- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Takian'ny Ogandey ho ny Sekoly no Avotan'ny Governemanta fa Tsy ny Mpanankarena

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
A public school in Uganda. Tweeps argue that taxpayers money need to bail out schools like this one. Image released under Creative Commons by The Sustainable Sanitation Alliance. [1]

Sekolim-panjakana iray ao Oganda. Milaza ny mpisioka fa ny sekoly tahaka izao no mila vatsian'ny volan'ny mpandoa hetra. Sary navoakan'ny Fiarahamiasa ho amin'ny Fahadiovana Maharitra eo ambany lisansa Creative Commons.

Rehefa nivoaka ny vaovao [2] fa mikasa ny hampiasa vola arivo miliara shillings (30 tapitrisa dolara amerikana) avy amin'ny hetram-bahoaka ogandey hanentsenana ny fatiantoky ny orinasa tra-pahasahiranana ny governemantan'i Oganda, dia niantsoantso ny hetsika ho “fisolokiana” ny Ogandey ao amin'ny Twitter ary nanolo-kevitra fa tokony ho any amin'ny sekoly efa simbasimba tanteraka no andehanan'ny vola.

Miavosa ny trosan'ireo orinasa tian'ny governemanta vonjena ireo izay nindramina avy amin'ny banky isan-karazany ao Oganda, trosa nalaina tamin'ny anarany manokana. Maro amin'ireo fandraharahana no tarihin'ireo ratrema tsara fifandraisana amin'ny matanjaka. Maro amin'ireo manampahefana ao amin'ny banky foibe sy ny minisiteran'ny vola no manohitra izao drafi-panavitana izao [2].

David Mpanga, mpisolovava ogandey, milaza ny drafitra ho « fizarazarana (amin'ny fiaraha-monina) ny fatiantoka » :

Fanomezana ho an'olombitsy ny tombombarotra sy fizarazarana ho an'ny fiaraha-monina ny fatiantoka. Tsy maintsy mandoa ny tsy fahombiazan'orinasa ve isika rehetra raha tsy mba nizara ny tombombarotra azony ry zareo?

Nahamarika tamim-pahagagana i Allan Ssenyonga fa toeram-pandihizana (discothèque) ny iray amin'ny orinasa anaty lisitra [4]:

Iray amin'ny orinasa mila fanentsenam-patiantoka ny Club Silk. Laharam-pahamehana ho an'i Oganda tokoa ve?

Nanolo-kevitra i Fredrick Tumusiime:

Isaky ny misy fanentsenam-bola, dia tsy maintsy mahazo taratasim-pananana ao amin'ny orinasa ny vahoaka. Tsy ekena ny volam-bahoaka hanavotana fahotan'olon-tsotra.

Tsy eken'ny Ogandey ny lojikam-programam-panohanana ireo mpanankarenan'ny fandraharahana efa mahafantatra olona maro ao amin'ny firenena kely ny fampiasam-bola amin'ny fotodrafitrasa ary efa ravarava ny sekoly sy ny hopitaly.

Sarah Bireete nanolo-kevitra ny governemanta hanampy ireo sekoly fadiranovana indrindra:

Tsy afa-manohy amin'ny fanampiana ny mpanankarena ny Ogandey mahantra. Ampio ara-bola ireo sekoly tsy manana efitrano, tsy manana boky, tsy manana efitra fidiovana.

Nozarain'i Jeff ny sarin'ny orinasa iray tokony hampian'ny governemanta :

Sary iray maneho orinasa iray mila ampian'ny governemanta ara-bola amin'ny volan'ny mpandoa hetra.

Ary sary iray hafa mampiseho sekolim-panjakana ravarava:

Sekolin'i Karungu Seed, ao amin'ny distrikan'i Buhweju.

Mila fanavotana ve io ? TSIA, avoty ny orinasa tsy mandoa hetra.

Nanome hevitra i Samwise Gamgee:

Raha tena raharaham-pirenena ny fanentsenana ny fatiantoky ny orinasa, dia tokony ho raharaham-pirenena ihany koa ny fitsinjarana ny tombombarotr'izy ireo.