Nahoana Ary Ireo Fiaran-javamanenon'ny Fifidianana Any Japana No Mikiakiaka Be, No Sady Tsy Misy Ilàna Azy?

communist party sound truck, tsuruga

Kamiaon-javamanenon'ny Antoko Kaominista, Tsuruga. Sary avy tamin'i Nevin Thompson.

Ny 10 Jolay 2016, namonjy birao fifidianana i Japana. Raha ny hisafidy 121 amin'ireo mpikambana 242 izay handrafitra ny Efitry ny Mpanolotsaina, ilay efitra ambony amin'ny rafitra parlemanta roa ao Japana, no tanjon'ilay fifidianana, ho an'ireo Japoney maro, tsy dia misy dikany loatra io, fifidianana tsy dia manan-danja — kanefa, misy resaka iray izay mahatonga fahalinana manokana eo amin'ny efa ho ireo Japoney mpifidy rehetra mihitsy: ireo fiaran-javamaneno mikiakiaka.

Tsy afaka matory aho ny Asabotsy, ny andro tsy fiasàko, amin'ilay kiakiaka avy amin'ny feon'ireo kamiao manomboka ny maraina ka hatramin'ny alina.

Fitaovana fototra ho an'ny fifidianana rehetra any Japana ireo kamiaon-javamaneno sy ireo fiarn-javamaneno — fiarakodia rakotra taratasy fampielezankevitra sy fanamafisam-peo.

Mandeha moramora any anelanelan'ireo lalankely sy ireo toerana mandrafitra ny toerana iadiana amin'ny fifidianana ireo fiara sy kamiao, mihiaka hafatra iray: ny anaran'ny kandidà, ary ny fangatahana ny vatonao amin'ny andron'ny fifidianana.

Ahitàna tsara ny fanaon'ireo fiaran-javamaneno isaky ny misy fifidianana ity lahatsary amin'ny YouTube ity, ary ny antony ahitan'ireo mpifidy sasany azy ireny ho mankaleo:

Maribolan'ilay lahatsary: “Aty izao ny fiaran-javamanenon'ny fifidianana ary tena MAKARENIN-TSOOOFINA be ilay izy!”

Lazaina fa, indrindra amin'ireo fifidianana toy ny fifidianana ny 10 Jolay ao Japana, izay tsy dia iasan'ireo mpifidy saina loatra sy tsy dia raharahiany matetika, singa fototry ny hifidianana anao ny fahafantarana ny anarana  — noho izany, tetikady mahomby ny fampiasàna fiara mba ahafahan'ny olona mahafantatra ny anaranao ao amin'ny trano fifidianana — fa mbola gaga amin'io ihany ireo Japoney sasany mpifidy :

Tena halako rangahy ireo fiaran-javamaneno ireo. Ohatra, tena ankahalain'ireo alika antitra ny fanambakàna, ary, ny andro aorian'ny fandefasana afomanga, maty noho ny fikorontanan-tsaina raha ny marina ny sasany amin'izy ireny. Nisy vehivavy iray mpifanila vodirindrina izay maty toy izany ny alikany. Ny zavatra mba tiako atao izao dia mankafy lohataona iray milamina.

Manontany tena ireo mpifidy hafa hoe nahoana ireo fiaran-javamanenon'ny fifidianana ireo no mamerina tsotra izao hatrany hatrany (ary hita ho tsy mieritreritra) ny anaran'ny kandidà, fa tsy mandefa torohay hafa, tsara ho fantatra sy ilaina.

O leity a!

“Izaho dia ‘XYZ” kandidà avy amin'ny antoko “ZYX”!!”

Izany ihany no mivoaka avy amin'ilay fiaran-javamanenon'ny fifidianana. Ankoatry ny hoe ny anaranao fotsiny no henonay, tsy afaka mahafantatra ny tena eritreritrao ve izahay ? Ary hoe nahoana marina ianao no mirotsaka hofidiana?

Arg, fotoana indray izao hanomboan'ny kiakiaka sy ny sisa avy amin'ireo fiaran-javamanenon'ny fifidianana… Marina fa andeha hifidy aho, kanefa efa fantatro daholo ny anaran'ireo kandidà rehetra! Fa mbola averimberin'ireo fiaran-javamaneno hatrany hatrany ihany ny anaran'ireo kandidà, fa tsy milaza izay tena inoan'ireo kandidà izy ireo! Fanambakàna mankarenin-tsofiny fotsiny mihitsy io.

Mpitoraka bilaogy i Mikan Box (みかん箱, mikan bako), manome fanazavàna mikasika ny mahatonga ireo fiaran-javamanenon'ny fifidianana ireo mamerimberina hatrany izany hafatra hita ho tsy misy dikany izany:

せっかく大音量でアピールするなら、自分の意見や政策を言えばいいのに!と思っている方もいるかもしれませんが、実は選挙カーから伝える内容は公職選挙法により限定されているのです。

Mety milaza ianao hoe ‘Raha mamerimberina ireny hafatra mankarenin-tsofina ireny ireo kandidà mba hisintona ahy hifidy azy, nahoana ary no tsy tena lazainy marina amiko ny tena eritreretiny!’

Kanefa, tsy maintsy manaraka ny fitsipika apetraky ny lalànan'ny fifidianan'i Japana ireo hafatra avoakan'ireo fiaran-javamaneno ireo.

Milaza ny  Article 141, Clause 3, amin'ny lalànan'ny fifidianana ao Japana i Mikan Box :

「選挙運動のために使用される自動車の上においては、選挙運動をすることができない」とした上で、2つの例外をあげています。

・自動車の上において選挙運動のための「連呼行為」をすること。
・停車した自動車の上において、選挙運動のために演説すること。

Voarara ny manao fampielezankevitra mampiasa fiara misy maotera. Misy maningana roa amin'io fandraràna io:

・Mamerimberina (hafatra tsotra) mitovy foana, eo ambony tafon'ny fiara mihetsika
・Manome kabarinà fampielezankevitra eo amboninà fiara misy maotera mijanona amin'ny toerany

Faranan'i Mikan Box amin'ny filazàna hoe :

つまり走行中の選挙カーでは「同じことを繰り返し言うこと」しか法律で認められていないのです。そのため、どの候補者も名前やあいさつの連呼になってしまうんですね。

しかし、そんな名前を連呼するためだけに何台もクルマや人員を用意して、本当に意味があるのでしょうか。

Noho izany, hita fa (araka ireo lalànan'ny fifidianana ao Japana) ny fandefasana hafatra mitovy miverimberina no hany zavatra tokana ara-dalàna afaka ataon'ireo kandidà amin'ny fanaovana fampielezankevitra amin'ny alalan'ny fiara mihetsika. Ary noho izany antony izany, ny mamerimberina tsotra ny anaran'izy ireo sy ny fiarahabàna tsotra no afaka nataon'ireo kandidà ao Japana.

Kanefa, manontany tena ihany ny olona raha tena mahaleo ny sarany tokoa ny ezaka fanangonana ireo olona sy fitaovana miaraka ho an'ireo fiaran-javamanenon'ny fifidianana ireo.

Raha hitan'ny ankamaroan'ny vahoaka Japoney ho mankaleo ireo fiaran-javamaneno, mbola manana aina hihomehezana ihany ry zareo. Lasa nalaza be tamin'ny Aterineto ny kamiao mampalahelo iray izay nihitsoka raha saika hiampita ny làlamby:

Hey! Ianao! Kandidà Aoyama Shigeharu an'ny Antoko Liberaly Demokratika! Tokony tsy manimba ny fananam-bahoaka ny kamiaon-javamanenonao (toy ny fiampitàna làlamby)! […] Tena fanaintainana mankarary vody mihitsy io!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.