- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Akaton'i Bangladesh ny Aterineto, Avy eo Tranonkalom-baovao 35 no Nomena Baiko Hakatona

Sokajy: Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
Dhaka at night. Photo by Ishtiaque Mahmood Rohan via Wikimedia (CC BY 3.0) [1]

Dhaka amin'ny alina. Sary avy amin'i Ishtiaque Mahmood Rohan tao amin'ny Wikimedia (CC BY 3.0)

Nitatitra ny Bangladesh Daily [2] tamin'ny 4 Aogositra 2016 fa nanome baiko ho an'ireo mpandraharahan'ny Vavahadin'ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena ao amin'ny firenena ny Komity Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra mba hanakatona tranonkalam-baovao 35.

Tsy nisy antsipiriham-baovao fanampiny azo momba ny fanakatonana hatreto, saingy lava ny lisitr'ireo tranonkala ary ahitana ireo maneho fanakianana ny toe-draharaha politika ankehitriny ao amin'ny firenena. Ireto ambany ireo ny lisitra feno misy ireo anaran-tsehatra nomena baiko mba hakatona araka ny notaterin'ny Daily Star.

Tranonkala hosakanana:
rtnews24.com
haquekotha.com
amrabnp.com
real-timenews.com
bnation24.com
nationnewsbd.com
bhoreralap.com
banglapost24.com
dailytimes24.com
mynewsbd.com
livekhobor.com
rikhan.com
sheershanewsbd.com
natunerdak.com
sylhetvoice24.com
somoybangla.com
prothom-news.com
banglalatestnews.com
bdmonitor.net
bdupdatenews24.net
newsdaily24bd.com
amardeshonline.com
doinikamardesh.com
onnojogot24.com
amarbangladesh-online.com
desh-bd.net
crimebdnews24.com
natunsokal.com
sheershakhobor.com
onb24.com
dinkalonline.net
sarabangla.com
parstoday.com
weeklysonarbangla.net
24banglanewsblog.wordpress.com

Nitranga avy hatrany izany taorian'ny fanakatonana ny aterineto tamin'ny maraimben'ny 2 Aogositra, raha notapahana nandritra ny 3,5 ora ny fidirana amin'ny aterineto tao amin'ny faritra ara-barotra ao Dhaka izay anisan'ny “hetsika” ampiharin'ny governemanta mba hitsapana ny fahaizan'ny sampan-draharahan'ny fifandraisandavitra ao amin'ny firenena. Nilaza ny sampan-draharahan'ny fifandraisandavitry ny firenena fa anisan'ireo andiana fitsapana fanakatonana hitranga tsy ho ela manerana ny firenena izao.

Nambara tamin'ny 1 Aogositra ny “hetsika fanakatonana aterineto” ary nampahafantarina ho fepetra fiarovana. Nitranga izao taorian'ny fanafihana feno herisetra tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay tao amin'ny Toerana Hotey Fanaovana mofo, izay namonoana takalon'aina 20 [3] ary tafiditra ao anatin'ny fanafihana mpampihorohoro nitranga amin'ny fotoana itomboan'ny herisetra ao amin'ny firenena [4].

Ankoatra ny aterineto, notapahana ihany koa ireo tolotra hafa. Voalaza fa nanandrana [5]ny fahafahan'izy ireo manakatona ny antso an-tariby ireo mpandraharaha amin'ny finday ary nangatahana ihany koa ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hanakatona pejin-tranonkala sasany. Tsy fantatra mazava raha ireo tranonkala nomena baiko hakatona tamin'ny 4 Aogositra ihany ireo na tsia.

Nanazava [6] ny Filohan'ny Komity Fandrindràna ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh (BTRC), Shahjahan Mahmood fa voalohany amin'ny andiana fanakatonana aterineto vonjimaika ity hetsika ity, nilaza izy fa: “Ao anatin'ny hetsika mitohy, mety ho tapaka mandritra ny fotoana fohy amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra ao amin'ny firenena ny fifandraisana aterineto isan-karazany, “

Nanampy i Ahsan Habib Khan, filoha lefitry ny BTRC fa mety hitranga mandritra ny alina, sy ny andro fety ireo fanakatonana hoavy ireo.

Miezaka mijery izay fiantraikany tsara azo avy amin'ireo fanakatonana ireo amin'ny fiarovam-bahoaka ny olom-pirenena, saingy toa miharihary ny fandrika amin'izany tetikady izany. Naneho ny alahelony sy ny fahatezerany tao amin'ny media sosialy ny olom-pirenena  Bangladesh, nanoratra ny mpisera Facebook iray [7] hoe:

And wtf is this?? Without any prior notice or with such a short notice?? Do they have any idea how people work and how it may affect their work?? Imagine the situation – an area suddenly went offline around the most critical time and most of the people don't even know about it and you can't even use your cell phone data to communicate with someone to inform about the situation cause your entire area is f**ed up!


Fa loza inona ity?? Tsy misy filazana mialoha na filazana fohy tahaka izany?? Mba fantatr'izy ireo ve ny fitaovana iasàn'ny olona ary ahoana no mety ho fiantraikan'izany amin'ny asan'izy ireo?? Alaivo sary an-tsaina ny zava-misy – tapaka aterineto tampoka ny faritra iray ao anatin'ny fotoam-piasàna indrindra ary tsy mahafantatra akory momba izany ny olona ary tsy afaka mampiasa na dia ny tahiry findainao akory aza mba hifandraisana amin'ny olona ho fampahafantarana ny toe-javatra satria tapaka aterineto ny faritra manontolo misy anao!

Tao amin'ny Twitter, niantso izany hetsika izany ho “diso lalana” ny vondrona mpiaro ny zo nomerika Access Now [8], izay anisan'ny hetsika manerantany manohitra ny fanakatonana aterineto, #KeepItOn [9].  

VAOVAO FARANY: Nanambara “hetsika” fanakatonana aterineto i Bangladesh androany. Ity ny hevitray. #KeepitOn [10] pic.twitter.com/0gVp1ndX8I [11]

Tsy vao voalohany no nisy tambajotra fanahy iniana nakatona tao Bangladesh. Tamin'ny Novambra 2015, nakaton'ny governemantan'i Bangladesh ny tranonkala media sosialy, [13] anisan'izany ny Facebook, Viber sy ny Whatsapp ary naharitra efa ho efatra herinandro ny fanakatonana [14].

Ny andro voalohan'izany fanakatonana izany, notapahana nandritra ny 75 minitra teo ho eo ny fidirana amin'ny aterineto tao amin'ny firenena manontolo. Taorian'izany avy hatrany, nilaza i Mahmood fa fahadisoana izany ary vokatry ny “tsy fifankahazoana” [15]no nahatonga ny fahatapahana.

Mampiahiahy tanteraka ity tosika vaovao hametra ny fidiran'ny olom-pirenena amin'ny aterineto ity, indrindra ao Bangladesh izay miha-tandindomin-doza ny fahalalahana maneho hevitra, [16] na amin'ny aterineto izany na eo amin'ny andavanandrom-piainana.

Tamin'ny 2011, nanambara ny Firenena Mikambana fa zo fototra ho an'ny olombelona ny fidirana amin'ny aterineto [17]. Vao efatra herinandro lasa izay, nandray vahaolana hanameloka ireo firenena manakana na manakorontana ny fidirana amin'ny aterineto [18]ny Filan-kevitry ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny Zoma.

Na dia eo aza ny fanitsakitsahana hatrany ny zo nomerika, dia mitohy ny fanambaran'ny governemanta handroso amin'ny “Bangladesh Nomerika” [19].