- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ayatollah Khomeini Maty 27 Taona Lasa Izay, Saingy Mbola Tian'ny Mpanolotsain'i Trump Hanameloka Ny Fanafihana Tao Nice

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Etazonia, Iràna, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
Retired Lt. General Michael T. Flynn appears on Fox News. Image: YouTube [1]

Ny Lt. Jeneraly Michael T. Flynn, efa misotro ronono, miseho amin'ny Fox News. Sary : YouTube

Misolovava hatrany ny “fihenjanana manoloana an'i Iràna” ny fampielezankevitr'ilay mpirotsaka ho filoham-pirenena, Donald Trump, saingy niakatra ambonimbony kely ny kabary fandresen-dahatra tamin'ny faran'ny herinandro taorian'ilay fanafihana tao Nice, rehefa injay ilay  Lietnà Jeneraly efa misotro ronono, Michael T. Flynn, iray amin'ireo lehiben'ny mpanolotsaina ara-tafik'i Trump, ary tale fahiny tao amin'ny Masoivohom-pitsikilovana sy Fiarovana, nangataka ny Ayatollah Khomeini—lehilahy iray efa maherin'ny dimy amby roapolo taona no nahafatesany—mba hanameloka ny fanafihana nitranga tao Nice, Frantsa tamin'ny 14 Jolay.

Niantso lehilahy iray efa maty 27 taona lasa i Michael T. Flynn,  tale fahiny tao amin'ny Masoivohom-pitsikilovana sy Fiarovana, mba hanameloka ny fihetsika mahery

Niseho tao amin'ny Fox News niaraka tamin'i Megyn Kelly, tamin-katezerana no nilazan'i Flynn  hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny sy ny ADN-ndry zareo ity.”

Tamin'ny 1989 ny Ayatollah Sayyid Ruhollah Khomeini no nodimandry, taorian'ny nametrahana ny Repoblika Islamikan'i Iràna, ny endrika teokrasia voalohany indrindra tamin'izao vaninandro maoderina izao, taorian'ny Revolisionan'ny 1979.

Na i Flynn nanafangaro ny anarana  “Khomeini” tamin'ny an'ny mpitarika ambony ao Iràna amin'izao fotoana izao, Ayatollah Sayyed Ali Hosseini Khamenei, na izy tsy mahalala fa efa 27 taona lasa no maty ny Ayatollah Khomeini. Na tsy fanafangaroana na tsy fahalalàna ilay hadisoana, niseho tao amin'ny Fox News indray [4] i Flynn ny andro nanaraka io, ny 15 Jolay, ary nilaza indray ny anaran'i Khomeini, nisisika ny amin'ny hanamelohan'ilay rangahy efa maty ela io ilay fanafihana tao Nice.

Samy nizara hevitra vitsivitsy momba ny fahalinana hafahafa nananan'i Flynn momba ny “Imam Khomeini” ireo mpampiasa aterineto, na tao Iràna, na tany Etazonia. Ilay Iraniana mpampiasa Twitter, Ameneh Mousavi, nibitsika hoe:

Ry olona hendry, mety ve ity? Tian'ny Jeneraly Michael Flynn, mpanolotsaina ara-tafik'i Donald Trump mba hanameloka ny asa fampihorohoroana tao Nice ny “Ayatollah Khomeini,”  ilay mpitarika an'i Iràna.

Nanoratra i Saman Arbabi, Iraniana-Amerikana mpanao gazety hoe:

Amin'ny politika ivelany, sahala amin'ny manao ny tarik'i Bush ho mpandresy tamin'ny Loka Nobel ny tarik'i #Trump

Liana tamin'ilay tantara ireo Amerikana mpampiasa aterineto, indrindra fa rehefa nanoratra mikasika azy io ny  Huffington Post [4] :

“Naetrin'ny zavamisy ilay tolotr'i Flynn hametraka anaty lisitra ireo Miozolmana mpitarika fa efa maty tany amin'ny 30 taona tany ilay sangany nataony ohatra”

Milay, ndeha isika hanome maripamantarana ho an'izay olona tsy afaka akory manavaka ny olona velona amin'ny maty. NDAO ARY E

Nanana hevitra vitsivitsy ihany koa ny kaonty hala-tàhaka iray manadrohadro ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana, Sergei Lavrov :

Manontany tena raha toa ka mba fantany hoe tsy filohan'i Rosia i Gorbatchev