Maty i Fitzroy Coleman, Ilay Trinidadiana Mpiangaly Gitara, ‘Andrarezin'ny Feo Ampiarahana’ (Zavamaneno Misy Tady)

"The great Fitzroy Coleman" -- photograph of an existing image of the chord master, taken by Robin Foster and used with permission. Original photographer unknown.

“Ny andrarezina Fitzroy Coleman” — sarin'ilay lehibe amin'ny fitendrena mozika misy tady, nalain'i Robin Foster ary nahazoana alàlana. Tsy fantatra ny mpakasary niandohàny.

Very mpiangaly mozika andrarezina i Trinite sy Tobago — ny mpilalao gitara sangany, Fitzroy Coleman, teo amin'ny faha-93 taonany — tamin'ny 26 Jolay 2016.

Nanana fomba filalao manokana i Coleman ; izany angamba no iray amin'ireo talenta nahatonga ny haba-tranonkala DigitalDreamDoor.com nametraka azy ho Laharana 93 ao amin'ny lisitry ny mpitendry gitara jazz mendrika indrindra manerantany, milahatra amin'ireo ngezalahy fanta-daza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, toa an-dry Wes Montgomery sy Django Reinhardt.

Naparitak'ilay Trinidadiana injenieran'ny feo, Robin Foster, izay mahafantatra tsara an'i Coleman, ny sary maromaro sy lahatsarin'ireo fampisehoana nataon'ilay mpitendry gitara. Izy miaraka amin'i Mahalia Jackson no iray amin'ireo, lahatsary noraketin'ny BBC tamin'ny fiandohan'ny taona 1960. Hoy izy  ao amin'ny Facebook :

Mandria Am-piadanana ry Fitzroy Coleman HBM. Ry ngezalahy mpitendry mozika misy ‘tady’ maneran-tany.

” Manampahaizana” i Coleman hoy i Foster tao amin'ny tafatafa an-telefaona — ary, toy ireo manampahaizana maro, dia ” lehilahy tena mampihetsi-po” izy, hoy ihany i Foster, mbola nampiany hoe lalina ny fiantraikan'ny tsy rariny tamin'i Coleman. Nohamafisin'i Foster fa indray mandeha dia nataon'ireo mpitendry gitara klasika malaza eran-tany, John Williams sy Julian Bream, hoe ” andrarezin'ny feo ampiarahana (zavamaneno misy tady) tamin'ny fotoana rehetra” i Coleman.

Tamin'ny fahatanorany, notadiavina mihitsy i Coleman hanao fampisehoana tamin'ireo hetsika sosialy ho an'ny “Iza no Iza” tany Trinite, ary hatramin'ireo miaramila amerikana izay nitoby tao amin'ny nosy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Mpitendry mozika nampiana-tena izy ary nandao an'i Trinite ho any Londona  tamin'ny 1945 mba ho ao anatin'ny ‘tarika Karibeana iray’. Nanana fihaonana tsy tapaka tamin'ny BBC  niaraka tamin'ireo mpanan-talenta andrarezina toa an-dry Tony Bennett, Lena Horne, ary Eartha Kitt sy ireo mpilalao ny mozika calypso toa an-dry Lord Kitchener sy Roaring Lion izy tany.

A scan of an expired passport belonging to Fitzroy Coleman. Image courtesy Robin Foster, used with permission.

Dikan'ny pasipaoro efa lany datin'i Fitzory Coleman. Sary natolotr'i Robin Foster, nahazoana alàlana.

Tamin'ny fiverenany teto Trinite tamin'ny 1960, anefa, dia tsy mba ‘nokarakaraina’ i Coleman, ambaran'i Foster fa nahatsiaro natahotra  noho ny fahambonian'ny fahaizany mozika ireo mpiara-miangaly aminy.  ” Nanana iny mpitendry mozika sokajiana ho malaza erantany iny i Trinite”, hoy ny talahon'i Foster, ” ary tsy fantatry ny olona akory ny anarany.” Notsarovany ihany koa hoe tahaka ny ahoana ny mijery azy milalao :

Mahagaga ! Reny ao an-dohany ireo feo ampiarahana tsy hita ho tanterahana  ary avy eo, tadiaviny izay fomba hitendrena azy. Tena manana fahaiza-mamorona izy raha resaka fanatsaràna feonkira. Indray mandeha nolazainy tamiko fa roa taona no laniny nanaovana feonkira iray tsy misy kilema  —  ary ankoatra ny filalaovany ireo feo mahafinaritra ampiarahana, dia afaka mitendry naoty toy ny fitetezana ny faritry ny feo ambany indrindra ampivadiana amin'ny feo ampiarahana  izy– ary feheziny ao  anaty feonkira izany rehetra izany. Hira 900 mahery no hainy tsianjery ary azony tendrena tsy misy diso.

Na dia neken'ny fikambanan'ny mpanao Jazz-n'i Trinite sy Tobago aza i Coleman tamin'ny 2013, dia  olona malaza tena tsy fantatry ny  ao amin'ny firenena nahaterahany.

David Rudder, lehilahy malaza noho ny asany, mpitendry mozika calypso  — izay nanome voninahitra an'i Coleman tamin'ny hira klasikanà mozika Calypso ito nandefa ity fanavaozana sata Facebook teo am-pandrenesana ny fahafatesan'i Coleman ity :

Lasa i Fitzie. Tsy hitantsika intsony ny famirapiratany. Niditra sy nivoaka fotsiny tamin'ny tahirin-kirany isika. Mba olona manakory e!

Ho an'ny tahaka azy, aoka isika hanantena fa tena misy ny fiainana ankoatry ny fahafatesana mba hahazoan'ny rantsantanany mandihy indray mitety ny tahon'ny gitara. Mandria Am-piadanana ry Lehibe.

Mbola an-dàlam-pamitàna ny fandaminana ny fandevenana, tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra niaingàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.