- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manintona Ny Fijery Ho Amin'ny Fahorian'ireo Trà-boina Nohon'ny Tohodrano Any India Ny #RallyForTheValley

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Protesters at the #RallyForTheValley. Image by Suresh Edina. Used with permission [1]

Ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny #RallyForTheValley. Sary avy tamin'i Suresh Ediga. Fampiasàna nahazoana alalana.

Ny 30 Jolay. olona an-jatony avy amin'ireo toerana maro any India no nanjohy  [2]hetsi-panoherana tao amin'ny Garan'i Indore teo ambanin'ny faneva hoe ‘Rally for the Valley’ (Diabe ho an'ny Lohasaha), mba ho fanohanana ireo fianakaviana 45.000 isa izay efa kely sisa dia ho difotry ny rano ny  tranon'izy ireo eny amorony, noho ny tohodrano ao amin'ilay renirano.

Ny taona 2014, nanome alalana [3] ny hampiakarana 17 metatra (nanomboka ny 122 ka lasa 139 metatra) ny Tohodrano Sardar Sarovar [4] amin'ny Renirano Narmada, ny governemantan'ny fanjakanan'i Gujarat, any andrefan'i India, ary ankehitriny manao ireo dingana rehetra ny governemanta hamenoana ilay fitahirizan-drano ho eo amin'ny haavo mahafeno tanteraka azy.

Nilaza i Medha Patkar [5], mpikatroka mafana fo ara-tsosialy, mpanao politika, sady iray amin'ireo nikotrika ny Narmada Bachao Andolan, hetsika fanoherana izay mitombo any akaikin'ilay tohodrano, fa raha ampiharina tokoa, hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny fianakaviana maherin'ny 45.000 isa io fanapahankevitra io. [6]

Nandray ireo mpanohana 100 avy amin'ireo faritra rehetra manerana ny firenena tao amin'ny garan'ny lamasinin'i Indore #RallyForTheValley [7] #NarmadaSatyagraha [8]

#RallyForTheValley [7] #Stopbigdam [11] (atsaharo ny tohodrano lehibe) #zindabad [12] #copstoguard [13] #youngchampstoroar [14]

fandraisana anjara maron'ireo vehivavy tamin'ny #RallyForTheValley [7] #NarmadaSatyagraha [8] @NarmadaBachao [17]

Ny andron'iny ihany, nisy diabe nomena ny lohateny hoe ‘Narmada Jal-Zameen Haq Satyagrah’ (Satyagraha [20] na ‘Fitakiana ny Marina’ ho an'ny zon'i Narmada amin'ny rano sy tany) niantomboka [21] teny imoron'ny Reniranon'i Narmada any amin'ny distrika Badwani amin'ny fanjakana afovoany Indiana ao Madhya Pradesh. Nahitàna [22]ireo tra-boina tompontany efa noesorina sy miaina any amin'ireo toerana samihafa natolotry ny governemanta nametrahana azy ireo indray, ireo mpandray anjara. Tao amin'ny Facebook i Suresh Ediga, namoaka ny lahatsarin’ [1] ilay hetsi-panoherana:

Mpianatra nizotra naneho firaisankina avy any Kerala, nanomboka tany Badwani hatrany Rajghat ary miara-mihira am-pitiavana sy mirehareha fatratra eny an-dàlana.

Teo amin'ny olona niisa 350 – 400 teo, nisolo tena ireo fikambanana isan-karazany manerana ny firenena, nanomboka tany Gujarat hatrany Kerala nankany Delhi nankany Odisha nankany Jharkhand nankany Maharashtra nankany Bangalore no nanjohy ny Narmada Jal – Jameen Haq Satyagraha.

Image from the rally. Photo by Suresh Ediga. Used with permission [23]

Sary avy tamin'ilay diabe. Sary an'i Suresh Ediga. Famoiasàna nahazoana alalana.

Hatramin'ny naminavinàna azy, efa niharan'ny kiana mafy tokoa ilay Tetikasa Sardar Sarovar, iray amin'ireo tetikasa lehibe indrindra eto an-tany hamokarana herinaratra avy amin'ny rano.

Manoratra izao ao amin'ny CounterCurrents i Rishit Neogi [2]:

31 taona lasa izay, nitsangana nanohitra ny fanapahankevitry ny governemanta hanova ilay renirano tsy mbola voakitika ho lasa andianà tohodrano ary fitahirizana rano izay handifotra ny taniny, ireo olona nipetraka nanamorona ny Renirano Narmada. Tao anatin'izay 31 taona izay, maro no azo ary maro ihany koa ny very fa tsy nisy kosa nohadinoina. Mijanona ho fihetseham-bahoaka lehibe indrindra tsy nanam-paharoa momba ny tontolo iainana, nataon'ito firenena ito hatramin'izao, ny Narmada Bachao Andolan.

The Pipri village in Badwani district has over 600 houses, who said NO to the survey by the government and NO to their paltry compensation as well. Image by Suresh Ediga. Used with permission [24]

Ilay tanàna Pipri ao amin'ny distrikan'i Badwani, manana trano miisa 600, nanao TSIA tamin'ny fanadihadian'ny governemanta ary TSIA ihany koa ho an'ilay onitra kely tsy misy dikany. Sary an'i Suresh Ediga. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Samy nitsikera ilay politika ofisialy mikasika ilay tohodrano daholo, ho tsy mitsinjo marina ny hoavin'ireo hibaby ny vokatr'io, ireo mpanoratra, mpamokatra horonantsary, mpanakanto, mpianatra ary mpikatroka mafana fo miaro ny tontolo iainana. Manoratra izao i Kailash Awasya [25], izay tao amin'ny Narmada Bachao Andolan tamin'ny 25 taona lasa:

Tapitra ny asa fampiakarana ilay Tetikasa Sardar Samovar, izay tena fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna sy ny didin'ny [26]Fitsaràna Antampony. Voalohany indrindra,tokony hoe nanomboka ny fanorenana vaovao ho an'ireo olona ao amin'ireo toerana iharan'izany aloha izy ireo izay vao nanomboka ny asa [..]

Hatramin'ny taona 2014, raha naka ny fahefana tao Delhi ny Governemantan'ny Demokraty Nasionaly, ny Narmada Bachan Andolan no lefon”ireo hetsi-panoherana manohitra ny fitazonan'ireo tomponandraiki-panjakana ny tohodrano, izay lazain'izy ireo ho nanilikilika ireo vondrom-piarahamonina iantefan'ny vokatr'io, ankoatr'ireo hafa eo amin'ny manodidina. Lazain'ireo tatitra [2] sasany ny fisian'ireo fianakaviana voahilika tao anatin'ny lisitr'ireo olona hahazo onitra sy fanorenana vaovao. Ny tanànakely iray manontolo mihitsy, Dharampuri, tsy mba hita na aiza na aiza ao amin'ilay lisitry ny voadona amin'ilay tetikasa.

‪#‎JalSatyagraha‬ ‪#‎RallyForTheValley‬ Image by Suresh Ediga. Used with permission. [23]

‪#‎JalSatyagraha‬ ‪#‎RallyForTheValley‬ Sary an'i Suresh Ediga. Fampiasàna nahazoana alalana

Nolazaina matetika ho iray amin'ireo hetsi-panoherana lehibe indrindra am-pilaminana tany India ny Narmada Bachao Andolan. Natao tao anatin'ny fikarohana ny andinindininy sy ny fikatrohana mafana fo, ary adim-pitsaràna iadiana mba hahazoana ny rariny ho an'ireo iharan'ny vokatra ratsin'ilay tohodrano io. Manoratra ho an'ny Kafila, vohikala fanehoankevitra ara-politika, i Ashwin V.S [27], izay nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin'ilay fikambanana tao anatin'ny telo volana lasa izay, miampanga ny tetikasa tohodrano ho loza goavana ho an'ireo rehetra manodidina:

Tanteraka ny fanamboarana ny Tohodrano Sardar Sarovar ary mbola mikatona ihany aloha ireo varavarana. Tranganà kolikoly avo lenta, fahasimbàn'ny tontolo iainana tsy azo lavina ary fahaverezan'ny fananantany sy fiainana no miaraka amin'io loza goavana io, raha toa ka resin'ireo herin'ny renivola tsy miankina ireo tombotsoa nolazaina ho azo avy amin'ilay tetikasa, ary nahodinkodin'izy ireo ho tombotsoany fa tsy ho an'ireo olona iharan'ny vokatra ratsin'ilay tetikasa.

Raha mitohy ny firaviravian-tànana sy tsy firaharahian'ny governemanta, hitombo koa ny fahasimbàna ho an'ireo olona izay miantehitra amin'ilay renirano.