “ny fanafoanana ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena [3]” :

Partidos políticos e membros da sociedade civil contestam o que consideram ser “anomalias, fraude e erros gravíssimos constatados na primeira volta do pleito eleitoral para a mais alta magistratura da nação”.

Toherin'ny antoko politika sy ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena ny “lesoka, ny hosoka ary ny fahadisoana lalina hita nandritra ny fanentanam-pifidianana fihodinana voalohany tamin'ny toerana ambony indrindra eo amin'ny firenena.

Nifampiantsoana tao amin'ny tambajotra an-tserasera ny fihetsiketsehana:

MANIFESTAÇÃO PELA DEMOCRACIA ESTA TARDE NA CAPITAL DO PAÍS.
NÃO FALTE. PELA JUSTIÇA E PELA LIBERDADE!
‪#‎PEROLENSÍSMO‬ [4]
www.facebook.com/AGIRSTOMEEPRINCIPE [5]

FIHETSIKETSEHANA HO AMIN NY DEMAOKRASIA IZAO FOLAKANDRO IZAO ETO ANDRENIVOHITRY NY FIRENENA.
HO AMIN NY RARINY SY NY FAHAFAHANA!

Ny mpanohana an'i Maria das Neves sy ny antoko mpanohitra [6]:

JT: 04.08.2016: Os apoiantes da candidatura da Maria das Neves e partidos políticos da oposição desencadearam na tarde da última quinta-feira, 4 de agosto, uma grandiosa manifestação que reuniu milhares de apoiantes e simpatizantes da candidatura da Maria das Neves, nomeadamente, a do MLSTP/PSD, PCD e MDFM/PL.

JT: 08/04/2016: Manomana fihetsiketsehana lehibe ny mpanohana ny filatsahan-kofidian'i Maria das Neves sy ny antoko mpanohitra tamin'ny alakamaisy 4 aogositra lasa teo, fihetsiketsehana nahazoana mpanaraka sy mpankasitraka an'arivony an'i Maria das Neves, ahitana ny MLSTP / PSD, PCD ary ny MDFM / PL.

Ny voka-pifidianana [7] voalohany naroson'ny Vaomieram-Pifidianana Nasionaly (CEN) dia nanonona ny fandresena ho an'i Evaristo de Carvalho (50,1%) izay nahazo tombon-dalabe manoloana ny kandidà hafa, Pinto de Costa (filohan'ny repoblika amin'izao fotoana izao amin'ny 24,8% amin'ny vato) sy i Maria das Neves (24,1%). Notsipahin'ireo kandidà roa farany ireo avy hatrany ny voka-pifidianana ka nitakiany ny fanafoanana ny fifidianana [8] teo amin'ny Tribonalin-Dalampanorenana (TC) noho ny fiheverana fisian'ny hosoka:

Sao Tomé sy Principe – Te-hanafoana ny fifidianana filoham-pirenena i Maria das Neves

Tsy nitsipaka ny fifidianana ny Fitsaran-Dalampanorenana, fa nitsipaka voka-pifidianana tamin'ny filazana fa tokony niandry ny fanisana avy amin'ny biraom-pifidianana rehetra ny CEN, ary tafiditra amin'izany ny “faribolana any ivelany [12]“:

Quando os votos que faltavam foram contabilizados, Evaristo Carvalho ficou abaixo dos 50% que lhe dariam a vitória à primeira volta.

Rehefa nampidirina ny vato mbola banga, dia ambanin'ny 50% tokony hahazoany ny fandresena fihodinana voalohany i Evaristo Carvalho.

Fahasarotana teo amin'ny vokatry ny CEN nahatonga azy hiaiky ny fahadisoany [13] nandritra ny fanisam-bato:

Alberto Pereira denunciou a ocorrência de falhas graves durante o processo eleitoral. Falhas que definiu como sendo gravíssimas e repetitivas. «Verificamos que houve muitas falhas gravíssimas», declarou o Presidente da CEN.

Nampangain'i Alberto Pereira ny fipoiran'ny lesoka lehibe eo amin'ny fombafombam-pitsarana. Lesoka voafaritra ho henjana sy miverimberina. “Hitanay fa betsaka ny lesoka izay tena henjana”, hoy ny filohan'ny CEN.

Araka ny voka-pifidianana farany, voamarika fa ny kandidà n'ny ADI [14], Evaristo de Carvalho, dia tsy nahazo ny maro an'isa (fa 49,9%) izay mitarika mankany amin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana [15] ifanaovana amin'ny kandidà tohanan'ny UDD [16], Manuel Pinto da Costa.

Nanambara ampahibemaso amin'ny fisintahany tsy hifaninana amin'ny fifidianana [17] intsony anefa i Pinto da Costa:

No dia 25 de Julho Pinto da Costa anunciou que «continuar a participar num processo eleitoral tão viciado seria caucioná-lo. Não o faço como candidato e muito menos como Presidente da República». 

Tamin'ny 25 Jolay i Pinto da Costa no nanambara “fankasitrahana ny tsy fetezan'ny fizotran'ny fifidianana ny fanohizana fandraisana anjara amin'izany. Tsy ataoko izany amin'ny maha-kandidà, ary kelikely kokoa amin'ny maha-filohan'ny Repoblika ahy”.

Sahirantsaina amin'ny fizotry ny fifidianana ny ONU

Sambany teo amin'ny tantara ara-demaokratikan'i São Tomé e Príncipe, ny Firenena Mikambana no nandefa solontena manokana avy amin'ny sekretera jeneraly Ban Ki-moon ho ao São Tomé [18] hanombana ny fizotry ny toe-draharaham-pifidianana.

Solontenan'ny Firenena Mikambana ao Sao Tomé mitsapa ny fihenjanana ara-politika – VOA Afrika

Araka ny Téla Nón [22], nisarika ny saina tamin'ny zavanisy nametraka an'i Sao Tomé sy Principe ho “fitaratry ny demaokrasia manerana ny kaontinanta afrikana” ny solontenan'ny Firenena Mikambana, Abdoulaye Bathily:

 Até agora São Tomé e Príncipe tem-se destacado de maneira notável e é exemplar numa região marcada por conturbações políticas, antes durante e depois das eleições. São Tomé e Príncipe tem vindo a ser uma exceção. Espero que isto aconteça também na segunda volta das eleições.

Niavaka tao amin'ny faritra voamariky ny korontana politika, taloha, nandritra ary taorian'ny fifidianana hatramin'izao i Sao Tomé sy Principe ary noheverina ho naningana. Manantena aho fa mbola hitohy izany amin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana.

Malahelo amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha amin'ny ankapobeny ny Santomeana. Naneho hevitra toy izao [23] tao amin'ny kaonty Facebook-ny ny mpihira rap fanta-daza PekaGboom :

Tenho pena de todos santomenses
Este povo não merece passar por esta situação.
Deus [dê] muita força e sabedoria a todos

Mampalahelo ahy ny Santomeana
Tsy mendrika ny handalo izao ireo olona ireo.
Andriamanitra hanome hery sy fahendrena ho an'ny rehetra