- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonga Ao Trinidad & Tobago Ny Areti-mandoza Ateraky Ny Fanondranana Olona

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Zon'olombelona
"NOT for sale: human trafficking". Photo by Ira Gelb, used under a CC BY-ND 2.0 license. [1]

“TSY amidy: fanondranana olona”. Sary an'i Ira Gelb, fampiasàna eo ambany fahazoandàlana CC BY-ND 2.0

Na dia tsy nahomby aza ny governemantan'i Trinidad sy Tobago, ho an'ny roa taona mifanesy, momba ny fanadihadiana lalina sy fanenjehana araka ny lalàna ireo mpanondrana olona, manara-maso akaiky kosa ny fampiharana lalàna sy ireo manampahefana amin'ny fifindramonina  ary ny fanamparam-pahefana voalaza fa fanondranana olona noho ny filàna ara-nofo ataon'izy ireo, ny U.S. Department of State [2] – ary nampanantena fa tsy ho vitavita fotsiny tsy hisazy  ireo heloka bevava tahaka izany.

Araka ny tatitry ny  Departamentam-panjakàna Amerikàna momba ny Fanondranana Olona, taona 2016 [3],” taterin'ny sasantsasany amin'ireo manam-boninahitra ao amin'ny governemanta fa ” mandray kolikoly ireo mpampihatra ny lalàna sy ny mpiandraikitra fifindramonina ho takalon'ny fiarovana sy fisomparana ireo fanadihadian'ny polisy[…] Loharano iray avy ao amin'ny minisitry ny fiarovam-pirenena nilaza fa nandefa sy tapaka mpiasa vaovao ho any amin'ny tranon-dopy iray ao an-toerana ny paositry ny polisy hanjifa ireo mpampanofa vatana .”

Vao tamin'ny herinandro lasa teo, notaterina [4] fa tale roa mpitantana fandraharahana voasoratra ao an-toerana no niakatra fitsarana mba hamaly ireo heloka niampangana azy momba ny fihantsiana ara-nofo sy ny fanondranana zaza tsy ampy taona.

Ao anatin'ny lisitra Tier 2 Watch ny Nosy Karaiba ankehitriny satria – araka ny tatitra – “toerana faleha, fandalovana, ary loharano ho an'ireo olon-dehibe sy ankizy iharan'ny fanondranana antsokosoko ho an'nhy filàna ara-nofo sy asa anterivozona ilay firenena”. Maridrefy milahatra avy amin'ny [5] tsara (Tier 1) mankany amin'ny ratsy (Tier 3) no itsaràn'ny departemantam-panjakàna ny indostrian'ny fanondranana olona.

Nilaza koa ny tatitra fa ny governemantan'i Trinidad sy Tobago dia tsy nahavitra nanatontosa izay fenitra kely indrindra mba hahatongavana amin'ny Tier 1, satria matetika ireo vehivavy sy tovovavy avy ao Venezoela, Kolombia, ny Repoblika Domikàna ary Goiana no miafara any amin'ny tranondopy sy klioba any, manao asa fivarotantena.

Heloka sarotra iadiana ny fanondranana olona, indrindra raha tsy tafapetraka amin'ny toerany tsara ireo fomba fampiharana mahitsy mba hiadiana amin'io, ary misy ihany ny fanondranana ho amin'ny filàna ara-nofo na eo aza ny rafitra efa mivoatra tsara ho fanoherana ny fanondranana any Etazonia.

Araka ny voalazan'ny lahatsoratra iray tao anatin'ny The Atlantic [6], manodidina ny 4.000 ireo tranga mahakasika ny fanondranana ho an'ny filàna ara-nofo voatatitra tao Etazonia, toy ny nambaran'ny Ivontoerana Nasionaly Mpanome Tarehimarika momba ny Fanondranana Olona [7].

Navoitran'ilay lahatsoratra ihany koa fa herevin'ireo ihany ho toy ny nandika ny lalàna amin'ny fivarotantena ireo niharam-boina, ka mahatonga azy ireo hatahotra ny fampiharana ny lalàna sy tsy hilaza ny tranga manjo azy ireo.

Na izany aza, ireo mpisera amin'ny aterineto ao Trinidad sy Tobago dia nivadi-po hoe efa nahatratra ambaratonga ambony ao amin'ny firenen'izy ireo io areti-mandoza io. Toy izao ny nambaràn'ny  mpampiasa Facebook, [8] Stanley Ryan, mikasika ireo fitarainana:

HENATRA HO AN'NY FIRENENA! Sampandraharahan'ny polisy tsy mahavita azy sy Departemantan'ny Fifindramonina tsy mahavita azy! FANAMALEHONA toa inona ho an'i Trinidad sy Tobago! Departemanta roa tena ain-dehibe amin'ny Fiarovam-pirenena VOAROHIROHY AO ANATIN'NY IRAY AMIN'IREO HELOKA BEVAVA RATSY INDRINDRA TSY NOERITRERETINA, FANONDRANANA OLONA, RAHA TSY NY RATSY INDRINDRA AZA!

Matetika ireo niharam-boina dia voasarika anatin'ireo tranga fanandevozana olona ireo noho ny fanentanana hahazo asa ara-dalàna. Tamin'ny volana lasa teo, nitatitra ny gazety iray tao an-toerana fa misy 6.000 ireo olona voafandrika tao Trinidad sy Tobago [9]taminà endrika karazana fanandevozana maoderina.

Melvin Besai [8] chimed on Facebook:   ……………Naneno tao anaty Facebook i Melvin Besai [8]:

Miaina anatina firenena kely izahay ary mahafantatra ireo asa tsy ara-dalàna sady ao ambadiky ny asa tsy ara-dalàna tsirairay, dia ahitantsika manamboninahitry ny polisy, Miaramila, Mpandraharaha ary hatramin'ny minisitry ny governemanta aza, noho izany izay azonao itodihanao hitadiavana fanampiana,  $$$$$$$$$ daholo no anaovana ny zavatra rehetra.

Ary nilaza i Ed Abhi [10] fa:

Miezaha haka sary an-tsaina hentitra amin'ny fanasàna sady misy isan-jato kely hahazoana miditra raha toa ry zareo manome ah lil kakadang amin-dry zareo mpitandro ny filaminana noana. Tsy misy rafitra noforonina mba hanakanana ny kolikoly eo amin'ity izao tontolo izao ity.

Indrisy, ela fandraisana andraikitra loatra amin'ny famongorana io areti-mandoza io ireo firenena andalam-pandrosoana ary matetika mpiray tsikombakomba [11] ireo mpiasam-panjakana voavidy.

Ohatra iray fantadaza amin'io ny tranga iray tamin'ny taona 2013 (mbola andalana ankehitriny) mahakasika mpiasam-panjakana iray tompon'andraikitra tamin'ny fampiharana lalàna tamin'ny fanondranana nanjo ireo teratany kolombiana, raha toa ny governemanta vao avy nanambara fanadihadiana vaovao momba ireo asan'ny mpitandro  filaminana iray voarohirohy tamin'ny fanondranana olona ho amin'ny filàna ara-nofo.

Na izany aza anefa, mbola mitohy maneho ny tsy fahatokisany ny governemanta hatrany ireo mpisera amin'ny aterineto.

Nitsikera [12] teo amin'ny pejy Facebook-ny Gazety Trinidad Express i Antonio Sorzano:

TTPS (Samoandraharahan'ny Polisy ao Trinidad sy Tobago) tsara ho an'ny fanidiana ireo anti-bavy voaozona sy mpifoka rongony fotsiny. Tsara amin'ny tsy antony fotsiny izy ireo. Raha ataon-dry zareo ho ara-dalàna ny marijuana, 90% amin'ny polisy,  mpitsara ary mpisolovava no ho very asa. Izany ihany no olona mba samborin'izy ireo matetika.