- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kandidà Enina Ho Solombavam-bahoaka, Nahilik'ireo Tomponandraikitry ny Fifidianan'i Hong Kong Noho Ny Maha-Tsy ‘Olona Mahatoky’ Tsara an'i Shina Azy Ireo

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Edward Leung talked to the press after his candidacy was invalidated by the returning officer. Photo from the Stand News. Non-commercial use. [1]

Niresaka tamin'ny mpanao gazety i Edward Leung taorian'ny nandavan'ny talen'ny fifidianana ny filatsahany ho kandidà. Sary avy tamin'ny Stand News. Tsy natao hamidy.

Nanivana kandidà enina tsy ho afaka hifanandrina amin'ny fifidianana Filankevitry ny Solombavambahoaka ny taona 2016 ny governemantan'i Hong Kong, noho izy ireo mpandàla fahaleovantena na “mpiandany amin'ny ao an-toerana”, entina anondroana ny politika manindrahindra ny soatoavina sy kolontsain'i Hong Kong manoloana ireo an'ny tanibe Shina..

Ireo talen'ny fifidianana ao an-tanàna (tomponandraiki-panjakana miandraikitra ny fifidianana) no nandray ilay fanapahankevitra, ary nanamarika ny fotoana voalohany nisian'ny fanatsinkafonan'ny mpiasam-panjakana ny kandidà iray. Maro no mino fa natao hibahanana ny vovonana mpandàla ny demokrasia ao Hong Kong tsy hahazo ny seza ilaina amin'ny fampiharana ny vato tsy azo ivalozana ao amin'ny Filankevitra Mpanao Lalàna amin'ny resaka fanavaozana ny fifidianana io hetsika io

Ankoatr'izay, ny fanaovan-dalàna izay misy antoko mpanohitra atao an-jorm-bàla dia hanokatra koa ny làlana ho amin'ny fandaniana ny Andalana faha-23 amin'ny Lalàna Fototra [2], izay  namboarina avy amin'ny lalàna fiarovana nasionaly Shinoa momba ny fiarovam-pirenena ihany. I Hong Kong dia fari-pitantanana iray ao anatin'ny firenena Shinoa izay manana fahafahana bebe kokoa noho ny tanibe, saingy maro no matahotra fa io fizakantena io dia eo ambany fandrahonana tsy mitsaha-mitombo.

Hatao ny 4 Septambra ny fifidianana Filankevitra Mpanao Lalàna amin'ity taona 2016 ity, ary hatao anelanelan'ny 15 sy 29 Jolay ny fizotry ny filazàna anarana.

Raha ny tena marina, nampidirina mba natao hamerana ireo vondrona mpandàla fahaleovantena sy ireo mpiandany amin'ny eo an-toerana, izay manindrahindra ireo lanjan'i Hong Kong mihoatra noho ny an'ny taniben'i Shina, ireo fepetra feno herisetra ireo. Roa andro monja mialohan'ny fanombohan'ny fanononana anarana dia nametraka fepetra vaovao indray ny Kaomisionan-Draharahan'ny Fifidianana, nitaky ireo mety ho kandidà mba hanasonia fanambaràna “tsy fivadihana” [3], manaiky ny didy Shinoa ary miala amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'ny tanàna. Satria tsy misy fototra araka ny lalàna ilay fepetra vaovao, nandà ny tsy hanao sonia ny ampahatelon'ireo kandidà avy amin'ny vondrona “pan-demokratika”, ary nisy nangataka ny fitsaràna mba hamerina hijery io lalàna io.

Satria tsy nandaitra ilay fanambaràna tsy fivadihana dia nangatahan'ny Kaomisionan-Draharahan'ny Fifidianana mba “handray ny fanapahankeviny manokana” ireo talen'ny fifidianana ao amin'ny tanàna mikasika ny fahatokisana tsy fivadihan'ireo voatonona, ka nahatonga ny enina amin'izy ireo tsy afaka tamin'ny fitsapàna tsy fivadihana ary tsy ho afaka hilatsaka:

Fanivanana noho ny laza amin'ny Facebook

Ny fanilihana an'i Edward Leung Tin-kei no tena nahatonga resabe, satria dia nandray anjara, tsy nisy olana, tamin'ny Filankevitry ny Solombavambahoaka tamin'ny fifidianana ny Janoary 2016 izy. Fanampin'izay, nanao sonia ny fanambaràna tsy fivadihana izy ary namaly tamin'ny imailaka ny talen'ny fifidianana fa tsy hiady ho an'ny fahaleovantenan'i Hong Kong izy raha tafiditra ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna.

Kanefa, nanapaka ny talen'ny fifidianana fa tsy atokisana tsy hiova amin'ny toerany amin'ny maha mpomba ny fahaleovantena azy i Leung ary tsy manana eritreritra ny hanaraka ny Lalàna Fototra. Nanoratra ny talen'ny fifidianana tao anatin'ilay taratasy lava nisy pejy 12 hoe (avy tamn'ny Gazety Tsy Miankina Hong Kong [7]):

 Tsy nanome antony ampy tsara mba hanaporofoana i Mr Leung fa hoe diso ireo tatitry ny gazety sy ny haino aman-jery momba ny fiadiany ho an'ny ‘fahaleovantenan'i Hong Kong’.

Mieritreritra aho fa [ilay fanambaràna nataon'i] Mr. Leung dia midika fa hampiasa ny fomba rehetra hidirana ao amin'ny Filankevitry ny Solombavambahoaka izy, anisan'izany ny filazàna fa tsy hiaro ny fahaleovantenan'i Hong Kong intsony izy; raha tonga mpanao lalàna izy dia mbola hanohy hiaro sy hanohana ny fahaleovantenan'i Hong Kong foana.

Nanipika ny lahatsoratry Leung tao amin'ny Facebook, nivoaka ny 23 Jolay, izay mivaky toy izao ilay tomponandraikitry ny fifidianana: “Lalàna Fototra? Nadalaiko t*y fotsiny ianareo ary ho adalaiko t*y mandrakizay.”

Nanao “fanangonan-tsonia amin'ny fifidianana” [8] i Leung, ho an'ny fitsaràna, hanontaniana raha nanao fanamparam-pahefana ny tomponandraikitry ny fifidianana tamin'ny fanapahankeviny tamin'ny fanivanana azy.

‘…raha hanaraka io làlana io i Hong Kong, ho toy ny ahoana ny kolontsaintsika any aoriana?’

Namoaka didy manohitra ireo fanilihana ireo ny sampan'ny lalàna eo an-toerana. Manodidina ny 30 ireo mpisolovava sy mpanao lalàna no nanao sonia ilay fanambaràna [9] miampanga ny governemanta ho manitsakitsaka ny Lalàna Fototra :

《基本法》第26條訂明,被選舉權是每一位香港公民的基本權利。《立法會條例》第40條僅要求參選人提交一份聲明確認擁護《基本法》,條例並無賦權選舉主任任何權力去查訊某位參選人的聲明是否所謂「真誠」,更遑論賦權選舉主任基於據稱某位參選人不是真誠地擁護《基本法》,但不循任何正當程序就作出一個主觀和政治決定去取消其參選資格。該等查訊和決定非但不合法,更是等同選舉主任在沒有法律基礎下進行政治審查和篩選。
這樣最終會破壞香港人對立法會和選舉過程的信心,亦會對香港長遠的穩定帶來負面影響。

Araka ny Andalana faha-26 amin'ny Lalàna Fototra, samy misitraka ny zo ho afaka ho fidiana daholo ireo olompirenena rehetra  ao Hong Kong.  Ny Andalana faha-40 amin'ny Didin'ny Filankevi-pifidianana ho Solombavambahoaka fotsiny dia mitaky amin'ireo mety ho kandidà mba hametraka fanambaràna ho fanamafisana fa hampihatra ny Lalàna Fototra izy ireo. Tsy omen'ilay didy fahefàna mihitsy ny talen'ny fifidianana hanao fanadihadiana hoe “marina” sa tsia ilay fanambaràna. Tsy manome fahefàna velively ny talen'ny fififdianana hanao fanapahankevitra ara-politika mitanila mba hanafoanana ny fahafahan'io olona io milatsaka hofidiana, araka izay tsaho re na milaza fa hoe tsy hampihatra marina ny Lalàna Fototra ilay mety ho kandidà, tsy manaraka fizotra ara-dalàna akory. Tsy ara-dalàna ilay fanadihadiana sy ilay fanapahankevitra. Nanao fanivanana ara-politika tsy misy fototra ara-dalàna akory ilay talen'ny fifidianana..

Ankoatra ny fanilihana ireo kandidà, ny Kaomisiônan-draharahan'ny Fifidianana ihany koa dia manivana ireo taratasy mombamomba ireo kandidà. Araka ny [10]  voalazan'ny iray amin'ireo kandidà, Nathan Law, dia nahanton'ny kaomisiona ny fanekena ny taratasy mikasika azy, satria mbola haka izay hevitry ny sekreteran'ny fitsaràna aloha izy ireo. Ireto ny nolazaina ho teny “mampisy olana”.:

自主未來 Hoavy mahavita tena
自決主權治權 Fiandrianam-pirenena sy fitantanana mahaleotena
民主自決 Famaritan'ny eo an-toerana ny fahalalahana
城巿自立 Tanàna mahavita tena
自決運動 Hetsika famaritan-tena
前途自決 Hoavy nofaritan'ny tena
推動民間公投 Miady ny fifidianan'ny rehetra
中國經濟壓力下難以自主 Eo ambany faneriterena ara-toekaren'i Shina, mampiahiahy ny fahavitantena
國防外交外真正自治 Ankoatra ny miaramila sy ny diplomasia, sampana fitantanana mahaleotena marina

Miantraika amin'ireo mponin'i Hong Kong rehetra ilay sivana ara-politika fa tsy hoe miantraika amin'ireo mpifaninana amin'ny fifidianana amin'ny Filankevitry ny Solombavambahoaka fotsiny. Tse Kwun Dong, mpanoratra avy ao amin'ny sehatra media inmediahk.net, nanipika [11] hoe amin'izao toe-draharaha izao, ny tsirairay dia samy tandindonin-doza daholo, ary mety ho lazaina ho mpisintaka sy tsy avela misitraka ireo zo-ny ara-politika:

選委會的「港獨」證據可以來自各個方面,例如提出「自主」、「自決」也可能被指「港獨」。但這些本來都是正面的人生態度,哪有人會想自己的命運「他主」、「他決」呢?只有奴才才會這樣。可惜香港這樣下去,漸漸培養出一種怎樣的文化?

Afaka manangona porofo isan-karazany ny Kaomisionan-Draharahan'ny Fifidianana mba hanaporofoana fa ny olona iray dia mpomba ny fahaleovantena. Ohatra, afaka adika ho “fombàna ny fahaleovantenan'i Hong Kong” ireo teny toy ny “fahavitantena” sy “famaritana ny tena”. Kanefa ireo teny ireo milaza fahitàna tsara mikasika ny hoavin'ny tsirairay. Misy olona eto an-tany ve tia hoe ny hafa no mamaritra ny anjarany? Olona mpanompon'olona ihany no mieritreritra toy izany. Fa raha manaraka izany làlana izany i Hong Kong, toy ny ahoana ny kolontsaintsika any aoriana?

六四集會者常反對「一黨專政」,然而沒有黨,又哪有一國兩制?故此亦大可被指違反《基本法》,他日被剝奪各種權利。以文入罪,將無窮無盡,言論自由空間收窄。香港瀰漫的白色恐怖,日益嚴重。當然假如你剛好屬建制派,言論永遠正確,倒是樂得逍遙自在,無須擔心你的嘴巴和思想自由,你甚至並不希罕,可是你那些追求民主的下一代又如何呢?

 Ho an'ireo manatrika ny fiaretantory fanao isan-taona ny 4 Jona [ho an'ny vono olona teo amin'ny Tiananmen Square ny taona 1989 tany Pékin], ary mihiaka ny teny faneva hoe “atsaharo ny  fitondrana jadon'ny antoko tokana,” azo jerena ho fanitsakitsahana ny “Firenena Tokana, Rafitra Roa” ny fihetsika toy izany, satria ny “fitondrana jadon'ny antoko tokana” no fototry ny “Firenena Tokana.” Noho izany, mety ho azo adika ho fanitsakitsahana ny Lalàna Fototra izany, ary hahatonga anao tsy ho afaka misitraka ireo zo ara-politika rehetra. Fanenjehana tsy misy fiafarany ny fanamelohana ny fitenenana, ary mihakely hatrany ny sehatra ho an'ny fahalalahana miteny. Miha mahazo toerana any Hong Kong ary miha ratsy hatrany ny “Horoor Fotsy” [midika ho ezaka fanafoanana ireo mpanohitra ara-politika]. Mazava ho azy, raha mpomba ny fitondràna ianao ary eo amin'ny lafiny mety ara-politika hatrany, mbola malalaka sy falifaly foana ianao, satria tsy matahotra na miasa saina mikasika ny fahalalahan'ny fieritreretana. Fa nieritreritra ny mikasika ireo zanakao izay maniry demokrasia ve ianao?