- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Anivon'ny Raharaham-Pitoriana Kolikoly Amina Miliara Dolara Ao Etazonia Ve Ny Praiminisitr'i Malayzia?

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
This 'Malaysian Official 1' meme adopts the logo of 1Malaysia, a program of Prime Minister Najib Razak. Source: Facebook [1]

Ity sary-sy-soratra ‘Malaysian Official 1′ ity dia maka ny fangon'ny 1Malaysia, programan'ny Praiminisitra Najib Razak. Loharanontsary: Facebook

Taorian'ny fametrahan'ny Departemantan'ny Fitsarana ao Etazonia fitoriana [2] miampanga manampahefana malayziana sy ny mpiara-miasa amin'izy ireo ho manao famotsiam-bola mihoatra ny iray miliara dolara amerikana, dia maminavina ny Malayziana hoe io ‘Malaysian Official 1,’ izay voatonona [3] in-36 tao amin'ny taratasim-pitoriana 136 pejy, io ve dia ny praiminisitra Najib Razak tokoa.

Ny Praiminisitra no manaramaso ny orinasam-pampiasambola 1Malaysian Development Berhad (1MDB), izay ivon'ny fitoriana. Anisan'ny voampanga ihany koa ny vinantolahiny. Ny tanjon'ny fitoriana dia hamerenana ny taratasim-bola 17 ao Etazonia, izay heverina ho azo tamin'ny alalan'ny famatsian'ny 1MDB. Nolazain'ny fitoriana fa ny famatsian'ny 1MDB dia lany tamin'ny hotely, zavakanto fandravahana, trano lehibe mirentirenty any New York, Los Angeles, ary Londra, eny fa na dia amin'ny filma nivoaka tao Hollywood tamin'ny 2013 mitondra ny lohateny hoe “The Wolf of Wall Street [4] aza”

Tsy vao sambany ny anaran'i Najib Razak no tafiditra amin'ny raharahan-kolikoly [5][mg]. Teo aloha izy efa voampanga ho nampiditra vola mihoatra ny 600 tapitrisa dolara am-paosy tamin'ny alalan'ny fampitam-bola tsy ara-dalàna. Ary rehefa voarohy tamin'ny kaontim-banky maro amina dolara betsaka, dia nolazainy fa ireo vola ireo dia fanomezana ara-politika avy amin'ny fianakaviam-panjakan'i Arabia Saodita.

Nilaza ny manampahefana ao Etazonia fa izao fitoriana izao no “hetsika tokana lehibe indrindra nentina avy amin'ny Fisantaran'Andraikitra Hisintonana Ny Renivolan'ny Fanjakam-Pangalatra.” Nampanantena [6] ry zareo hamerina ny vatsy any amin'ny vahoaka Malayziana:

The Department of Justice will not allow the American financial system to be used as a conduit for corruption. With this action, we are seeking to forfeit and recover funds that were intended to grow the Malaysian economy and support the Malaysian people. Instead, they were stolen, laundered through American financial institutions and used to enrich a few officials and their associates.

Ny Departemantan'ny Fitsarana dia tsy hamela ny rafitra ara-bola Amerikana ampiasaina ho lalan-kolikoly. Amin'ity hetsika izy izahay mitady ny hisintonana sy hahazoana indray ny vatsy natao hampitomboana ny toekarena Malayziana sy hanohannaa ny vahoaka Malayziana. Saingy nangalarina sy nodiovina tamin'ny alalan'ny rafitra ara-bolan'i Etazonia izany ary natao hampanakarena manampahefana vitsivitsy sy ireo namany.

Maro ny Malayziana mieritreritra fa ny taratasy fitoriana dia manome porofo ampy iampangana an'i Najib.

Tsy mahita aho hoe olonkafa ankoatra an'i Najib ny Manampahefana Malaiziana voalohany ao amin'ny fitorian'ny Departemantan'ny Fitsarana ny 1MDB

Fa maninona no sarotra no mitady izany olona izany?

Ny praiminisitra teo aloha Mahathir Mohamad, izay miantso ny fialan'i Najib no nandrisika [12] an'i Etazonia hanonona ny anaran'i Najib ao amin'ny fitoriana :

If the US really believes in eradicating corruption and money laundering which involves their country, they should not be shy about naming names and letting due process to take place.

When the thief is in charge of the police and the prosecuting agency, only foreign intervention can bring about justice.

Raha mihevitra ny hamongotra tanteraka ny kolikoly sy ny fanadiovam-bola izay mahatafiditra ny fireneny i Etazonia, dia tsy tokony ho menatra manonona anarana ry zareo sy mamela ny dingam-pitsarana hizotra.

Raha ny mpangalatra no misahana ny polisy sy ny sampan-draharaham-pitoriana, dia ny fitsabahan'ny vahiny ihany no mety hitondra ny rariny.

Nanolo-kevitra [13] an'i Najib hamaly amin'ny filazana fa izy ilay ‘Malaysian Official 1′ voalaza ao amin'ny fitoriana ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Lim Kit Siang :

Let me clearly and formally declare that I am not the “Malaysian Official 1.”

Will the Prime Minister, Datuk Seri Najib Razak similarly state his position – to formally deny it or confirm whether he is referred to as “Malaysian Official 1” and if the latter, what he proposes to do about the DOJ action.

Aleo lazaina mazava sy ampahibemaso fa tsy izao no ‘Malaysian Official 1’ [Manampahefana Malaiziana Voalohany].

Afaka mametraka ny toerany – handà na hanamafy azy ampahibemaso ho ‘Malaysian Official 1’ [Manampahefana Malaiziana Voalohany] tahaka izany koa ve ny praiminisitra Datuk Seri Najib Razak ary raha ny farany, inona no atolony amin'ny hetsiky ny Departemanta Misahana ny Fitsarana.

Mihizingizina ny mpanohana an'i Najib fa tsy tafiditra ao anatin'ny fitoriana ny anaran'ny praiminisitra, izay midika fa tsy misy fototra iampangana azy ho manao kolikoly mifandraika amin'ny fanafintohinana 1MDB  .

Manaiky [14] amin'ny ampahany ny sasany amin'ny mpanohana an'i Najib fa mety azo anondroana ny praiminisitra ny “Malaysian Official 1” saingy lazain-dry zareo fa misy fahadisoana ny fampahafantarana natolotry ny governemantan'i Etazonia.

Nalaza ny tenirohy #MalaysianOfficial1 [ManampahefanaMalaizianaVoalohany] rehefa naneho hevitra tamin'ny tatitry ny US DOJ ny mpiserasera. Misy aza ny sasany nanao fanentanana miantso ny mpiseran'ny aterineto hitady izay tena ‘Malaysian Official 1’ [Manampahefana Malaiziana Voalohany].

Manaja ny toeran'ny praiminisitra aho fa very ny fanajako ilay lehilahy mitazona ny toerana amin'izao fotoana izao…

Tezitra aho fa ampiasaina tahaka ny kaontin'ny banky manokana ny vola. Vao maika mahatezitra ny fahitana fa tsy azo kitihina eto ny manampahefana malayziana voalohany.

Tsy Manampahefana Malaiziana voalohany aho. Ianao ve?