Teknolojia, Injenieria ary Zava-baovao Maro Mahatalanjona Hita Manamarika Ny Fanitarana Ny Lakandranon'i Panamà

Canal de Panamá, imagen en Flickr del usuario Jose Jiménez (CC BY-SA 2.0).

Lakandranon'i Panamà, sary ao amin'ny Flickr avy tamin'ny mpampiasa Jose Jiménez (CC BY-SA 2.0).

Ny 26 Jona 2016, andro izay nolazain'ny Filohan'i Panamà Juan Carlos Varela ho “manan-tantara ho an'ny firenena,” notokanana tao amin'ny renivohitra sy tany amin'ireo faritra maro, teo afovoan'ireo sainam-pirenena sy feon-kira nolalaovin'ireo mpianatra sy tarika maro, ny fanitarana ny Lakandranon'i Panamà ao amin'ny morontsiraka Panamaniàna Atlantika.

Làlana an-drano voatr'olombelona izay mampifandray ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasimbe Pasifika, eo amin'ny Andilana tery indrindra ao Panamà, ny Lakandranon'i Panamà. Manana halava mitotaly 77 miles (eo amin'ny 142,5 km mahery eo) io ary notokanana voalohany tamin'ny 15 Aogositra 1914. Nandritra ny zato taona mahery, nampandeha haingana ny serasera ara-toekarena sy ara-barotra teo amin'ny faritra io làlana kely sy mora io. Nandaniana teo amin'ny folo taona teo ny famitàna ilay tetikasa vao nosokafana tsy ela akory izay.

Sambo voalohany izay nandeha tamin'ilay Lakandranon'i Panamà vao nitarina, ny sambo Shinoa Cosco Shipping Panama, izay manokatra ny serasera amin'ny làlana vaovao ao Agua Clara ao amin'ny riandranon'ny Atlantika.

Araka ny vohikala ofisialin'ny Lakandranon'i Panamà, tonga taorian'ny fandinihana sy famakafakàna lalina ny fanapahankevitra ny hanamboatra làlana fahatelo hfaneraseràna, ary mikendry ny hampitombo roa avo heny ny fahafahany miserasera io. Mampiseho ihany koa ny fivoaran'ilay fandaharanasa fanitarana, miaraka amin'ny tarehimarika sy ahitàna sary sy lahatsary, ilay vohikala.

Ao amin'ny Twitter, faly amin'io fivoarana vaovao an'ny lakandrano io ireo mpampiasa, lakandrano izay nampihena ny halavirana teo amin'ny tanibe Amerikàna. Ireo sasany kosa niresaka ny tetikasa manaraka, na mety ho inona na inona izany:

Alefa, Panama. Andao vinavinaina ny tetikasa lehibe manaraka. Ny fiarandalamby “transisthmus”  (mitety ny andilana) avy any Bocas mankany Darien, ary hamerina hanamboatra tanàna.

Ireo sasany mampitaha ny zava-misy tamin'ireo vanimpotoana hafa:

Lakandrano kely tokoa ankehitriny ilay Lakandranon'i Panamà notsidihako raha oharina amin'ny notokanana androany.

Misy ihany koa ireo sarin'ny Cosco Shipping Panama, ny sambo voalohany izay nandeha tao amin'ilay Lakandrano nitarina:

Sambo voalohany nandeha tao amin'ny Lakandranon'i Panamà nitarina

Media iray teo an-toerana nandefa lahatsarin'ireo olona nitangorona teo, ary nampatsiahivin'ny BBC ny fanovàna nentin'ny Lakandrano ho an'ny tontolo:

Olona ao Cocolí, miandry hanatrika ny fandalovan'ny Cosco Shipping Panama ao amin'ilay Lakandrano nitarina.

Zavatra dimy izay niova teto an-tany noho ny Lakandranon'i Panamà.

Harena miafina

Nandritra ny folo taona nanaovana ny asa fanitarana ny Lakandranon'i Panamà, maherin'ny 2.200 ireo zavatra arkeôlôjika hita ary nokilasiana, izay milaza ny tantara ara-barotr'ilay andilan'i Panamà hatramin'ny fotoana nialoha ny Kolombiàna:

Dientes, dagas, chimeneas, restos de puentes y cementerios abandonados por las compañías de Francia y Estados Unidos a principios del siglo pasado, evidencian el papel de tránsito humano que ha tenido Panamá.

Nify, antsy, làlan-tsetroka, ambinà tetezana sy fasana navelan'ireo orinasa Frantsay sy Amerikana tamin'ny fiantombohan'ny taonjato farany lasa iny, mampiseho ny anjara asan'ny Panamà tamin'ny serasera eo amin'ny olona.

Nilaza i Tomás Mendizábal, ilay lehilahy tomponandraikitra amin'ny fikilasiana ireo zavatra hita nandritra ireo dingana maro tamin'ny fanitarana, hoe: “hitako hafahafa, […] tsy nampino, ny hoe mandavaka ao aminà tanàna kely tavela ao anatin'ny ala mikitroky Panamà, ary mahita vokatra Eorôpeana miaraka amin'ireo asa-tànana avy any Meksika.”

Hatramin'ny taona 2014, nisy sasany tamin'ireo media teo an-toerana naneho ireo harena arkeôlôjika mahagaga izay nipoitra avy tao amin'ireo tendrombohitra nanesorana ny tany teo amin'ireo toerana niasàna:

Durante las excavaciones, voladura de cerros y tala de espesa vegetación, se han hallado fósiles de unos 3.000 invertebrados y 500 vertebrados, y de más de 250 plantas, como las de un bosque consumido por el fuego de una explosión volcánica, precisó Hortensia Broce [bióloga especialista en paleontología de la Autoridad del Canal].
[…] también salieron fragmentos de objetos de la época precolombina, colonial, departamental […] y republicana […]. Trozos de vasijas de cerámica, puntas de flecha y parte de un ajuar funerario precolombino, una daga del siglo XVI, una chimenea de 1908, una colección de botellas, vagones y cubos para mezclar concreto de la época de construcción del Canal, aparecieron en zonas del Pacífico y el Atlántico.

Nandritra ny fandavahana, ny fanapoahana dinamita ny tendrombohitra sy ny fanesorana ireo zava-maniry mikitroka, teo amin'ny taolanà biby 3.000 tsy misy hazon-damosina sy biby 500 misy hazon-damosina no hita, ary maherin'ny zava-maniry 250 isa nohanin'ny afon'ny fipoahan'ny volkano, hoy i Hortensia Broce [biolozista, manam-pahaizana manokana amin'ny Paleontôlôzia avy amin'ny Fahefàna ao amin'ny Lakandrano].
[…] nipoitra ihany koa, ireo poti-javatra avy amin'ny vanimpotoana nialoha ny Kolombiàna, fanjanahana, sy fizarazaram-paritra […] ary repoblikàna […]. Samy hita tao amin'ny faritra Pasifika sy Atlantika ny tapaka vazy vita amin'ny bakoly, lohanà lefona, ary ampahanà fasana talohan-ny vanimpotoana Kolombiàna, sabatra avy tamin'ny taonjato faha-16, làlan-tsetroka tamin'ny taona 1908, tahirinà tavoahangy, sarety sy sinin-drano natao hanafangaroana ny varafasy tamin'ny fotoana nanamboarana ny Lakandrano.

Ny taona 2009, hita tao ihany koa ireo hatramin'ny taolanà nifin'ireo zavamanan'aina taloha Amerikàna Tanivo. Naneho hevitra toy izao i Jonathan Bloch, filohan'ny ekipan'ny Oniveriste-n'i Florida izay nanadihady ireo fahitàna ireo:

[…] estos son los dientes de un mono de Sudamérica que, de alguna manera, logró hacer lo que ningún otro animal pudo hacer en aquella época: cruzar la vía marítima de Centroamérica hacia la Norteamérica tropical hace 21 millones de años.

[…] nifinà rajako Amerikàna Tatsimo ireo, izay azo lazaina ho nahavita nahatratra ny tsy mbola vitan'ny biby rehetra hatrizay tany aloha: nanavatsava niampita ny làlan'ny ranon'i Amerika Afovoany hankany Amerika Avaratra trôpikaly, tany amin'ny 21 tapitrisa taona lasa izay.

Tao amin'ny Twitter ihany koa, nahitàna ireo sary sy lahatsarin'ireo zavatra hita izay nipoitra nandritra ny asa fanitarana:

Hita nandritra ny fanitarana ny Lakandranon'i Panamà ireo harena arkeôlôjika .

Ireo harena arkeôlôjika hita tao amin'ny “vatam-pako” manan-tantaran'ny Lakandranon'i Panamà.

Fitetezana manodidina ireo zavatra arkeôlôjika hita tamin'ny fanitarana ny Lakandranon'i Panamà, toy ireo tavoahangy, fitaovam-piadiana…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.