Karazana Voangory Iray Vaovao Nomena Ny Anaran'ny Filohampirenena Xi, Nampidirina Anaty Lisitra Mainty Ao Amin'ireo Media Sosialy Sinoa

Image from Hong Kong non-profit independent media The Stand News. (Non-commercial use)

Sary avy amin'ny The Stand News, media tsy miankina tsy mitady tombony ara-bola ao Hong Kong (Fampiasàna tsy itadiavam-bola)

Sinoa iray mpahay siansa no nandefa lahatsoratra iray, vao haingana teo amin'ny Zootaxa, gazetiboky siantifika ho an'ireo olona mpanasokajy biby, mikasika ny fahitàna karazana voangory iray vaovao avy any amin'ny Nosy Hainan antsoina hoe Rhyzodiastes (Temoana) xii. Raha azo ampitoviana tsara amin'ireo fanisa romana ilay ampahana anarana “xii”, dia tena fanondroana ny filoha sinoa Xi Jinping mihintsy raha ny marina.

Nanoratra tao anaty lahatsorany (tamin'ny alàlan'ny China Digital Times) ilay mpahay siansa, Wang Bin, izay mpianatra asa amin'ny fianarana ambony aorian'ny ‘doctorat’ tao amin'ny departemanta mikasika ny tontolo iainana ao amin'ny Oniversite Tseky Momba ny Siansan'ny Aina, fa:

ilay mpamaritoetra manokana dia natokana ho an'ny Dr Xi Jin-Ping , Filoham-pirenen'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, noho ny fitondrany ny firenentsika miha-henjana hatrany.

Matetika ireo mpahay siansa no manome voninahitra an'ireo filoham-pirenena amin'ny fanomezana anarana ireo karazana vaovao, sahala amin'ny hoe Aptostichus barackobamai, karazana voangory trapdoor iray, nomena anarana avy amin'ny filoha faha 44-n'i Etazonia, sy Mandelia mirocornata, Mandelia mirocornata iray nomena anarana avy tamin'ny Nelson Mandela, filoham-pirenen'i Afrika Atsimo.

Fa heverina ho olana iray  “manohintohina” ao Shina ny fanomezana anarana Xi ho an'io bug vaovao io, ary ny dikany amin'ny fiteny Sinoa hoe (習氏狼條脊甲) dia voasakana tsy azo tadiavina ao amin'ny media sosialin'ny tambajotra Weibo. Milaza ny fanamarihana avy amin'ny fikarohana ao amin'ny Weibo, fa:

Screen capture of Weibo search result.

Pikantsary avy amin'ny fikarohana ny hoe “Rhyzodiastes (Temoana) xii.” tao amin'ny Weibo.

根據相關法律法規和政策,“習氏狼條脊甲”搜索結果未予顯示。

Araka ny voalazan'ny lalàna sy ny politikan'ny tambajotra, tsy azo avoaka ny vokatry ny fikarohana  momba ny “Rhyzodiastes (Temoana) xii”

Manana hevitra ratsy ny teny hoe “bug” amin'ny kolontsaina Sinoa. Ankoatra izay, ny famaritan'ny mpahay siansa mikasika ny Rhyzodiastes (Temoana) xii milaza fa mipetraka ao ambany hazo boboka sy mihinana zavatra lò io, kisarisary ampifanarahana aminà kolikoly ao anaty literatioran'i Shina.

Lasa nivadika haingana ho sangisangy mandeha be ao anaty tambajotra ny fandraràna ilay teny. Mpampiasa Weibo iray nidera miaraka amin'ny esoeso ny fahombiazana azon'ireo mpanivana aterineto:

敏感词检查现在好高级,xxx冠名甲虫那条吐槽在微博、豆瓣和人人网都被瞬间删除了。可见xxx应该是不大高兴冠名昆虫的?这可真是马屁拍到马腿上了。。。

Efa tena mandroso ny fanarahana maso ireo antony mahatohina. Voafafa teo noho eo ihany tao amin'ny [vovonana media sosialy lehibe indrindra] Weibo, Duban sy ny Ren Ren ilay lahatsoratra momba ilay fanomezana anarana XXX  ilay voangory vaovao.
Tokony hilaza ve isika hoe tsy faly tamin'ny nanomezana ny anarany XXX ho anaran'ilay bug ? Nivadika ho daka vody izany ny orokoro-body…

Angamba voataratra tsara ao anaty tononkalo iray nampitondrain'i Franz Kafka ny lohateny hoe The Metamorphosis, (Fiofoana) ny endrika mahatohina amin'ilay anarana sady mivezivezy be manerana ny media sosialy. Nosoratan'i Zhang Llfan io, mpanoratra iray sy mpahay tantara fanta-daza.

变形记
高黑悬疑马屁功,
命名想象力无穷。
天生一代真龙种,
驾梦凌空变甲虫。

Ny fiofoana tanteraka
Fifanjevoana eo amin'ny dikan'ny orokoro-body (dokadoka) sy fijirihana avo lenta [amin'ny dika],
Anarana mitondra sary an-tsaina tsy azo ferana,
karazana dragona natoraly hatrany am-pahaterahany ,
Mitondra ny nofy eny anaty rivotra, lasa bug ankehitriny …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.